Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 10:20 - Baiboly Katolika20 Noho izany, dia manendry anao izahay anio, ho mpisorona lehibe amin’ny firenena sy manome anao ny anaram-boninahitra hoe sakaizan’ny mpanjaka; - niaraka tamin’izany nampitondra akanjo jaky sy satroboninahitra volamena ho azy izy; - koa aoka hiray hevitra aminay amin’ny raharahanay sy haharitra amin’ny fihavanana aminay.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara20 Izany no anendreko anao anio ho mpisoromben’ny firenenao sy anomezako anao ny anaram-boninahitra hoe «sakaizan’ny mpanjaka»; koa aoka hiray hevitra aminay ianao sy haharitra amin’ny fisakaizana aminay. Nampiarahin’i Aleksandra mpanjaka tamin’izany taratasy izany ny akanjo jaky mari-pahefana sy ny satroboninahitra volamena ho an’i Jônatàna. Jereo ny toko |