Mba eritrereto kely ity resaka momba ny fitenenan-dratsy ity. Ao anatin'ny Baiboly dia miverimberina matetika ny resaka momba izany, ary tsy zavatra kely akory ny manamavo na maniratsira ny anaran'Andriamanitra. Ohatra, ao amin'ny Eksodosy 20:7 dia mazava tsara ny didy hoe: "Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany."
Manimba mivantana ny fahamasinan'Andriamanitra ny fitenenan-dratsy ary maneho tsy fanajana ny anarany. Nampianatra antsika koa i Jesoa momba ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ny tenintsika, ka nampahafantariny antsika fa "samy hampamoahina amin'ny andro fitsarana ny amin'ny teny foana rehetra izay aloaky ny vavan'ny olona" (Matio 12:36). Koa aoka hojerentsika tsara ny teny izay avoakan'ny vavantsika ary hohalavirintsika ny karazam-pitenenan-dratsy rehetra.
Tena manafintohina ny fahamasinan'Andriamanitra ny fitenenan-dratsy, ka tokony hohalavirintsika izay te-hanaraka ny toro-lalana ao amin'ny Baiboly. Ity fisaintsainana avy ao amin'ny Baiboly ity anie mba hamporisika antsika hitandrina tsara ny tenintsika sy hitady ny fahasoavan'Andriamanitra amin'izay rehetra lazaintsika.
Voalaza mantsy fa ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy atao amin'ny olona dia hahazo famelan-keloka, fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay. Koa aza mitsara ny fiasan'ny Fanahy Masina, satria tsy anjarantsika ny mandanja fo na mijery ny ao am-po. I Jesoa irery ihany no afaka manao izany. Koa mitandrema tsara mba tsy ho very any amin'ny afobe ny fanahinao.
Enga anie isika rehetra mba hahay hitandrina ny tenintsika ka hanome voninahitra an'Andriamanitra amin'izay rehetra ataontsika sy lazaintsika.
Noho izany, lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota sy fitenenan-dratsy samihafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
Dia nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo monina any an-danitra.
Izay miteny ratsy ny anaran’NY TOMPO dia hovonoina ho faty; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana manontolo; na vahiny na tompon-tany, izay miteny ratsy ny anarana, dia hovonoina.
Ary hitako fa indro, nisy bibidia niakatra avy tao amin’ny ranomasina, nanana tandroka folo sy loha fito, ary tamin’ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin’ny lohany dia nisy anarana miteny ratsy.
Noho izany, lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota sy fitenenan-dratsy samihafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.Ary na iza na iza no milaza teny hanohitra ny Zanak’Olona dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’izao fiainana izao, na amin’ny ho avy.
Dia noentiny tamin’ny Fanahy ho any an-tany efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibidia mivolon-jaky, feno anarana miteny ratsy sady nanana loha fito sy tandroka folo.
Aza manonona foana ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao, fa tsy hataon’NY TOMPO ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
Koa mitenena amin’ny taranak’Israely, ry zanak’olona, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’izao no mbola nanamavoan’ny razanareo Ahy tamin’ny nivadihany tamiko:
Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak’olombelona amin’ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy.
Koa mamoaka izao lalàna izao aho: Ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety momba ny Andriamanitr’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamanitra hafa mahavonjy tahaka izao.
Aza manao fianianana mandainga amin’ny anarako ka hanamavo ny anaran’Andriamanitrao: Izaho no TOMPO.
Nony nanohitra sy niteny ratsy ireo dia nanopakopa-damba izy ka niteny taminy hoe: Aoka ho eo an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; amin’izao sisa izao dia hankany amin’ny Jentilisa aho.
Fa ankehitriny kosa dia esory koa ireto rehetra ireto: Fahatezerana, firehetana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo.
Fa noentinareo etỳ ireo lehilahy ireo izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika.
Fa araka ny voasoratra dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentilisa.
Aza miandry ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao. Omeo Ahy ny matoa amin’ny zanakao lahy.
Ary ankehitriny, inona no hataoko hoy NY TOMPO, fa nobaboina tsy amin’antony ny oloko? Manakora ny mpanapaka eo aminy, hoy NY TOMPO; ary mandrakariva, mandritra ny andro dia hamavoina ny anarako.
Dia nomena lela miteny zavatra mihoa-pampana sy fitenenan-dratsy izy ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efapolo volana.
Fa ireo kosa dia tahaka ny biby tsy manan-tsaina, zavamananaina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono; miteny ratsy ny zavatra tsy fantany izy; ho lo amin’ny fahalovan’ny biby izy
ka main’ny hafanana be ny olona. Dia niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra izay manana fahefana amin’ireny loza ireny, izy, sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.
Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ny tomponareo hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza matahotra ny teny renao, dia izay nanompan’iretsy mpanompolahin’ny mpanjakan’i Asiria iretsy Ahy.
niteny ratsy an’Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin’ny asany.
Aza manonona foana ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao; fa tsy hataon’NY TOMPO ho afa-tsiny izay manonona foana ny anarany.
koa nisy olona nomen’ireo vola mba hiteny hoe: Efa renay niteny ratsy an’i Mosesy sy Andriamanitra io.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak’olombelona amin’ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;
Tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo ka aza manonona izay anaran’andriamanitra hafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ny vavanao izany.
Ary na iza na iza no milaza teny hanohitra ny Zanak’Olona dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’izao fiainana izao, na amin’ny ho avy.
Fa na zovy na zovy no hiteny hanohitra ny Zanak’Olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.
Dia asio roa lahy izay tena ratsy fanahy mipetraka manatrika azy sady hiampanga azy hoe: Niteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao! Dia ento miala teo izy ka torahy vato ho faty.
fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy.
Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ny tomponareo hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza matahotra ny teny renao, dia izay nanompan’iretsy mpanompolahin’ny mpanjakan’i Asiria iretsy Ahy.
Nampijaly azy ireny matetika teo amin’ny sinagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria romotry ny fahatezerako taminy aho dia nanenjika azy hatrany amin’ny tanàna any ivelany koa aza.
Tamin’izay ny Mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka niteny hoe: Efa niteny ratsy Izy; inona no mbola ilàntsika vavolombelona indray? Indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.
dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindrampo aho satria tamin’ny tsy fahalalana noho ny tsy finoana no nanaovako ireny.
Nahoana ary no tsy hanao ratsy isika mba hiavian’ny soa? Tahaka izany ny tenin’ny sasany izay manendrikendrika anay ho milaza izany. Mendrika ny fanamelohana azy ireny.
Izay andevo rehetra eo ambanin’ny zioga dia aoka hanao ny tompony ho mendrika hohajaina tsara mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra sy ny fampianarana.
Ny olona dia ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy mahay mankasitraka, tsy manaja izay masina,
Ho masina ho an’Andriamaniny izy ireo ka tsy hanamavo ny anaran’Andriamaniny; fa mpanolotra ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izy, dia ny hanin’Andriamaniny, ka ho masina izy.
Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian’ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo?
Fa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’i Paoly sady niteny ratsy.
Aza manadino ny feon’ny rafinao, dia ny tabataba izay miakatra mandrakariva avy amin’ireo mpanohitra Anao!
ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy NY TOMPO, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra, ary nihantsy Ahy teny amin’ny havoana; eny, hamatra ny valin’ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha.
naman’ireny i Himeneo sy i Aleksandra, izay natolotro ho an’i Satana mba hofaizina tsy hiteny ratsy.
Mirehareha ny ratsy fanahy fa nahazo izay niriny ary mahafoy sy mamingavinga NY TOMPO ny mpierina.
indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan’ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahamboniana. Ireo dia olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.
Ary niditra ireo roalahy tena ratsy fanahy ka nipetraka nanatrika azy, dia niampanga an’i Nabota ireo ka niteny hoe: Niteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota! Dia noentin’ny olona nivoaka teny ivelan’ny tanàna i Nabota dia notorahiny vato ka maty.
Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakàna vadin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny fiampangana lainga, ny fitenenan-dratsy;
Hoy koa NY TOMPO tamin’i Mosesy: Efa hitako io firenena io fa indro, firenena mafy hatoka izy.Koa ankehitriny, avelao hanaovako azy fa hirehitra aminy ny fahatezerako ka haringako izy, fa ianao kosa dia hataoko firenena lehibe.
Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota ary efa nikomy Tamiko ireny mpitondra teninao ireny.Koa izany no nandotoako ny mpanapaka ny fitoerana masina sy nanolorako an’i Jakoba ho zavatra voaozona ary Israely ho latsa.
Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an’Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty!Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ny vehivavy adala ny teninao! Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra fa tsy ny ratsy koa? Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony i Joba.
Dia ho fantatrao fa Izaho TOMPO no efa nandre ny fanaratsiana izay nolazainao ny amin’ireny tendrombohitry ny Israely hoe: Tonga tany foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay.
Dia nomena lela miteny zavatra mihoa-pampana sy fitenenan-dratsy izy ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efapolo volana.Dia nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo monina any an-danitra.
hanao fitsarana amin’ny rehetra sy hampiaiky ny olona rehetra ny asan’ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ny haratsiam-panahiny sy ny teny henjana rehetra izay nanoheran’ny mpanota ratsy fanahy Azy.»
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay maminany aminareo, fa mamitaka anareo ireo; ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy fa tsy izay aloaky ny vavan’NY TOMPO.
Iza moa amin’ny andriamanitra rehetra amin’ireo tany ireo no efa nahavonjy ny taniny tamin’ny tanako, koa aiza no hahafahan’NY TOMPO mamonjy an’i Jerosalema amin’ny tanako?
mpifosafosa, mpankahala an’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpidoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
Eny, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, noho ny nandotoanao ny fitoerako masina tamin’ny zavatra maharikorikonao rehetra sy tamin’ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hanary ka tsy hiantra anao ny masoko; eny, tsy hamindra fo Aho.
Aza misy arosonao ho sorona ho an’i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’Andriamanitrao: Izaho no TOMPO.
Fa ny olona izay manota amin’ny fanahy iniana kosa, na tompon-tany na mpifindra monina, dia manamavo NY TOMPO izy ka hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
Fa iza no nohantsianao sy nompanao? Ary hanohitra an’iza no nanandratanao ny feonao? Nampiandrandra ny masonao any ambony ianao hanohitra ny Iray Masin’ny Israely!
Dia nanomboka niozona sy nianiana izy hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno.Ary nahatsiaro ny tenin’i Jesosy i Petera, dia ilay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno dia handa Ahy intelo ianao. Ary lasa nandeha tany ivelany izy dia nigogogogo nitomany.
Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fikomiana va ianareo sady taranaky ny lainga?
Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon’NY TOMPO tamin’izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory: Na amin’ny lanitra, fa sezafiandrianan’Andriamanitra izany;na amin’ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izy io.Aza mianiana amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.Fa aoka ny teninareo ho Eny, rehefa eny; Tsia, rehefa tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy.
Ary nony tonga tany amin’ny firenena izay nalehany izy dia tonga fanamavoana ny anarako masina tamin’ny nilazan’ny olona azy hoe: Ireo no olon’NY TOMPO, ary avy tany amin’ny tanin’NY TOMPO no nivoahany!
Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak’i Joda, hoy NY TOMPO, mametraka ny fahavetavetany ao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.
ny fakam-badin’olona, ny fitiavan-karena, ny faharatsiam-panahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny fijery ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana.
dia ny nandatsan’ny fahavalonao, TOMPO ô, Eny, ny nandatsany ny dian’ny Voahosotrao!Isaorana mandrakizay anie NY TOMPO! Amena! Eny, Amena!
firenena izay nahatezitra Ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eny amin’ny tanimboly, ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin’ny biriky;
ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka mipetraka eo amin’ny tempolin’Andriamanitra ary milaza ny tenany ho Andriamanitra.
Hoy Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy: Nahoana ianao no mitanisa ny lalànako sy mitondra ny fanekeko eo am-bavanao?Nefa ianao dia mankahala fananarana sady arianao any ivohonao ny teniko!
Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy NY TOMPO.
Koa toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo sy toy ny fihalevonan’ny bozaka midedadeda no hahalovan’ny fotony sy hijofoan’ny voniny tahaka ny vovoka, satria efa nandà ny lalànan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izy sy nanamavo ny tenin’ny Iray Masin’ny Israely.
Namaly Azy ny Jiosy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Ianao nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.
sady nanoratra taratasy hihantsy NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely sy hiteny ratsy Azy ka niteny hoe: Tahaka ny tsy nahavonjen’ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ny tany hafa ny olony tamin’ny tanako no tsy hahavonjen’ny Andriamanitr’i Hezekia ny olony koa amin’ny tanako.
Ny famaky va hirehareha amin’izay mampiasa azy? Ny tsofa va hiavonavona amin’izay manatsofa aminy? Toa ny tsorakazo indray no mampihetsika izay manainga azy, ary ny tehina indray no manandratra izay tsy hazo!
Izay mamono omby dia ohatry ny mamono olona; izay mamono ondry hatao fanatitra dia ohatry ny mamolaka ny vozon’alika; izay manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ohatry ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro ditin-kazo manitra ho fanati-pahatsiarovana dia ohatry ny misaotra ny sampy. Eny, nifidy ny halehany ireny sady nifaly tamin’ny fahavetavetany.
Aoka hangina ny molotra mandainga izay miteny sahisahy manohitra ny marina amin’ny avonavona sy ny fanamavoana!
Nitafy henatra izy noho ny nanaovany fahavetavetana; nefa tsy mba nahatsiaro menatra akory izy ary tsy mba tsapany ny hadisoany. Koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy, amin’ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, hoy NY TOMPO.
Ianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’Andriamanitra ihany va ianao amin’ny andikanao ny lalàna?Fa araka ny voasoratra dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentilisa.
Ary amin’ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao; eny, ireny ihany no anjaranao; Ho an’ireny koa no nandrarahanao fanatitra aidina sy nanoloranao fanatitra dorana manontolo; koa hahatsindry fo amin’izany va Aho?
Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao, nefa manankarena ianao, ary ny fitenenan-dratsy ataon’izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy fa sinagogan’i Satana.
Sambatra ianareo raha haratsina noho ny anaran’i Kristy, fa ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra no mipetraka aminareo!
manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izy nefa mandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo dia manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa.
Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin’ny anarako, nefa tsy araka izay nasaiko nolazainy, na izay miteny amin’ny anaran’ny andriamanitra hafa, dia hovonoina.Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain’NY TOMPO?Raha miteny amin’ny anaran’NY TOMPO ny mpaminany ka tsy mitranga na tsy tanteraka ilay zavatra nolazainy dia teny izay tsy nolazain’NY TOMPO izany, fa tamin’ny fahasahisahiana no nilazan’ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.
Fa ny hoe ny enta-mavesatry NY TOMPO dia tsy hotononinareo intsony; fa ny tenin’ny olona tsirairay ihany no ho enta-mavesatry ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin’Andriamanitra velona, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitsika.
dia lavo tamin’ny tany izy ka nandre feo niteny taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?
Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; tsinontsinona ny asany; rivotra sy zava-poana ny sampiny voarendrika.
ny mpangalatra, ny fatra-pitia harena, ny mpimamo, ny mpanala baraka olona ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy noho ny amin’ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànanao.
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, hitanao va ny ataon’ny loholon’ny taranak’Israely ao amin’ny maizina, samy ao amin’ny efitranony misy sarin’ny sampiny? Fa hoy izy: NY TOMPO tsy mahita anay, efa nahafoy ny tany Izy!Ary hoy koa Izy tamiko: Mbola hahita fahavetavetana lehibe izay ataony koa ianao.
Dia hoy NY TOMPO tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin’ny anarako; tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinontsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ireo mpaminany izay maminany amin’ny anarako ireo, nefa tsy nirahiko akory, ary milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin’ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
Mandevona ahy ny zotom-poko satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.Voazaha toetra tamin’ny memy ny teninao ka tian’ny mpanomponao.
Mahita zava-poana sy faminaniana tsy marina ireo izay milaza hoe: Hoy NY TOMPO, nefa tsy nirahin’NY TOMPO izy tsinona, nefa manantena fa ho to ny teniny.Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo ary faminaniana lainga no lazainareo, raha milaza ianareo hoe: Hoy NY TOMPO! Kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona?Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ny teninareo dia anoano foana, ary ny fahitanareo dia lainga fotsiny dia indro, hamely anareo Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra.Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan’ny mpanolotsainan’ny oloko na ho voasoratra amin’ny bokin’ny taranak’Israely izy sady tsy hiditra ao amin’ny tanin’ny Israely; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitra.
Ry taranaky ny menarana! Hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? Fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.
Fa hoy Jesosy hoe: Tsy manana demonia Aho, fa mankalaza ny Raiko, nefa kosa ianareo dia manala baraka Ahy.
Tsy izay rehetra miteny amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.Maro no hilaza Amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? Tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay?Dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà Amiko, ianareo tsy mpanao ny marina.
Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa ianao; fa NY TOMPO dia saro-piaro, izany rahateo no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy.