Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 11:38 - Baiboly Katolika38 Nony hitan’i Demetriosa mpanjaka fa nandry feizay, eo anoloany, ny tany, ary tsy nisy fanoherana horeseny intsony, dia nalefany hody any an-tokantranony avy ny miaramilany rehetra, afa-tsy ireo miaramila hafa firenena nalainy tany amin’ny nosim-pirenena; ka tonga fahavalony avokoa ny miaramilan-drazany rehetra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara38 Nony hitan’i Demetry mpanjaka fa nandry feizay ny tany teo ambany fifehezany ary tsy nisy olona nanohitra azy intsony, dia nalefany hody any an-tokantranony avy ny miaramilany rehetra. Ireo miaramila hafa firenena, izay nalainy tany amin’ny nosy grika, no hany notazoniny; ka tonga fahavalon’i Demetry avokoa ny miaramila rehetra nanompo ireo mpanjaka nodimbiasany. Jereo ny toko |