Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 9:39 - Baiboly Katolika39 Nanopy ny masony izy ireo nitsirika, ka injay reny nisy nigorodondròdona be ihany, dia indreny nisy andian’olona maro be, notsenain’ny mpanambady, izay nandroso, otronin’ireo rahalahiny aman-tsakaizany ary nomban’ny feon’amponga tapaka aman-java-maneno, mbamin’ny forongo be dia be. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara39 Nanopy maso nitsirika izy mirahalahy, ka indro tetsy an-kilany andian’olona maro miraondraona sy enta-miavosa be dia be; tetsy an-daniny kosa ny mpampakatra otronin’ireo rahalahiny aman-tsakaizany no mandroso mitsena azy ka nomban’ny feon’ampongatapaka aman-javamaneno sady nirongo fiadiana be dia be. Jereo ny toko |