Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 9:50 - Baiboly Katolika50 dia nanorina tanàna mimanda any Jodea; ny manda eo akaikin’i Jerikô, i Emaosa, i Betôrôna, i Betela, i Tamnatà, i Farà, i Tefona, nasiany manda avo, sy vavahady ary hidiny, Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara50 Niverina ho any Jerosalema i Bakida. Ary nohamafisiny ny tanàna sasany tao Jodea, ka nasiany manda avo sy vavahady ary hidy mafy; ireo tanàna ireo dia i Jerikao sy i Emaosy ary i Bety-Hôrôna mbamin’i Betela sy i Timnà ary i Paratôna sy i Tefôna. Jereo ny toko |