Ry rahalahy sy ranavavy malala, tena mampidi-doza ity fankahalana ity ka mila mitandrina isika. Ny tenin'Andriamanitra aza efa mampitandrina antsika momba ny voka-dratsiny.
Ao amin'ny toriteny teny an-tendrombohitra dia hoy izao no nolazain'ny Tompo momba ny fankahalana: "Fa izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia meloka eo anatrehan'ny fitsarana; ary izay manao amin'ny rahalahiny hoe: Adala ianao, dia meloka eo anatrehan'ny Synedriona; ary izay manao aminy hoe: Foka ianao, dia meloka ho amin'ny afobe mirehitra" (Matio 5:22).
Arakaraka ny anatonantsika ny Tompo sy ny fifambonantsika Aminy no mahatonga antsika hahatsapa kokoa ny fahotana, na ao anatintsika na eo amin'ny fiainantsika andavanandro. Tsy maintsy miala amin'ny fihatsarambelatsihy sy ny lolompo isika, satria mety misy fankahalana miafina ao am-pontsika nefa mody miseho ho tsara fanahy amin'ny hafa.
Mila miala amin'izany toe-tsaina izany isika ka mangataka famelan-kelaka amin'Andriamanitra, ary miala amin'izany amin'ny anaran'i Jesosy, satria ity fankahalana ity dia tsy vitan'ny hoe manimba ny fontsika fotsiny, fa manimba ny saintsika sy ny vatantsika koa.
Aza mankahala ny rahalahinao amin’ny fonao; anaro mafy ny mpiray firenena aminao mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
Izay milaza fa ao amin’ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ny maizina ihany.
Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ny maizina ary mandeha ao amin’ny maizina ka tsy mahalala izay alehany satria ny maizina no nahajamba ny masony.
Raha misy milaza hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra izay tsy hitany?
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Kanefa hoy Aho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo; misaora izay manozona anareo; ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Harovan’NY TOMPO amin’ny aretina koa ianao ka tsy hisy hamelezany anao ny aretin-dratsin’i Ejipta, izay fantatrao; nefa hataony amin’izay rehetra mankahala anao kosa ireny.
raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, ka voarain’ny tanako ny fitsarana, dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony ary hovaliako ny mankahala Ahy.
Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.
ao ny andro itiavana ary ao ny andro ankahalana; ao ny andro iadiana ary ao ny andro ihavanana.
NY TOMPO mizaha toetra ny marina fa ny ratsy fanahy sy izay tia herisetra dia samy halan’ny fanahiny.
Fa izay rehetra manao ny ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.
Tianao ny fahamarinana fa halanao ny heloka. Noho izany no nanosoran’Andriamanitra anao, fa tsy ny namanao, diloilo fifaliana.
Raha halan’izao tontolo izao ianareo dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.
Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy, fa raha izany dia ho niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany dia ho niery azy aho. Fa ianao izay lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy tena sakaizako, dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ny maro ho ao amin’ny tranon’Andriamanitra!
Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.
Aoka hitsangana Andriamanitra ka hiely ny fahavalony ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.
Maro noho ny volon-dohako ny isan’izay mankahala ahy tsy amin’antony. Mahery izay ta hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy amin’antony; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
Ianareo izay tia NY TOMPO, mankahalà ny ratsy! Miaro ny ain’ny olony masina Izy ary manafaka azy amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.
Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ny masoko aho; halako ny fanaon’ny mpivadika, tsy ho azon’izany aho.
Teny feno fankahalana no nanodidinany ahy ary niady tamiko tsy amin’antony izy. Hidera NY TOMPO amin’ny feo mafy aho; eny, eo amin’ny olona maro no hiderako Azy. Fa mitsangana eo ankavanan’ny mahantra Izy mba hamonjy azy amin’izay manameloka ny fanahiny. Ny fitiavako dia valiny fandrafiana, fa izaho kosa dia mivavaka. Novaliany ratsy ny soa nataoko ary novaliany fankahalana ny fitiavako.
Zavatra enina no halan’NY TOMPO, eny, fito no fahavetavetana eo anatrehany: Ny fijery mianjonanjona, ny lela fandainga, ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny, ny fo mamorona sain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny vavolombelona mandainga izay milaza lainga ary ny mamafy ady eo amin’ny mpirahalahy.
Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana NY TOMPO; ny fiavonavonana, ny fireharehana, ny lalana ratsy ary ny teny lainga dia samy halako avokoa.
Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ny tenany, fa ny lozabe dia todìn’ny halozany.
Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny fo miolakolaka, fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny eritreritra hanao ratsy, fa ny teny mamy dia madio.
Ny mpandrafy dia mody hafa eo amin’ny molony sady manafim-pitaka ao am-pony. Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy fa fahavetavetana fito no ao am-pony. Ny fankahalana dia mety hiafina ao anatin’ny fitaka, nefa ny haratsiam-panahiny dia hiharihary eo ampahibemaso.
Halan’ny lela mandainga ny olona izay nampahoriny ary ny vava mandokadoka foana dia mahatonga faharavana.
Halako ny voaloham-bolanareo sy ny andro firavoravoanareo, mavesatra amiko izany; sasatra mitondra azy Aho.
Fa Izaho TOMPO dia tia fitsarana marina; halako ny fandrobana amin’ny faharatsiam-panahy; homeko ny valin’asany amin’ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.
Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo izay mangovitra noho ny teniny. Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo ka mandroaka anareo noho ny amin’ny anarako: Aoka hampiseho ny voninahiny NY TOMPO, mba ho hitanay ny fifalianareo! Kanefa izy ireny kosa no hitsanga-menatra.
Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka azy hiteny hoe: Miangavy anareo aho, aza manao izany fahavetavetana halako izany.
Ao Gilgala ny fahotany rehetra; eny, tao no nankahalako azy. Noho ny faharatsian’ny asany dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy. Tsy ho tia azy intsony Aho fa mpikomy avokoa ny mpanapaka azy.
Halan’izy ireo izay mananatra eo am-bavahady ary ataony ho zava-maharikoriko izay miteny ny marina.
Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, aoreno eo amin’ny fitsarana ny rariny; angamba NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa.
Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, izay manendaka ny hoditry ny olona sy ny nofony amin’ny taolany;
ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo ary aza tia fianianana mandainga; fa izany rehetra izany dia halako, hoy NY TOMPO.
Efa tia anareo Aho, hoy NY TOMPO, nefa hoy ianareo: Inona no noentinao nitia anay? Tsy rahalahin’i Jakoba va i Esao? Hoy NY TOMPO; nefa i Jakoba no tiako fa i Esao no halako, koa nataoko tany lao ny tendrombohiny ary ny lovany dia natolotro ho an’ny amboadia any an-tany efitra.
Efa renareo fa voalaza hoe: «Tiava ny namanao» (Lev 19.18), ary «mankahalà ny fahavalonao». Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ho halany ny iray ary ho tiany ny iray; na hombany ny iray ary hohamavoiny ny iray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy i Mamôna ianareo.
Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.
dia famonjena antsika amin’ny fahavalontsika sy amin’ny tanan’izay rehetra mankahala antsika.
Sambatra ianareo, raha halan’ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’Olona.
Tsy afaka mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany satria Izaho milaza fa ratsy ny asany.
Ianareo avy tamin’ny devoly rainareo, koa izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy dia ny azy no lazainy satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.
Raha halan’izao tontolo izao ianareo dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha avy amin’izao tontolo izao ianareo dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy avy amin’izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.
Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa. Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon’olon-kafa dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia efa hitany sady efa halany Aho sy ny Raiko koa; fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin’ny lalànany hoe: «Halany tsy amin’antony Aho» (Sal 69.4; 109.3).
Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’izao tontolo izao izy satria tsy avy amin’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy avy amin’izao tontolo izao.
mpifosafosa, mpankahala an’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpidoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
satria fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalànan’Andriamanitra izy sady tsy hainy akory izany.
Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.
Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miezaha hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao ka miankina aminareo dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35).
