ny anankiray, ny manao fahagagana; ny anankiray, ny maminany; ny anankiray, ny mahafantatra ny fanahy samihafa; ny anankiray ny miteny fiteny samihafa, ary ny anankiray, ny mandika teny.
Ao amin’ny Eglizy dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny sasany: voalohany Apôstôly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra; manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana, hahasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny.
Ianareo no Vatan’i Kristy, ka samy rantsam-batany manaraka ny laharany tsirairay avy. Ao amin’ny Eglizy dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny sasany: voalohany Apôstôly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra; manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana, hahasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny. Moa Apôstôly izy rehetra? Moa mpaminany izy rehetra? Moa mpampianatra izy rehetra? Koa mampahafantatra anareo aho, fa tsy misy olona ampitenenin’ny Fanahin’Andriamanitra ka hanao hoe: «Anatema i Jesoa» ary tsy misy afa-milaza hoe: «I Jesoa no Tompo,» raha tsy amin’ny Fanahy Masina. Moa manao fahagagana izy rehetra? Moa miteny fiteny samihafa tsy fantatra izy rehetra? Moa mandika teny izy rehetra? Fa ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy, dia izao lalana tsara indrindra hatoroko anareo izao.
Moa manao fahagagana izy rehetra? Moa miteny fiteny samihafa tsy fantatra izy rehetra? Moa mandika teny izy rehetra?
Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny Anjely aza aho, nefa tsy manana ny fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho.
ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy.
Miezaha mitady ny fitiavana; fa maniria koa ny zava-panahy, fa indrindra ny faminaniana. Na maro samihafa aza ny fitenin’ny olona amin’izao tontolo izao, dia tsy misy manam-peo tsy misy heviny na dia iray aza. Nefa raha tsy mahalala ny hevitry ny feo aho, dia ho mpiberoberoka foana amin’ilay miteny aho. Koa aoka ianareo izay fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana, mba ny hampandrosoana ny Eglizy no hotadiavinareo hananana be indrindra. Noho izany, aoka izay miteny amin’ny teny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa. Fa raha mivavaka amin’ny fiteny tsy fantatra aho, dia mivavaka ihany ny fanahiko, fa ny saiko no tsy mahazo vokatra. Hatao ahoana àry? Izao: sady hivavaka amin’ny fanahy aho no hivavaka amin’ny saina koa; sady hihira amin’ny fanahy aho no hihira amin’ny saina koa. Fa raha mivavaka amin’ny fanahy fotsiny ianao, hataon’ny ankapobem-piangonana ahoana no famaly «Amen» ny fisaoranao, nefa tsy fantany akory izay lazainao? Ianao hahavita fisaorana kanto tokoa, fa ny hafa no tsy hahazo soa. Misaotra an’Andriamanitra aho, fa miteny amin’ny teny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho; nefa ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy hampianarako ny hafa amin’ny saiko, toy izay hanao teny iray alina amin’ny teny tsy fantatra. Fa izay miteny amin’ny teny tsy fantatra, dia tsy miteny amin’ny olona fa miteny amin’Andriamanitra, satria tsy misy mahalala izay lazainy, fa fanahy no itenenany zava-miafina. Ry kristianina havana, aoka tsy ho zaza amin’ny faharatsiana; mitsangàna ho lehilahy amin’ny fisainana e. Voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe: Amin’ny olona hafa fiteny, sy