Andriamanitra mampianatra antsika ao amin’ny teniny fa voarara ny mangalatra, fahotana melohin’ny lalàn’Andriamanitra sy ny lalàn’ny olombelona. Tsy misy fialan-tsiny na valisoa ho an’izay mangalatra, fa sazy no miandry azy. Koa diovy ny fonao amin’ny ratsy rehetra ary aza manaraka ny lalan-dratsy izay mitondra any amin’ny fahafatesana.
Tsy misy soa ho anao ny mangalatra, fa toy ny mametraka tady amin'ny tendanao ihany. Na kely na lehibe izay halatrao, ny fangalana izay tsy anao dia efa mahatonga anao ho meloka. Tsy misy fialan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra, na inona na inona zavatra ilainareo.
Noho izany, izao no tsara ho anao: "Izay nangalatra taloha, aoka tsy hangalatra intsony; fa aoka kosa hiasa amin'ny tànany, hanaovany ny tsara, mba hisy homeny izay tsy manana." Tsy tian’i Jesosy hangalatra amin’olona ianao, fa tian’i Jesosy ho malala-tanana sy hanan-javatra hozaraina amin’olona foana ianao. Koa miasà mafy, ary aza atao tsinontsinona ny fananan’ireo izay efa niasa mafy hahazoana izany.
Na dia tsy tratra tamin’ny halatra voalohany aza ianao, ho hita eo ihany ny zava-drehetra ary mety higadra an-taonany maro ianao. Eritrereto izay mahasoa ny fiainanao, aza manaiky ho resin’ny fakam-panahy ary aza avela hamitaka anao ny toe-javatra misy anao. Mitadiava an’Andriamanitra, satria amin'ny famindram-pony tsy manam-pahataperana, Izy no hamaly soa anao araka ny hareny sy ny voninahiny.
Aza latsaka amin'ny fandriky ny devoly, mitadiava fanampiana, avelao ireo fahazaran-dratsy ireo ary avelao ny feon'ny Fanahy Masina hitarika anao. Aza mandika ny didin’Andriamanitra, mijoroa tsara amin'ny teniny dia ho hitanao fa Izy no hamelona anao isan'andro.
Aza miankina amin’ny fanaovana an-keriny ary aza manantena ny zavatra azo tamin’ny halatra; raha mitombo ny harena dia aza anorenana ny fonareo.
Ny harena azo tamin’ny tsy marina dia tsy mahasoa akory, fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ny fahafatesana.
Ny fahazoana harena amin’ny lela mandainga dia fofonaina mihelina ho an’izay mitady fahafatesana.
Aza mandroba ny mahantra noho ny fahantrany ary aza dia manitsakitsaka ny ory eo amin’ny fitsarana. Fa NY TOMPO anie ka hisolo vava azy amin’ny adiny ary hamongotra ny ain’izay mamongotra azy.
Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin’ny tany rehetra; araka izany, izay rehetra mangalatra dia horoahina tsy ho eto; araka izany koa, izay rehetra manao fianianana tsy marina dia horoahina tsy ho eto. Avelako handeha izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ka hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra sy ao an-tranon’izay manao fianianana mandainga amin’ny anarako ary hitoetra ao amin’ny tranony ka handevona izany mbamin’ny hazo sy ny vato eo aminy.
ny mpangalatra, ny fatra-pitia harena, ny mpimamo, ny mpanala baraka olona ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Hoy Ralehilahy taminy: Inona avy moa izany? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona mandainga,
Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakàna vadin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny fiampangana lainga, ny fitenenan-dratsy;
Fa i Zakaiosy kosa dia nitsangana ka niteny tamin’ny Tompo hoe: Indro Tompoko, ny antsasaky ny fananako, omeko ho an’ny mahantra; ary raha misy zavatr’olona nalaiko tamin’ny fanambakana dia honerako avo efatra heny izany.
Aza mandroba ny mahantra noho ny fahantrany ary aza dia manitsakitsaka ny ory eo amin’ny fitsarana.
Moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va ianao? Ianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?
tsy hangala-tety, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra mba hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra.
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
aoka tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’izany raharaha izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo ihany.
Koa indro, fa hasiako ny mpaminany, izay samy mangalatra ny teniko amin’ny namany avy, hoy NY TOMPO.
Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, fa ny vato marina no ankasitrahany.
Fa Izaho TOMPO dia tia fitsarana marina; halako ny fandrobana amin’ny faharatsiam-panahy; homeko ny valin’asany amin’ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.
Raha tratra mamaky trano ny mpangalatra ka vonoina ho faty dia tsy hisy valin-dra amin’izany; dia fianianana amin’NY TOMPO no hitsarana azy roa tonta, mba hahafantarana na efa nanatsotra ny tanany ka naka ny fananan’ny namany ilay iray na tsia; ary heken’ny tompony izany fa tsy hisy onitra. Nefa raha nangalarina tany aminy tokoa ilay biby dia hanonitra ho an’ny tompon-javatra izy. Raha voaviraviram-biby kosa dia hitondra azy ho vavolombelona izy fa tsy hanonitra izay voaviravira akory. Ary raha misy olona mindrana biby amin’ny namany ka tapaka na maty io, nefa tsy teo ny tompony, dia hanonitra tokoa izy. Fa raha teo ihany ny tompony dia tsy hanonitra izy; ary raha biby nofaina kosa dia vitan’ny hofany ihany. Raha misy olona mitaona tovovavy izay tsy voafofo ka mandry aminy dia hanome harena azy izy mba ho vadiny. Fa raha tena mandà ny rainy ka tsy manome azy ho vadiny dia handoa vola Ralehilahy araka ny harena fanome ny zazavavy hampakarina. Aza avela ho velona ny vehivavy mamosavy. Izay rehetra mandry amin’ny biby dia hovonoina ho faty. Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin’ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin’NY TOMPO ihany, dia ho voaozona. fa raha tratra amin’ny masoandro miposaka kosa izy dia hisy valin-dra ihany amin’izany. Hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona izy dia hamidy noho ny halatra nataony. Aza mampijaly ny vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ihany ianareo. Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty. Fa raha mampijaly azy na amin’inona na amin’inona ianareo ka mitaraina Amiko izy dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho, ary hirehitra ny fahatezerako ka hamono anareo amin’ny sabatra Aho, mba ho mpitondratena ny vadinareo ary ho kamboty ny zanakareo. Raha mampisambo-bola amin’ny oloko izay mahantra eo aminao ianao dia tsy ho toy ny mpampanjana-bola aminy, fa tsy hampandoavinao zana-bola izy. Raha maka ny lamban’ny namanao ho antoka ianao dia haverinao aminy izany raha mbola tsy milentika ny masoandro. Fa izany ihany no mba firakofany sady fitafiany eny an-kodiny, koa inona no hoentiny mandry? Ary raha mitaraina Amiko izy dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho. Aza miteny ratsy an’Andriamanitra ianao, na manozona izay olona ambony eo amin’ny firenenao. Aza miandry ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao. Omeo Ahy ny matoa amin’ny zanakao lahy. Izao no hataonao amin’ny ombinao sy ny ondry aman’osinao: Hafitoana no hitoerany ao amin’ny reniny, ary amin’ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy. Raha hita marina ao aminy ny halatra, ary mbola velona, na omby, na boriky, na ondry, na osy izany, dia hanonitra avo roa heny izy. Ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo fa harianareo ho an’ny amboa. Raha misy olona mampitondraka amin’ny voly na amin’ny tanim-boaloboka, satria nalefany nandeha ny bibiny dia nihinana ny volin’olona, dia amin’izay tsara indrindra ao amin’ny sahany, ary amin’izay tsara indrindra ao amin’ny tanim-boalobony no hanonerany.