Ny fitiavana dia tsy manisy ratsy ny namana; koa ny fitiavana no fanatanterahana ny lalàna.
Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ho an’ny tenany, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
Tezera fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome toerana ho an’ny devoly.
Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra;
ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany.
Fialonana sy fifandirana aza no itorian’ny sasany an’i Kristy ary fikasana tsara kosa ny an’ny sasany;
tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena.
Fa ankehitriny kosa dia esory koa ireto rehetra ireto: Fahatezerana, firehetana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo.
Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra.
Zavatra marina amin’Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo, ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ny tenanay, rehefa hiseho avy any an-danitra Jesosy Tompo, mbamin’ny anjeliny mahery, amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny Filazantsaran’i Jesosy Tompontsika.
tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahafehy tena, lozabe, tsy tia ny tsara,
Fa isika koa dia mba adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka; eny, andevon’ny filana sy ny fahafinaretana isan-karazany ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana sady nankahalaina no nifankahala.
Tianao ny fahamarinana fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanosotra diloilom-pifaliana Anao mihoatra noho ny namanao» (Sal 45.6-7).
Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro;
Fantaro izao, ry rahalahy malalako: Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra; Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa na dia rehefa iharan’ny fizahan-toetra samihafa aza ianareo, fa ny fahatezeran’ny olona dia tsy ahefana ny fahamarinana araka an’Andriamanitra.
Avy aiza ny ady ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Moa tsy ny filanareo izay miady ao anatin’ny tenanareo va no iavian’izany? Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo dia hanandratra anareo Izy. Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy ny rahalahiny na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao dia tsy mpankato ny lalàna fa mpitsara. Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao no mitsara ny namanao? E! Ianareo izay miteny hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra dia hahazo tombom-barotra; kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo! Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo; miseho vetivety dia levona. Fa aleo miteny hoe: Raha sitrapon’ny Tompo ka velona izahay dia hataonay izao na izany. Fa izao, mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo. Ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. Koa izay mahalala hanao soa nefa tsy manao soa dia heloka ho azy izany. Maniry zavatra ianareo nefa tsy manana; mamono olona sy mialona ianareo nefa tsy mety mahazo ihany; mifandìtra sy miady ianareo nefa tsy manana satria tsy mangataka.
Ry mpijangajanga! Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra izy.
Koa esory ny lolompo rehetra, ny fitaka rehetra, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana ary ny fanendrikendrehana rehetra,
Aza mamaly ratsy ny ratsy, na fitenenan-dratsy ny fitenenan-dratsy; fa aoka hisaotra kosa satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handovanareo fitahiana.
Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara, fa «ny fitiavana no manarona fahotana maro» (Oha 10.12).
Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra satria Andriamanitra dia fitiavana.
Raha misy milaza hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra izay tsy hitany? Ary izao no didy azontsika Taminy: Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.
Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Ary tsy mavesatra ny didiny
Ary izao no fitiavana dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ny taloha ihany dia ny handehananareo aminy.
Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan’ny biby tsy manan-tsaina, dia izany no andotoany ny tenany.
Fa ianareo kosa, ry malala, dia tsarovinareo ny teny voalazan’ny Apostolin’i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny. Fa efa nilaza taminareo izy hoe: Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filany sy ny haratsiam-panahiny. Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, tsy manana ny Fanahy.
Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitana ny fampianaran’ny Nikolaìta tahaka ny an’ireny.
Izy ireo kosa dia naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nanambaràny Azy ary tsy nankamamy ny ainy izy na dia ho faty aza.
Dia tezitra tamin’ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny fanambaràna an’i Jesosy.
Ny tandroka folo sy ny bibidia izay hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hanao azy ho tsinontsinona sy hampitanjaka azy, hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.
Ary niantso tamin’ny feo mahery izy hoe: Rava! Rava i Babilona lehibe! Tonga fonenan’ny demonia sy fieren’ny fanahy maloto rehetra ary akanin’ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina izy.
Fa any ivelany ny alika, ny mpanao ody ratsy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.