Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 11:21 - Baiboly Katolika21 Tamin’izay nisy lehilahy vitsivitsy, mankahala ny fireneny, nandeha nankany amin’i Demetriosa mpanjaka niampanga an’i Jônatasy taminy hoe: «Manao fahirano ny trano mimanda.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara21 Dia nisy lehilahy vitsivitsy, mpankahala firenena sady mpanohitra ny lalànan’Andriamanitra, nandeha nankany amin’i Demetry mpanjaka mba hilaza taminy fa ataon’i Jônatàna fahirano ilay toera-mafy. Jereo ny toko |