Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

1Makabeo 14:36 - Baiboly Katolika

36 Raha mbola velona koa izy, vanona avokoa ny zavatra teo an-tanany, vitany hatramin’ny nandroaka ny firenen-kafa teo amin’ny tany izay nonenany, mbamin’ireo izay teo amin’ny tanànan’i Davida tao Jerosalema, izay efa nahavita trano mimanda, ka nivoaka avy ao nandoto ny manodidina ny fitoerana masina sy nametaveta fatratra ny fahamasinany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

36 Nandritra ny androm-piainany, dia nahomby izy tamin’ny nataony handroahana tao Joda ny hafa firenena sy ireo namahatra teo amin’ny Tanànan’i Davida tao Jerosalema; nahavita toera-mafy teo manko ireo ka nivoaka avy ao mba hanimbazimba ny manodidina ny tempoly sy haniratsira lozan-tany ny fahamasinany.

Jereo ny toko dika mitovy




1Makabeo 14:36
0 Rohy Ifampitohizana  

Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra