Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 7:1 - Baiboly Katolika1 Tamin’ny taona faha-151, nitsoaka avy ao an-tanànan’i Rôma i Demetriosa zanak’i Seleokosa, ka teo amin’ny tanàna anankiray amoron-dranomasina no nitodiany nomban’olona vitsivitsy, ary teo izy naka ny anarana hoe mpanjaka. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara1 Tamin’ny taona faha-151 dia nitsoaka avy tao Rôma i Demetry zanakalahin’i Seleokôsa, ka teo amin’ny tanàna anankiray amoron-dranomasina no nitodiany nomban’olona vitsivitsy ary teo no nitononany tena ho mpanjaka. Jereo ny toko |