Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 10:46 - Baiboly Katolika46 Nony nandre ireo teny ireo i Jônatasy sy ny vahoaka dia tsy nino izany sady tsy nety nanaiky izany; satria tsaroany ny loza lehibe nafitsok’i Demetriosa tamin’i Israely sy ny voina nampiaviany taminy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara46 Nony nandre ireo tenin’i Demetry ireo i Jônatàna sy ny vahoaka, dia tsy nety nino na nanaiky izany; tsaroany manko ny voina lehibe nahatran’io mpanjaka io tamin’i Israely sy ny namoretany mafy azy. Jereo ny toko |