Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 11:4 - Baiboly Katolika4 Nony mby teo akaikin’i Azota izy, nasehon’ny mponina azy ny tempolin’i Dagôna may, ny tanàna mbamin’ny manodidina azy rava; ny faty maro nihahaka; ny sisan’ireo nodorana tamin’ny ady nangonina hiavosa teny amin’ny làlana; Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara4 Fony izy mby teo akaikin’i Asdôda, dia nasehon’ny mponina azy ny tempolin’i Dagôna may, ny tanàna mbamin’ny manodidina azy rava, ny faty nihahaka etsy sy eroa, ny sisan-taolan’ireo nodoran’i Jônatàna nandritra ny ady ka nangonin’ny Asdôdita hiavosa teny amin’ny lalàna handalovan’i Ptôlemeo. Jereo ny toko |