Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 10:63 - Baiboly Katolika63 ary hoy izy tamin’ireo lehiben’ny tandapany: «Mandehana ianareo mivoaka miaraka aminy, ho ao afovoan’ny tanàna, ka lazao ampahibemaso, fa tsy misy olona mahazo mitsangan-kitaraina hamely azy, na amin’inona na amin’inona, ary tsy misy mahazo manorisory azy akory, na inona na inona fialan-tsiny ataony.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara63 Avy eo ny mpanjaka nampipetraka azy teo anilany sady nilaza tamin’ireo lohandohan’ny tandapany: –Mandehana ianareo mankany afovoan-tanàna miaraka amin’i Jônatàna, ka lazao ampahibemaso fa tsy misy olona mahazo manao fitarainana hamely azy na amin’inona na amin’inona, ary tsy misy mahazo manelingelina azy akory na inona na inona antony. Jereo ny toko |