Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 11:2 - Baiboly Katolika2 Dia nandroso ho any Siria izy, nanao tenim-pihavanana. Novohain’ny mponina teo anoloany ny tanàna ary nirohotra hitsena azy izy ireo, fa nodidian’i Aleksandra hitsena azy noho ny maha-rafozany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 Dia niroso nankany Siria i Ptôlemeo ka nanao tenim-pihavanana hatrany. Novohain’ny mponina teo anoloany ny tanàna; ary nirohotra hitsena azy ny olona, fa nodidian’i Aleksandra hitsena an’i Ptôlemeo noho ny maha rafozany azy. Jereo ny toko |