Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 6:53 - Baiboly Katolika53 Nefa tsy nisy hanina tao amin’ny magazày, satria taona faha-7 ny tamin’izay, ary ny sisa napetraka hotahirizina, lanin’ny Israelita izay nandositra tany Jodea, teo anoloan’ny firenena. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara53 Kanefa tsy nisy sakafo intsony tao amin’ny fitahirizam-batsy, satria taona fampialan-tsasatra ny tany tamin’izay; ary ny sakafo tavela farany tao dia lanin’ireo Jiosy izay niala avy any amin’ny hafa firenena ka nialoka tao Jodea. Jereo ny toko |