Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 11:41 - Baiboly Katolika41 Naniraka ho any amin’i Demetriosa mpanjaka i Jônatasy nangataka ny hanalany ny miaramila izay tao amin’ny trano mimandan’i Jerosalema sy tamin’ireo trano mimanda hafa any Jodea, fa nandrafy ady tamin’i Israely ireo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara41 Tamin’izay ny miaramila sirianina, nitoby tao amin’ny toera-mafin’i Jerosalema sy tany amin’ireo tanàna mimanda hafa any Jodea, dia mpila ady tamin’ny Israelita. Koa nandefasan’i Jônatàna iraka i Demetry mpanjaka mba hangataka ny hanalany an’ireo miaramila ireo. Jereo ny toko |