Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Samoela 26:5 - Baiboly Katolika

5 Dia niainga i Davida ka tonga teo amin’ny toerana nitobian’i Saola. Hitan’i Davida ny toerana nandrian’i Saola sy i Abnera zanak’i Nera lehiben’ny miaramilany; tao afovoan’ny toby i Saola no nandry ary nitoby nanodidina azy ny vahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia niainga i Davida ka tonga teo amin’ny toerana izay nitobian’i Saoly; ary hitan’i Davida ny toerana izay nandrian’i Saoly sy Abnera, zanak’i Nera, komandin’ny miaramilany. Ary natory teo anatin’ny kianja fitobian-tsarety i Saoly ka nitoby manodidina azy ny vahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Dia nankany amin’izay nitobian’i Saoly i Davida ka nahita ny toerana marina izay nandrian’i Saoly sy i Abinera zanakalahin’i Nera lehiben’ny tafika; natory tao afovoan’ny toby i Saoly, fa ny miaramilany kosa nitoby nanodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia nankany amin’izay nitobian’i Saoly i Davida ka nahita ny toerana marina izay nandrian’i Saoly sy i Abinera zanakalahin’i Nera lehiben’ny tafika; natory tao afovoan’ny toby i Saoly, fa ny miaramilany kosa nitoby nanodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia niainga Davida ka tonga teo amin’ny nitobian’i Saoly; ary hitan’i Davida izay nandrian’i Saoly sy Abnera, zanak’i Nera, komandin’ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin’ny sehatra-sariety, sady nitoby manodidina azy ny vahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia niainga Davida ka tonga teo amin'ny nitobian'i Saoly; ary hitan'i Davida izay nandrian'i Saoly sy Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin'ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy




1Samoela 26:5
10 Rohy Ifampitohizana  

Nony tafaverina tao Hebrôna dia nentin’i Jôaba nihataka kely tao anaty vavahady, toy ny hiresaka aminy moramora; kanjo nony mby tao, nofatsahany tamin’ny kibony izy; dia maty izy noho ny amin’ny ran’i Asaela, rahalahin’i Jôaba.


I Nera niteraka an’i Kisa, i Kisa niteraka an’i Saola, i Saola niteraka an’i Jonatàna, i Melkisa, i Abinadaba, ary i Esbaala.


Nifoha maraina koa i Davida, dia navelany tamin’ny mpiandry anankiray ny ondriny, noraisiny ireto vatsy ka nandeha araka ny nandidian’i Isaï azy izy. Tamin’ny nahatongavany tao amin’ny fitobiana indrindra dia nivoaka avy eo an-toby ndeha hilahatra hiady ny tafika, ka velona ny akoran’ady.


Nony efa nahita an’i Davida nandroso hiady amin’ilay Filistinina i Saola dia nanontany an’i Abnera, lehiben’ny foloalindahy hoe: «Zanak’iza moa iny zazalahy iny, ry Abnera?» Ary hoy i Abnera: «Marina toy ny maha-velona ny fanahinao, raha mba fantatro velively, ry mpanjaka.»


dia naniraka mpitsikilo i Davida ka nahalala fa tonga tokoa i Saola.


Nisy lehilahy anankiray avy amin’i Benjamina atao hoe Kisy, zanak’i Abiela, zanak’i Serôra, zanak’i Bekôrata, zanak’i Afià, zanaky ny Benjaminita anankiray; lehilahy mahery fo izy io.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra