Ry namako, rehefa mavesatra ny fo, mora ny mahita ny fiainana ho maizina sy manjombona. Fa izay tsy manaiky ho resin'ny alahelo sy ny lolompo kosa dia mahita ny hatsaran'ny fiainana ary mahay mankasitraka ny fitahian'Andriamanitra.
Manjary tsy mahita mazava isika rehefa resin'ny lolompo, ka tsy afaka mankafy ny fiainana sy ny zava-tsoa nomen'Andriamanitra antsika. Very ny fiadanam-po sy ny fifaliana. Tsara lavitra ny fiainana tsy misy lolompo satria ny lolompo mitondra fahasosorana sy fisakanana fotsiny.
Manatona an'Andriamanitra, resaho Aminy izay mampanahy anao, mangataha fanavaozana Aminy ary araho ny sitrapony lavorary. Misy drafitra lehibe ho anao Andriamanitra!
Araka ny voalaza ao amin'ny Hebreo 12.15: "Tandremo mba tsy hisy olona holavina amin'ny fahasoavan'Andriamanitra; ary mba tsy hisy fakam-pangidy mitsimoka hampidi-korontana ka handoto ny maro".
Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro;
Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra;
Fa hitako fa mbola mitoetra amin’ny fangidian’afero sy ny famatoran’ny heloka ihany ianao.
Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
Ary izaho dia tsy hamehy vava fa hiteny noho ny fahorian’ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ny foko.
Raha lotika ny foko ka voatsindrona ny voakodia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, toy ny biby teo anatrehanao aho.
Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra;ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.
Ny zanaka adala dia mampalahelo ny rainy sady fahoriana mangidy amin’ny reniny niteraka azy.
Dia ory indrindra i Davida, fa ny olona dia nifampitaona hitora-bato azy satria samy nalahelo ny zanany lahy sy ny zanany vavy ny olona rehetra; fa i Davida kosa dia nampahery ny tenany tamin’NY TOMPO Andriamaniny.
Ry ilay mamiravira tena amin’ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao ary ny vatolampy hafindra hiala amin’ny toerany?
Raha vao ren’i Esao ny tenin’ny rainy dia niantsoantso mafy dia mafy izy sady niteny taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, eny, izaho koa, ry Ikaky ô!
Ny fanahin’ny olona dia mampahery azy ao anatin’ny aretiny, fa raha ny fanahy no kivy, iza indray no hanohana azy?
Ny fo ihany no mahalala ny fangidian’ny alahelony ary tsy heverin’ny olon-kafa ny hafaliany.
Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35).
Maharikoriko ahy ny aiko! Hamoaka ny fitarainako aho ary hiteny noho ny fangidian’ny fanahiko.
Fa raha misy fialonana mirehitra sy fiheveran-tena ho zavatra ao am-ponareo dia aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina.
Mitsahara amin’ny fahatezerana ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy ho tezitra ianao fa ratsy no hiafaran’izany.
«Fasana misokatra ny tendany; ny lelany no anaovany fitaka» (Sal 5.9). «Ny poizin’ny menarana no ao ambanin’ny molony» (Sal 140.3);«Feno ozona sy teny mangidy ny vavany» (Sal 10.7);
Koa mibebaha amin’izao haratsianao izao ka mangataha amin’ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ny fonao.Fa hitako fa mbola mitoetra amin’ny fangidian’afero sy ny famatoran’ny heloka ihany ianao.
izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy,
Ary nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady tezitra no nivonto ny fanahiko; ary ny tanan’NY TOMPO dia nahery tamiko.
Aza mamaly ratsy ny ratsy, na fitenenan-dratsy ny fitenenan-dratsy; fa aoka hisaotra kosa satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handovanareo fitahiana.
Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy. Ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka mangitsokitsoka, fa narianao tao ivohonao ny fahotako rehetra.
Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona ianareo dia mba hamela ny anareo ny Rainareo izay any an-danitra.Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona kosa ianareo dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
Ny valinteny mora dia mampihemotra ny fahatezerana mafy, fa ny teny maharary dia mampiakatra ny fahasosorana.
Lanin’alahelo ny aiko sady lanim-pisentoana ny taonako; tsy manan-kery aho noho ny heloko ary efa lany ny taolako.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.
Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa, raha nisy heloka navelako dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason’i Kristy,fandrao ho resin’ny fitak’i Satana isika, fa fantatsika ny teti-dratsiny.
Tezera fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.Aza manome toerana ho an’ny devoly.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin-dry zareo, izay matin’ny mpandringana.
Fa fantatsika izay niteny hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly»; ary koa: «NY TOMPO hitsara ny olony» (Deo 32.35-36).
Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’Andriamanitra! Fa mbola hidera Azy ihany aho; Izy no famonjena ahy sady Andriamanitro.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo
Ny ahiahy ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy, fa ny teny soa no mampifaly azy.
Henoy aho ka valio! Miriorio ny eritreritro ka mitoloko ahonoho ny feon’ny fahavalo sy ny fampahorian’ny ratsy fanahy, fa manjera loza amiko ireny ary amin’ny fahatezerana no ankahalany ahy.
Ary ho an’Ilay mahavita mihoatra noho ny zavatra rehetra; eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
Ry rahalahy, raha misy olona sendra azon’ny ota dia atsanganonareo izay ara-panahy amin’ny fahamorana izy ka tandremo ny tenanao, fandrao halaim-panahy koa ianao.
Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra.
ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara.Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa efa antomotra ny andro.
hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona; eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra.
Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ny tenany, fa ny lozabe dia todìn’ny halozany.
Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa aoka ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome fibebahana azy mba hahalalany tsara ny marina,dia hody ny sainy ho afaka amin’ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Tohàny araka ny teninao aho mba ho velona ary aoka tsy ho menatra amin’ny fanantenako aho.
Ny velona, ny velona ihany no hidera Anao, tahaka ahy izao anio izao; hampahalala ny zanany ny fahamarinanao ny ray.
Toho-tantely ny teny mahafinaritra ka sady mamin’ny fanahy no fanasitranana ho an’ny taolana.
Fantaro izao, ry rahalahy malalako: Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana,
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina.
Maniry loza ho ahy ny fahavaloko ka miteny hoe: Rahoviana izy no ho faty ka ho very ny anarany?Raha misy tonga mamangy ahy dia zava-poana no teneniny; manangona faharatsiam-panahy ny fony; raha vao tafavoaka izy dia milazalaza ireny.
Fa tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ny fanjakan’Andriamanitra, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala.
Aoka tsy hirehitra noho ny amin’ny mpanao ratsy ny fahatezeranao ary aza mialona ny mpanao heloka,fa maina vetivety tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
Dia nanatona i Petera ka niteny Taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko ka havelako izy? Hatramin’ny impito va?Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo.
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Avy aiza ny ady ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Moa tsy ny filanareo izay miady ao anatin’ny tenanareo va no iavian’izany?Maniry zavatra ianareo nefa tsy manana; mamono olona sy mialona ianareo nefa tsy mety mahazo ihany; mifandìtra sy miady ianareo nefa tsy manana satria tsy mangataka.Mangataka ianareo nefa tsy mahazo ihany satria diso fangataka fa mba holaninareo amin’ny filanareo fotsiny.
fahavinirana sy fahatezerana kosa no ho an’izay mitady ny ho an’ny tenany ihany sady manohitra ny marina ka manaraka ny tsy marina;
Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana.
Ny fanotsankotsanana ny ronono no miteraka rononomandry; ny fanolanana ny orona no miteraka ra ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.
Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy NY TOMPO, Mpamindra fo aminao.
Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo.Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny refy ataonareo no handrefesana ho anareo.
Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô! Arovy ny aiko amin’ny tahotro ny fahavalo!Afeno aho tsy ho azon’ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy sy ny fitabataban’ny mpanao ratsyizay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy,
Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
sady nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalanyizay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitondra, ary ny teny malefaka no mahatapaka taolana.
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany.
Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra.
Misy fotoana ho an’ny zavatra tsirairay ary misy fotoana ho an’ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra:Ao ny andro iterahana ary ao ny andro ahafatesana; ao ny andro ambolena ary ao ny andro anongotana ny nambolena;ao ny andro amonoana ary ao ny andro anasitranana; ao ny andro andravana ary ao ny andro ananganana;ao ny andro itomaniana ary ao ny andro ihomehezana; ao ny andro isaonana ary ao ny andro andihizana;ao ny andro anariam-bato ary ao ny andro anangonam-bato; ao ny andro amihinana ary ao ny andro ifadiana tsy hamihinana;ao ny andro itadiavana ary ao ny andro ahaverezana; ao ny andro itahirizana ary ao ny andro anariana;ao ny andro androvitana ary ao ny andro anjairana; ao ny andro anginana ary ao ny andro itenenana;ao ny andro itiavana ary ao ny andro ankahalana; ao ny andro iadiana ary ao ny andro ihavanana.
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy,mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika!
Raha mitahiry heloka Ianao, TOMPO ô, iza no hahajanona, Tompo ô?Fa ao Aminao no misy ny famelan-keloka mba hatahorana Anao.
Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona.Fa mifananara isanandro raha mbola atao hoe Anio, fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota.
Aza miteny hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho, fa miandrasa NY TOMPO, fa Izy no hamonjy anao.
Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo.Fa olom-boavidy ianareo, koa mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.
Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,izay mamela ny helokao rehetra, izay manasitrana ny aretinao rehetra,izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, izay manarona famindrampo sy fiantrana anao,
Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary anao, ry Jakoba ô, sady namolavola anao, ry Israely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho, Ahy ianao!Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny tanjaky ny heriny.Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.
Ary hataony ahoana no fitory raha tsy nirahina? Araka ny voasoratra hoe: «Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!» (Isa 52.7).
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;
Apetraho amin’NY TOMPO ny entanao ary Izy no hiantoka anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Ny fon’ny olona dia mihevitra tsara ny halehany, fa NY TOMPO ihany no mahalavorary ny diany.
Tsy misy tahotra ao amin’ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka dia mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao,