Rehefa manatona ny Ray ianao dia manatona ny Zanaka koa, satria iray ihany Izy ireo. Taloha, noho ny fahadisoantsika sy ny fahotantsika, dia lavitra ny Ray isika; nisy rindrina nanakana antsika tsy ho akaiky Azy.
Kanefa, lehibe ny fitiavany ary be ny famindram-pony, ka tsy tiany intsony ny hisarahanareo, ianao izay zava-boahary tiany indrindra. Noho io fitiavana tsy misy fepetra io no nanirahany ny Zanany Lahitokana ho faty ho anao; Zanaka tsy misy tsiny na ratsy, tsy misy ota, lavorary tanteraka.
Nataony izany mba tsy hisy intsony sakana hanakana anao tsy hanatona Azy sy hidera ny anarany. Raha te ho akaikin'ny Ray dia mila manatona an'i Jesosy ianao, miaiky Azy ho Mpamonjy tokana sy ampy. Amin'izay dia hanadio anao amin'ny ratsy rehetra ny rany ary ho tonga zanak'Andriamanitra ianao.
Tsy misy fialan-tsiny intsony tsy hanatonana Azy; efa triatra ny voaly ka afaka tanteraka ianao ankehitriny mba ho faly sy ho tia an'Ilay nahary anao. Aza hadinoina eo amin'ny fiainanao andavanandro i Jesosy, saroboy ny sorona nataony ho anao ary katsaho amin'ny fonao rehetra Izy.
Aza miaina raha tsy eo aminao ny fahasoavany, aza miala amin'ny tànany, aza miamboho amin'io fahasoavana mahatalanjona naseho taminao mba hamonjena anao io. Ambonin'ny zavatra rehetra, tiavo amin'ny fonao rehetra Andriamanitra ary mandehana eo anilany mandrakariva. Fa iray ihany no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia i Jesosy Kristy olona (1 Timoty 2:5).
tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ka araka izay nandidiany Ahy no ataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.
satria Izaho no nidina avy any an-danitra dia tsy ny hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.
Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: «Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa.»
Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany,
Avy Aho amin’ny Anaran’ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy, amin’ny anaran’ny tenany anefa, dia horaisinareo ihany izy,
«Lazaiko marina dia marina aminareo, hoy i Jesoa taminy: Fony mbola tsy àry i Abrahama, dia efa Izaho Aho.»
Lazaiko marina dia marina aminareo: Tsy mahazo manao na inona na inona avy amin’ny Tenany ny Zanaka, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; ary izay rehetra ataon’ny Ray dia ataon’ny Zanaka.
ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny an’ny voromahailala dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe: «Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko indrindra.»
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray izay naniraka Azy.
Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny.
Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: «amintsika Andriamanitra.»
Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: «Inty ny Zanako malalako izay ankasitrahiko indrindra.»
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra,
ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.
Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.
Fa tia ny Zanaka ny Ray, ka maneho aminy izay rehetra ataon’ny Tenany, ary mbola haneho aminy asa lehibe noho izao aza Izy, mba ho gaga ianareo.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?» Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: «Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona.»
miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy,
Ary Izaho kosa haniraka aminareo Ilay nampanantenain’ny Raiko; fa mitoera ao an-tanàna ianareo mandra-pandrainareo ny hery avy any ambony.
Dia hoy i Jesoa: «Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.» Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany.
Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatỳ amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.
Fa hoy Izy taminy: «Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?»
fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia Ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an’izao tontolo izao. Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Izy no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita; Izy no teraka talohan’izao voaary rehetra izao; tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra. Izy no talohan’ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.
Izy no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita; Izy no teraka talohan’izao voaary rehetra izao;
Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atỳ aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao satria lehibe noho Izaho ny Ray.
ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan’ny maty, araka ny fanahin’ny fahamasinana, dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
momba ny Zanany izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo, mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny, tsy ampy saina, mpivadi-panekena, tsy manam-piononana, tsy manana olon-tiana, tsy miantra. Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaràn’Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin’izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza. ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan’ny maty, araka ny fanahin’ny fahamasinana, dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
Ary nony nandroso kely Izy, dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe: «Raiko, raha azo atao, aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no ho tanteraka, fa ny Anao.»
Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Ary izany fanambaràna izany dia izao: nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana; fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana.
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.
«Ny Fanahy Masina, hoy ny Anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Izay indray vao mainka nitady hamono Azy ny Jody, satria sady tsy nitandrina ny sabata Izy no nilaza fa rainy Andriamanitra, ka nanao ny Tenany ho mitovy amin’Andriamanitra. Dia notohizin’i Jesoa indray ny teniny, ka hoy Izy tamin’izy ireo:
na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,
mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.
Hoy i Jesoa taminy: «Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray; ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?»
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.
Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
ary tsy misy hafa hahitana famonjena, fa tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.»
satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy, fa ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona,
Ary niteny tamin’ny olona indray i Jesoa, ka nanao hoe: «Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.»