Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 6:31 - Baiboly Katolika31 Nandroso nihazo any Idomea izy ireo, dia niorin-toby teo anoloan’i Betsora, niady naharitra ela izy, sady nanorina milina fiadiana, fa nivoaka nandoro azy ny Jody naneho herim-po lehibe. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara31 Nandroso nihazo an’i Idomea ny mpanjaka sy ny tafiny, dia nanao fahirano an’i Bety-Tsoro ka niady andro maromaro teo; namboatra milina fandrobahan-drindrina ireo, fa nivoaka ny tanàna ny Jiosy ka nandoro ireny ary nanohitra tamin-kerimpo lehibe. Jereo ny toko |