Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 9:40 - Baiboly Katolika40 Nahita izany ireto nomba an’i Jônatasy dia niroatra avy ao am-panotrehany, niantoraka tamin’izy ireo hamono azy: maty tamin’ny famelezany ny maro tamin’ireo, nandositra any an-tendrombohitra ny sisa, ary nobaboin’ny Jody izay teny aminy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara40 Nahita izany i Jônatàna sy ireo olony, dia niroatra avy ao am-panotrehany, ka niantoraka tamin’ny mpikorana hamono azy; niharan’ny ratra mafy ny maro tamin’ireo ka maty, fa ny sisa velona kosa nandositra tany an-tendrombohitra, ary nobaboin’ny Jiosy ny entana rehetra nananany. Jereo ny toko |