Antsoina ho velona ao anatin'ny fahafahana isika, tsy ho andevon'ny fampahoriana na inona na inona karazany. Maro ny andininy ao amin'ny Baiboly mampianatra antsika momba ny fanandevozana ara-panahy sy ny fomba hahazoana fanafahana amin'izany.
Mety ho isan-karazany ny endriky ny fanandevozana ara-panahy. Mety ho vokatry ny fahotantsika manokana, ny fahazaran-dratsy, na ny fitaoman'izao tontolo izao manodidina antsika. Mety ho endriky ny fampahoriana ara-tsaina sy ny fihetseham-po mandrava ihany koa.
Miantso antsika ny Tenin'Andriamanitra mba hahatsapantsika ny toe-tenantsika sy hikatsahantsika ny fahafahana izay Izy irery ihany no afaka manome antsika. Hoy i Jesosy: "Raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo" (Jaona 8:36). Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ary ao amin'ny sorona nataony no ahitantsika fanafahana amin'ny fanandevozana ara-panahy rehetra.
Tsy ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra ihany no voakasiky ny fanandevozana fa eo koa ny fifandraisantsika amin'ny hafa sy ny tenantsika. Manakana antsika tsy hiaina ny fahafenoan'ny fiainana izay tian'Andriamanitra ho antsika izany ary mametra ny fivoaran'ny fahaizantsika. Mampirisika antsika ny Baiboly mba handao izay rehetra manandevo antsika sy hametraka ny fitokiantsika amin'Andriamanitra. Mampirisika antsika hikatsaka ny fahasoarany sy ny heriny handresena ny endriky ny fanandevozana ara-panahy rehetra.
Ao amin'ny Galatiana 5:1, dia vakintsika hoe: "Koa tomoera tsara amin'ny fahafahana izay nanafahan'i Kristy antsika, ary aza mety hohazonin'ny ziogan'ny fanandevozana indray."
Saintsaino ny fiainanao ary anontanio tena raha misy lafiny iray mahatsiaro anao ho andevon'ny fanandevozana ara-panahy. Tsarovy fa manana Andriamanitra mahery sy be famindram-po ianao izay maniry hanafaka anao sy hitondra anao amin'ny fiainana vaovao ao aminy.
Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny fananganana anaka, izay ahazoantsika miantso hoe: Aba! Ray ô!
Hoy Jesosy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota.
Fa isika koa dia mba adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka; eny, andevon’ny filana sy ny fahafinaretana isan-karazany ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana sady nankahalaina no nifankahala.
fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalovana; fa izay maharesy ny olona no manandevo azy.
Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; koa miorena tsara fa aza mety hohazonin’ny ziogan’ny fanandevozana indray.
fa fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia niaraka nohomboana Taminy mba tsy hampanan-kery ny tenan’ny ota, koa tsy ho andevozin’ny ota intsony isika.
Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho andevo ianareo mba hanoa, na iza na iza, dia andevon’izay ankatoavinareo ianareo, na ny ota ho amin’ny fahafatesana, na ny fankatoavana ho amin’ny fahamarinana? Koa isaorana Andriamanitra, fa na dia efa andevon’ny ota aza ianareo, ny fonareo kosa dia efa nanaraka ny fomban’ny fampianarana izay nanolorana anareo; ary rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo dia tonga andevon’ny fahamarinana.
Koa satria manana nofo aman-dra ny zaza dia mba nandray izany koa Izy mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.
Ankehitriny kosa, rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’Andriamanitra ka manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana.
Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentina hanaraka ny nofo izany fahafahana izany. Mifanompoa amin’ny fitiavana
Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ny hampisehoana ireo zanak’Andriamanitra. Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana. Fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony fa noho Izay nampanaiky azy, amin’ny fanantenana. Izao zavatra ary rehetra izao koa dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalovana, ho amin’ny fahafahana be voninahitra izay an’ireo zanak’Andriamanitra. Fa fantatsika fa mandraka ankehitriny, izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka.
Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana.
Ianareo dia maty noho ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany. Koa tsarovy fa fahiny ianareo dia Jentilisa araka ny nofo ka nolazain’ny voaforan-tanana teo amin’ny nofo hoe tsy voafora. Eny, tsy nanana an’i Kristy ianareo tamin’izany andro izany, fa olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Israely ary vahiny tamin’ireo faneken’ny teny fikasana, tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao. Ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia tonga akaiky noho ny ran’i Kristy. Izy no fihavanantsika izay nahatonga antsika roa tonta ho iray ka nandrava ny efitry ny fisarahana: Tao amin’ny nofony no nandravany ny fifandrafiana. Nofoanany ny lalàna nisy didy natao hotandremana mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray ka nanaovany fihavanana, sady hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazofijaliana izay namonoany ny fifandrafiana tao aminy. Tonga Izy nitory teny soa mahafaly nilaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana koa tamin’izay akaiky, satria Izy no ahafahantsika roa tonta manatona ny Ray amin’ny Fanahy iray. Koa tsy vahiny sy mpivahiny intsony ianareo fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra, izay niainanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny tsy mpankato.
Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho andevo ianareo mba hanoa, na iza na iza, dia andevon’izay ankatoavinareo ianareo, na ny ota ho amin’ny fahafatesana, na ny fankatoavana ho amin’ny fahamarinana?
Koa tsy andevo intsony ianao fa zanaka; ary raha zanaka dia mpandova koa, noho ny ataon’Andriamanitra.