amin’ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin’ity firenena ity; ary na dia amin’izany aza, dia mbola tsy hihaino Ahy ihany izy, hoy ny Tompo. Koa ny fiteny tsy fantatra àry, dia famantarana amin’ny tsy mino, fa tsy amin’ny mino; ary ny faminaniana kosa no amin’ny mino, fa tsy amin’ny tsy mino. Raha vory ny mpiangona rehetra, ka miteny amin’ny fiteny tsy fantatra izy rehetra, ary miditra kosa ny tsy mahay sy ny tsy mino, moa tsy holazainy hoe very saina ianareo? Fa raha samy maminany daholo kosa, no miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan’ny anatra ataon’izy rehetra izy, sady hotsarain’izy rehetra; voaseho miharihary ny zava-takona ao am-pony, ka hiankohoka hitsaoka an’Andriamanitra izy, ary hilaza fa eo aminareo tokoa Andriamanitra! Hatao ahoana àry, ry kristianina havana? Raha miangona ianareo, ka samy manana ny azy: ny sasany, hira; ny sasany, fampianarana; ao ny manana fanambaràna, ao ny manana fiteny tsy fantatra, ary misy manana fandikàn-teny: dia aoka hatao fampandrosoana ny namana ny zavatra rehetra. Raha misy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia aoka ho roa na telo raha dia be, ka hifandimby; ary aoka hisy iray mandika teny. Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka hangina izy eo amin’ny Eglizy, ka hiteny amin’ny tenany sy amin’Andriamanitra. Ary ny amin’ny mpaminany kosa, dia aoka ho roa na telo no hiteny, fa ny sisa kosa hamantatra. Ary izay maminany kosa, dia miteny amin’ny olona ka mahasoa ny fanahiny, mankahery azy, ary manala alahelo azy. Raha misy mahazo fanambaràna anefa amin’izay mipetraka, dia aoka hangina ny voalohany; satria mahazo mifandimby maminany ianareo rehetra, mba hahazoan’ny rehetra fianarana sy famporisihana. Ary ny fanahy mampaminany dia zakain’izy mpaminany, satria Andriamanitra tsy mba Andriamanitry ny tabataba, fa Andriamanitry ny fiadanana. Araka ny fanao amin’ny Eglizin’ny olona masina rehetra, dia aoka hangina ny vehivavy ao am-piangonana; fa tsy tandrify azy ny miteny ao, ka dia aoka hanoa izy, sady araka ny voalazan’ny Lalàna koa izany. Raha misy zavatra sasany tiany hofotorana, dia aoka ho any an-trano izy no hanontany ny lahy; fa mahamenatra raha vehivavy no hiteny ao am-piangonana. Moa ianareo va no niavian’ny tenin’Andriamanitra, sa dia ao aminareo ihany no tongany? Raha misy manao azy ho mpaminany, na manana ny Fanahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo izay soratako ho anareo, ka raha tsy te-hahalala izy, dia aoka tsy hahalala. Koa amin’izany àry, ry kristianina havana, maniria mafy ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra; Izay miteny amin’ny teny tsy fantatra dia mahasoa ny tenany ihany; fa izay maminany kosa dia mahasoa ny Eglizy. fa indrindra: aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra. Koa tiako ny hitenenanareo rehetra amin’ny fiteny tsy fantatra, nefa aleoko aza ny haminanianareo; satria ny maminany no ambony noho ny miteny amin’ny teny tsy fantatra, afa-tsy raha adika ny teniny, mba hahazoan’ny Eglizy soa.
Koa tiako ny hitenenanareo rehetra amin’ny fiteny tsy fantatra, nefa aleoko aza ny haminanianareo; satria ny maminany no ambony noho ny miteny amin’ny teny tsy fantatra, afa-tsy raha adika ny teniny, mba hahazoan’ny Eglizy soa.
Noho izany, aoka izay miteny amin’ny teny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.
Miezaha mitady ny fitiavana; fa maniria koa ny zava-panahy, fa indrindra ny faminaniana. Na maro samihafa aza ny fitenin’ny olona amin’izao tontolo izao, dia tsy misy manam-peo tsy misy heviny na dia iray aza. Nefa raha tsy mahalala ny hevitry ny feo aho, dia ho mpiberoberoka foana amin’ilay miteny aho. Koa aoka ianareo izay fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana, mba ny hampandrosoana ny Eglizy no hotadiavinareo hananana be indrindra. Noho izany, aoka izay miteny amin’ny teny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa. Fa raha mivavaka amin’ny fiteny tsy fantatra aho, dia mivavaka ihany ny fanahiko, fa ny saiko no tsy mahazo vokatra. Hatao ahoana àry? Izao: sady hivavaka amin’ny fanahy aho no hivavaka amin’ny saina koa; sady hihira amin’ny fanahy aho no hihira amin’ny saina koa. Fa raha mivavaka amin’ny fanahy fotsiny ianao, hataon’ny ankapobem-piangonana ahoana no famaly «Amen» ny fisaoranao, nefa tsy fantany akory izay lazainao? Ianao hahavita fisaorana kanto tokoa, fa ny hafa no tsy hahazo soa. Misaotra an’Andriamanitra aho, fa miteny amin’ny teny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho; nefa ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy hampianarako ny hafa amin’ny saiko, toy izay hanao teny iray alina amin’ny teny tsy fantatra. Fa izay miteny amin’ny teny tsy fantatra, dia tsy miteny amin’ny olona fa miteny amin’Andriamanitra, satria tsy misy mahalala izay lazainy, fa fanahy no itenenany zava-miafina.
Hatao ahoana àry, ry kristianina havana? Raha miangona ianareo, ka samy manana ny azy: ny sasany, hira; ny sasany, fampianarana; ao ny manana fanambaràna, ao ny manana fiteny tsy fantatra, ary misy manana fandikàn-teny: dia aoka hatao fampandrosoana ny namana ny zavatra rehetra.
Noho izany, aoka izay miteny amin’ny teny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa. Fa raha mivavaka amin’ny fiteny tsy fantatra aho, dia mivavaka ihany ny fanahiko, fa ny saiko no tsy mahazo vokatra.
Raha misy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia aoka ho roa na telo raha dia be, ka hifandimby; ary aoka hisy iray mandika teny. Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka hangina izy eo amin’ny Eglizy, ka hiteny amin’ny tenany sy amin’Andriamanitra.
Hatao ahoana àry? Izao: sady hivavaka amin’ny fanahy aho no hivavaka amin’ny saina koa; sady hihira amin’ny fanahy aho no hihira amin’ny saina koa.
Koa amin’izany àry, ry kristianina havana, maniria mafy ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra;
Fa raha mivavaka amin’ny fanahy fotsiny ianao, hataon’ny ankapobem-piangonana ahoana no famaly «Amen» ny fisaoranao, nefa tsy fantany akory izay lazainao? Ianao hahavita fisaorana kanto tokoa, fa ny hafa no tsy hahazo soa.
Misaotra an’Andriamanitra aho, fa miteny amin’ny teny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho; nefa ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy hampianarako ny hafa amin’ny saiko, toy izay hanao teny iray alina amin’ny teny tsy fantatra.
Ary izao no famantarana homba izay mino: Handroaka demony amin’ny Anarako izy, hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy,
Koa ny fiteny tsy fantatra àry, dia famantarana amin’ny tsy mino, fa tsy amin’ny mino; ary ny faminaniana kosa no amin’ny mino, fa tsy amin’ny tsy mino.
Nefa raha tsy mahalala ny hevitry ny feo aho, dia ho mpiberoberoka foana amin’ilay miteny aho.
Raha vory ny mpiangona rehetra, ka miteny amin’ny fiteny tsy fantatra izy rehetra, ary miditra kosa ny tsy mahay sy ny tsy mino, moa tsy holazainy hoe very saina ianareo? Fa raha samy maminany daholo kosa, no miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan’ny anatra ataon’izy rehetra izy, sady hotsarain’izy rehetra; voaseho miharihary ny zava-takona ao am-pony, ka hiankohoka hitsaoka an’Andriamanitra izy, ary hilaza fa eo aminareo tokoa Andriamanitra!
Hatao ahoana àry, ry kristianina havana? Raha miangona ianareo, ka samy manana ny azy: ny sasany, hira; ny sasany, fampianarana; ao ny manana fanambaràna, ao ny manana fiteny tsy fantatra, ary misy manana fandikàn-teny: dia aoka hatao fampandrosoana ny namana ny zavatra rehetra. Raha misy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia aoka ho roa na telo raha dia be, ka hifandimby; ary aoka hisy iray mandika teny. Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka hangina izy eo amin’ny Eglizy, ka hiteny amin’ny tenany sy amin’Andriamanitra.
Ary ny amin’ny mpaminany kosa, dia aoka ho roa na telo no hiteny, fa ny sisa kosa hamantatra. Ary izay maminany kosa, dia miteny amin’ny olona ka mahasoa ny fanahiny, mankahery azy, ary manala alahelo azy. Raha misy mahazo fanambaràna anefa amin’izay mipetraka, dia aoka hangina ny voalohany; satria mahazo mifandimby maminany ianareo rehetra, mba hahazoan’ny rehetra fianarana sy famporisihana. Ary ny fanahy mampaminany dia zakain’izy mpaminany, satria Andriamanitra tsy mba Andriamanitry ny tabataba, fa Andriamanitry ny fiadanana.
Koa amin’izany àry, ry kristianina havana, maniria mafy ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra; Izay miteny amin’ny teny tsy fantatra dia mahasoa ny tenany ihany; fa izay maminany kosa dia mahasoa ny Eglizy. fa indrindra: aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.
ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy. Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe: «Vonjeo ny tenanareo mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity.» Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny, ka niampy tokony ho telo arivo ny isan’ny mpianatra tamin’izany andro izany. Ary nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin’ny famakiana ny mofo, sy ny fivavahana rehetra. Betsaka koa ny fahagagana sy ny famantarana nataon’ny Apôstôly tao Jerosalema, ka raiki-tahotra ny olona rehetra. Niray toerana ny mpino rehetra, dia niombonany ny fananany rehetra, sy namidiny ny taniny sy ny fananany, ka nozarainy tamin’izy rehetra, araka izay nilainy avy. Nazoto niara-nankao amin’ny Tempoly isan’andro izy rehetra, sy namaky mofo tany an-tranony ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po, niara-nidera an’Andriamanitra sady tsara laza tamin’ny vahoaka rehetra. Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo, ny olom-bonjena. Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema, avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra. Nony nahare izany izy ireo, dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy, fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra.
na Jody na Prôselita, ary ny any Kreta sy ny Arabo, dia ahoana no samy mandre azy ireo milaza amin’ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra isika rehetra.»
ary rehefa nametrahan’i Paoly tanana indray, dia nidinan’ny Fanahy Masina, ka niteny fiteny samihafa sady naminany;
Ary samy manana ny anjara fanomezany isika araka ny fahasoavana noraisintsika avy, ka raha faminaniana izany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana; raha fandraharahana, dia aoka ho ao anatin’ny fandraharahana; ity moa nandray ny fanomezana hampianatra, aoka izy hampianatra; itsy kosa ny fanomezana hananatra, dia aoka izy hananatra; ny iray mizara, ka aoka hanao izany amim-pahatsorana; ny iray kosa mifehy, ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana, ary ny hafa koa manao asa fiantrana, dia aoka hanatanteraka izany an-kafaliana.
Tamintsika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny; satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza. Iza àry no hahalala izay ao am-pon’ny olona, afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany? Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany. Ary isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahalalantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany. Tsy mba amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olombelona no ilazanay an’izany, fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, satria zavatra ara-panahy izany, ka lazainay amin’ny teny ara-panahy koa.
Ary izaho, ry kristianina havana, dia tsy nahazo niteny taminareo toy ny amin’ny olona ara-panahy, fa toy ny amin’ny olona ara-batana sy mbola zaza ao amin’i Kristy. Noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy, dia nanao ny fanorenana toy ny tompo-marika mahay aho, ary ny hafa kosa mandrafitra eo amboniny. Samia anefa mitandrina izay arafiny eo amboniny; satria tsy misy mahazo manao fanorenana hafa, afa-tsy izay efa vita, dia i Jesoa Kristy. Koa raha misy mandrafitra trano volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka na mololo, eo ambonin’io fanorenana io, dia haseho avokoa ny asan’ny olona tsirairay avy; ary ny andron’ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin’ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan’ny olona tsirairay isam-batana: maharitra moa ny asa narafiny teo amboniny, dia handray valisoa izy; may kosa ny asany, dia ho faty antoka izy, nefa hovonjena ihany ny tenany, saingy toy ny avy ao amin’ny afo. Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra? Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra dia mba horavan’Andriamanitra kosa, satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany. Aza misy mamita-tena; fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao, dia aoka ho adala izy mba ho hendry. Satria ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: «Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy»; Ronono no nomeko hosotroinareo, fa tsy ventin-kanina mahery, satria tsy mbola nahazaka izany ianareo, sady tsy mbola mahazaka ankehitriny aza, noho ianareo mbola ara-batana.
Aoka hataon’ny olona ho mpandraharahan’i Kristy izahay, sy mpitandrina ny misterin’Andriamanitra.
Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro.
Miezaha mitady ny fitiavana; fa maniria koa ny zava-panahy, fa indrindra ny faminaniana.
Fa teo aminareo no nisehoan’ny famantarana ny maha-Apôstôly ahy, dia tamin’ny faharetana amin’ny fahoriana rehetra, tamin’ny famantarana amam-pahagagana, sy tamin’ny hery maro.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy,
Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo; ary amin’izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe: maharitra amin’ny fanahy iray ianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely,
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Aza mamono ny Fanahy; satria efa mahalala marina rahateo ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. aza manamavo ny faminaniana, fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara;
sady Andriamanitra koa efa nankatò Azy tamin’ny famantarana sy fahagagana, ary tamin’ny asa lehibe samihafa mbamin’ny fanomezana nozarazarain’ny Fanahy Masina araka ny sitrapony?
Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia; satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin’izao tontolo izao.
Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen’Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara.
Manam-pahefana hahafaty sy hamelona ny lela; ka araka izay fidiny dia hohanin’ny olona ny voany.
Eny àry, fa olona mibadabada sy amin’ny fitenim-pirenen-kafa, no hitenenan’i Iaveh amin’ity vahoaka ity. Niteny Izy nanao hoe: «Ity no fitoerana fitsaharana; avelao hiala sasatra ny reraka; ity no fanamaivanana;» - kanefa tsy nety nihaino izy ireo.
Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka amin’ny fitarainana tsy hay lazaina; ary izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy, sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina.
Na maro samihafa aza ny fitenin’ny olona amin’izao tontolo izao, dia tsy misy manam-peo tsy misy heviny na dia iray aza.
Ry kristianina havana, aoka tsy ho zaza amin’ny faharatsiana; mitsangàna ho lehilahy amin’ny fisainana e.
Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy izay nomeny antsika.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Nony avy nivavaka izy ireo, dia nihozongozona ny trano nivoriany, ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin-kasahiana.
Rehefa ren’ny Apôstôly tany Jerosalema fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria dia nirahiny hankany i Piera sy i Joany. Nony tonga tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina; satria vita Batemy tamin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ihany izy ireo, fa tsy mbola nisy nidinan’ny Fanahy Masina na dia iray aza. Dia nametrahany tanana izy ireo, ka nandray ny Fanahy Masina.
Ary Andriamanitra izay mahalala ny fo, dia naneho ny fankasitrahany azy ireo tamin’ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa; nataony tsy nisy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin’ny finoana ny fony.