Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 11:34 - Baiboly Katolika34 Ankatoavinay ho azy ireo ny faritanin’i Jodea sy ny faritany telo nesorina tamin’i Samaria hakambana amin’i Jodea, dia i Efraima, i Lidà, i Ramataima, mbamin’ny tany rehetra momba azy; ho fanambinana an’izay rehetra mandeha hanatitra sorona any Jerosalema no ahafoizanay izany, ho solon’izay naloany ho an’ny mpanjaka teo aloha, isan-taona, avy amin’ny vokatry ny tany amam-boankazo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara34 koa hamafisiko ho fananany ny faritany Jodea ary ny faritra telo nesorina tamin’i Samaria mba hatambatra amin’i Jodea, dia i Aferemà sy i Lidà ary i Ramataîma mbamin’ny tanàna madinika miankina aminy. Ho fanambinana an’izay rehetra mandeha hanolotra sorona any Jerosalema no anaovako izany; tsy handoa ny hetra ho an’ny mpanjaka intsony izy toy ny fanao teo aloha, isan-taona, avy amin’ny vokatry ny tany sy avy amin’ny voankazo. Jereo ny toko |