Izay fatra-pila harena tsy marina dia mampidi-doza amin’ny ankohonany, fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
izay manome rariny ho an’ny ampahorina; izay manome hanina ho an’ny noana. NY TOMPO no mamaha ny mpifatotra;
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra. Koa amin’izany, rehefa manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny sinagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenanao dia ho any koa ny fonao.
Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin’ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza.
Raha misy olona tratra mangalatra ny iray amin’ny Zanak’Israely rahalahiny ka manandevo azy na mivarotra azy dia hovonoina izany mpangalatra izany. Hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Fa ny hoe: «Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr’olona» (Eks 20.13-17), mbamin’izay didy hafa rehetra dia samy efa ao anatin’izao teny izao hoe: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
Izay mandroba ray sy reny ka milaza hoe: Tsy heloka izany, dia mpiray dia amin’ny jiolahy.
Misy mamindra ny fanamarihana ny sisintanin’olona sy mangalatra omby aman’ondry sady miandry azy.
Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.
Matoky ny harenany ireny sady mirehareha amin’ny haben’ny fananany. Tsy misy olona mahavotra ny rahalahiny na afaka manome an’Andriamanitra izay vola hanavotany azy.
Raha namafy izay zava-panahy ho anareo izahay, moa tsy zava-dehibe koa va raha mba mijinja izay anananareo araka ny nofo kosa izahay?
Milomay manenjika ny mahantra ny ratsy fanahy; azon’ny fandrika nataony ihany izy ireny.
Raha mitombo ny fananana dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon’ny tompony afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?
Raha mahita mpangalatra ianao dia faly hikambana aminy sady miray anjara amin’ny mpijangajanga.
Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fotoam-piambenana amin’ny alina izay hahatongavan’ny mpangalatra dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hovakina. Noho izany, miomàna koa ianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hiavian’ny Zanak’Olona.
Ireo lehibenao dia mpikomy sady naman’ny mpangalatra; samy tia kolikoly sy fatra-pitady tambitamby avokoa izy rehetra; tsy mba omeny rariny ny kamboty ary tsy avelany hoentina eo aminy ny adin’ny mpitondratena.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy.
Misy valiny avokoa ny fisasarana rehetra, fa ny molotra mibedibedy foana dia tsy miteraka afa-tsy ny tsy fahampian-kanina.
feno ny tsy fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fitiavan-karena ary ny lolompo izy, feno fialonana, vonoan’olona, fifandirana, fitaka, otri-po; mpanendrikendrika, izany dia ny amin’ny Zanany izay nateraka avy tamin’ny taranak’i Davida araka ny nofo, mpifosafosa, mpankahala an’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpidoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
Fa NY TOMPO tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina. Harovana mandrakizay ireo; fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa dia hofongorana.
Lian-kanina ireny amboa ireny ka tsy mahalala voky. Ireny dia mpiandry tsy mahafantatra na inona na inona. Samy efa nivily ho amin’ny lalany avy izy rehetra, samy mankany amin’ny tombontsoany avokoa izy rehetra.
Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava, fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo azy.
Lozan’izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandrianany! Ary nony maraina ny andro dia manatanteraka izany izy satria manan-kery ny tanany.
Nisy miaramila koa nanontany azy hoe: Inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mampiasa hery amin’ny tsy antony na miampanga lainga, ary aoka ho afa-po amin’ny karamanareo ianareo.
Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miezaha hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra.
Mirehareha ny ratsy fanahy fa nahazo izay niriny ary mahafoy sy mamingavinga NY TOMPO ny mpierina.
Ary izay te hiady aminao ka ta haka ny akanjonao dia avelao ho azy koa ny lambanao. Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha iray kilaometatra dia mandehana miaraka aminy roa kilaometatra. Omeo izay mangataka aminao; aza odian-tsy hita izay te hisambotra aminao.
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.
Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; izany no itiavako ny teny vavolombelonao.
Aza matahotra ianao raha misy olona tonga manankarena ka mitombo ny voninahitry ny tranony; fa tsy hitondra na inona na inona izy raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
Mamin’ny olona ny hanina azo tamin’ny fitaka, kanjo avy eo dia fasika no mameno ny vavany.
Nifidy an’i Davida mpanompony Izy ka naka azy avy tany amin’ny valan’ondry; tany amin’ny fiandrasany ny ondrivavy mampinono no nakany azy mba hiandry an’i Jakoba olony sy Israely lovany. Dia niandry ireo tamin’ny hitsim-po izy ka nitondra azy araka ny fahendren’ny tanany.
Aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra, ary aza mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
Ireo teny ireo no nolazain’NY TOMPO tamin’ny feo mahery avy tao afovoan’ny afo sy ny rahona ary ny haizim-pito, raha nivory tany an-tendrombohitra ianareo, dia tsy nampiany intsony; fa nosoratany tamin’ny vato fisaka roa ireo ka natolony ahy.
Tsara lavitra ny kely ananan’ny olona marina iray noho ny be ananan’ny ratsy fanahy maro; ho tapatapaka ny sandrin’ny ratsy fanahy, fa NY TOMPO manohana ny marina.
Fa raha tsy hita kosa ilay mpangalatra dia hoentina eo anatrehan’Andriamanitra ny tompon’ny trano mba hahafantarana na nanatsotra ny tanany naka ny fananan’ny namany izy na tsia.
Misy olona mitoetra irery ka tsy mana-namana, tsy manan-janaka, tsy manana rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany samihafa ary ny masony dia tsy afa-po amin’ny harena ka ilazany hoe: Ho an’iza no isasarako sy tsy ananako fahasambarana? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
Izay manome ny mahantra dia tsy hisy zava-mahory azy, fa izay minia mikimpy kosa dia hahazo ozona be.
Aza mamily izay rariny ananan’ny mahantra eo aminao, amin’ny adiny eo amin’ny fitsarana.
Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35).
Izay miray tetika amin’ny mpangalatra dia mankahala ny tenany; mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ny lalan-dratsy dia ho lavo ao amin’ny lavaka nataony; fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.
Aoka hamandrika izay rehetra ananany ny mpampindram-bola ary aoka hifaoka ny vokatry ny asany ny olon-kafa.
E! Ianareo manankarena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay manjo anareo! Ry rahalahiko, raiso ho fianarana ny fiaretana fahoriana sy ny fahari-po teo amin’ireo mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo. Indro, ambarantsika ho sambatra izay efa niaritra! Efa renareo ny fiaretan’i Joba, ary hitanareo ny anjara nomen’ny Tompo azy tamin’ny farany, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo. Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’izay fianianana hafa akory aza. Fa aoka ny Eny ataonareo dia ho Eny, ary ny Tsia ataonareo dia ho Tsia, fandrao hiharan’ny fitsarana ianareo. Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana. Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka ho azy. Ny vavaka atao amin’ny ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy dia havela ny helony. Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha mba ho sitrana. Ny fiasan’ny vavaka ataon’ny marina dia tena mahery. I Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary nahery nivavaka izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany aloha ny ranonorana nandritra ny telo taona sy enim-bolana. Ary nivavaka indray izy dia nandatsaka ranonorana ny lanitra ka nahavokatra ny tany. Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ny fahamarinana, ary misy iray mampibebaka azy, Ny harenanareo dia efa simba ary ny fitafianareo dia efa lanin’ny kalalao. aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka marobe. Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary izy harafesina no vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Namory harena amin’ny andro farany ianareo!
Izay mandeha amin’ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin’ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadìny mba tsy handrenesany ny amin’ny fandatsahan-dra sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
«Fasana misokatra ny tendany; ny lelany no anaovany fitaka» (Sal 5.9). «Ny poizin’ny menarana no ao ambanin’ny molony» (Sal 140.3); «Feno ozona sy teny mangidy ny vavany» (Sal 10.7);
dia hoy Izy tamin’izy ireo: Voasoratra hoe: «Ny tranoko dia hatao hoe trano fivavahana (Isa 56.7); fa ianareo kosa dia manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy» (Jer 7.11).
Noho ny fampahoriana ny madinika sy ny fisentoan’ny mahantra dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy NY TOMPO, hataoko mahita ny famonjena iriny ireny vingavingain’ny sasany ireny.
Ny herisetran’ny ratsy fanahy dia hamongotra azy satria mandà tsy hanao izay marina izy.
Ary Jesosy namaly hoe: Nisy lehilahy iray nidina avy any Jerosalema hankany Jeriko ka nifanojo tamin’ny jiolahy, dia nendahany sady nokapohiny, ary nilaozany, rehefa saika maty. Ary sendra nisy mpisorona iray nidina tamin’izany lalana izany; ary raha nahita an-dRalehilahy izy dia nandalo azy. Ary toy izany koa ny levita iray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa. Fa nisy kosa Samaritana iray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy dia onena. Dia nanatona izy ka nofeheziny ny feriny sady nasiany diloilo sy divay; dia napetrany teo ambonin’ny borikiny izy ka noentiny ho any amin’ny tranom-bahiny dia nokarakarainy. Ary ny ampitson’iny dia naka vola denaria roa izy ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny sady hoy izy taminy hoe: Karakarao izy; ary na ohatrinona na ohatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako rehefa miverina aho. Iza moa amin’izy telo lahy no heverinao ho naman’ilay azon’ny jiolahy? Dia hoy izy: Ilay niantra azy. Hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao ka mba manaova toy izany koa.
Mitrosa ny ratsy fanahy nefa tsy manonitra, fa mamindra fo kosa ny marina ka manome. Fa izay tahiny no handova ny tany ary izay ozoniny kosa no hofongorana.
Ny tranon-kalany dia tsy azo atao fitafiana, ary tsy mahatafy azy ny asany; ny asany dia asa mampahory, ary herisetra no eny an-tanany.
Ny fahitsian’ny mahitsy no mitari-dalana azy, fa ny faharatsian’ny mpivadika no mahatonga faharinganana amin’ny tenany.
Koa samy hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Mitodiha ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny didinao eny, lainga ny fitaka ataony.
Izay irina amin’ny olona dia ny hatsaram-panahiny ary aleo ho mahantra toy izay ho mpandainga.
Valio impito heny ho ao ampofoan’ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nataony Anao, Tompo ô!
Sambatra ny zanak’olombelona izay manao izany, ary ny zanak’olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manamavo azy sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory.
Nahoana no mandoka tena amin’ny fanaovan-dratsy ianao, ry ilay mahery? Ny famindrampon’Andriamanitra dia maharitra amin’ny andro rehetra.
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ho halany ny iray ary ho tiany ny iray; na hombany ny iray ary hohamavoiny ny iray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy i Mamôna ianareo.
Ny vato mizana tsy mitovy sy ny famarana tsy sahala dia samy fahavetavetana eo imason’NY TOMPO.
ary aza manolotra izay momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsy fahamarinana, fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra.
Tsy mahalala va ny mpanao ratsy? Mihinana ny oloko toy ny fihinanana mofo no sady tsy miantso an’Andriamanitra izy.
fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
Izay mampahory ny mahantra dia mampitombo harena azy, fa izay manome ho an’ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.
Afaka handroba an’Andriamanitra va ny olona? Satria mandroba Ahy ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no androbanay Anao? Amin’ny fahafolonkarena sy ny anjara fanomezana.
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry fa mananika ny fefy dia mpangalatra sy jiolahy.
Hay! Hangalatra sy hamono olona ary hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy to sy handoro ditin-kazo manitra ho an’ny Baala sady hanaraka andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo?
Tsy manome tsiny ny mpangalatra ny olona raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy satria noana;
Raha tratra mamaky trano ny mpangalatra ka vonoina ho faty dia tsy hisy valin-dra amin’izany;
Toy ny fangaihaizan’ny mpangalatra raha azo dia toy izany no fangaihaizan’ny taranak’Israely, eny, izy, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona mandainga, aza manambaka olona, manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12-17).
Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony, fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tanany, mba hisy homeny izay tsy manana.