Fa ny andevo izay voaantso ao amin’ny Tompo dia olona afaka an’ny Tompo; toy izany koa, ny olona afaka izay voaantso dia mpanompon’i Kristy.
fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon’Andriamanitra.
Fa tsy hanan-kery aminareo ny ota; satria tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo fa ambanin’ny fahasoavana.
Izay efa hitako tamin’ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa dia manao izay renareo tamin’ny rainareo.
Nantsoina va ianao raha mbola andevo? Aoka tsy hampaninona anao izany; nefa raha misy hahafahanao dia aleo hararaotina izany.
Fa ankehitriny kosa dia efa afaka tamin’ny lalàna isika, satria maty ny amin’izay nihazonana antsika ka manompo araka ny fanavaozana avy amin’ny Fanahy fa tsy amin’ny fomba tranainy tao ambanin’ny lalàna voasoratra.
Tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao; Nefa ahoana no lazain’ny Soratra Masina? «Roahy io andevovavy io sy ny zanany lahy; fa ny zanaky ny andevo dia tsy hiray lova amin’ny zanaky ny vehivavy afaka» (Gen 21.10). Noho izany, ry rahalahy, tsy zanak’andevovavy isika fa zanaky ny vehivavy afaka. fa rehefa tonga kosa ny fotoanandro dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna, hanavotany izay ambanin’ny lalàna, mba handraisantsika ny maha zanaka.
Fa ny andevo dia tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva; fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva.
ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.
Dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana, fa tamin’ny tanana mahery no nitondran’NY TOMPO anareo nivoaka avy tany. Koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mitraka.
satria ny Soratra Masina dia efa nanidy azy rehetra tao amin’ny fahotana, mba homena ny Mino noho ny finoana an’i Jesosy Kristy ny teny fikasana.
dia mitandrema fandrao hadinonao NY TOMPO izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano nanandevozana.
sady nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany
fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho dia holavina kosa.
Fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fahefana ary amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.
Izay manota dia avy amin’ny devoly satria ny devoly dia manota hatramin’ny voalohany. Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly.
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny alalan’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.
Azoko atao ny zavatra rehetra, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; azoko atao ny zavatra rehetra, nefa izaho dia tsy manaiky handevozin-javatra, na inona na inona izany.
Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ataovy ho efa maty ny amin’ny ota ny tenanareo fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy kosa.
Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.
mba hialanareo ny toetra maha olona taloha anareo araka ny fitondrantenanareo fahiny izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka; fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra maha olom-baovao izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Mahonòna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
Efa ho lasa ny alina ka efa akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ary hitafiantsika ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na amin’ny fitondrantena tsy mendrika, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana. Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany.
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany.
Fa maizina ianareo fahiny, nefa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny. Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
Ary ianareo, izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsy fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Efa navelany avokoa ny fahadisoantsika rehetra; novonoiny ny didy voasora-tanana izay niampanga antsika; nesoriny izany ka nohomboany tamin’ny hazofijaliana;
Fa isika koa dia mba adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka; eny, andevon’ny filana sy ny fahafinaretana isan-karazany ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana sady nankahalaina no nifankahala. Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy tamin’ny asa mety ho nataontsika tamin’ny fahamarinana, fa araka ny famindrampony kosa no namonjeny antsika, rehefa nosasana tamin’ny fahaterahana indray sy ny fanavaozana nataon’ny Fanahy Masina, izay narotsany betsaka tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika, mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy. Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;
fa na inona na inona aseho dia mazava. Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory ary mitsangàna amin’ny maty, dia hampahazava anao Kristy.
Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. hilaza Aminy hoe: Ianao va ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika? Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.
Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko, satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava,
dia hody ny sainy ho afaka amin’ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony.
Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy,
Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.
Koa maneke an’Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina!
mba homeny anareo, araka ny harenan’ny voninahiny, ny tanjaka sy ny hery avy ao anaty amin’ny alalan’ny Fanahiny; ary koa mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana dia hamahatra sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo
Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay dia tsy mba miady araka ny nofo, fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay fa manan-kery avy amin’Andriamanitra mba handrava manda. Mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy,
Ny mpangalatra dia tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be.
Koa amin’izany dia atanjaho ny sainareo ka mahonòna tena ary manàna fanantenana feno ny fahasoavana izay hoentina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy.
Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Nitondra azy nivoaka avy tao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy ary notapahany ny fatorany.
Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, ny hanaboraka ny fehin’ny zioga, ny handefa ny ampahorina ho afaka ary ny hanapatapaka ny zioga rehetra?
Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny fananganana anaka, izay ahazoantsika miantso hoe: Aba! Ray ô!
satria izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay nandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra?
Ao Aminy no ananantsika fanavotana tamin’ny alalan’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny harenan’ny fahasoavany
Tao amin’ny fahoriana no niantsoako NY TOMPO, dia namaly ahy NY TOMPO ka nampahalalaka ahy.
Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny tanjaky ny heriny. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.
Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota satria ny voany dia mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy satria naterak’Andriamanitra.
Mamandrika ny tenany ihany ny heloky ny ratsy fanahy, ary ny kofehin’ny fahotany no hihazona azy.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao, Fa ireny dia nanao izay hanitsiana antsika tamin’ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa mba handraisantsika ny fahamasinany. Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy. Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa fa mba hahasitrana azy kosa. Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro; fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy na dia nitady izany fatratra tamin-dranomaso aza. Fa tsy zavatra azo tsapain-tanana no nohatoninareo, na afo mirehitra, na haizim-pito, na tafio-drivotra, na fanenon’ny trompetra na feon’ny teny, koa izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy; mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
Fa isaorana anie Andriamanitra izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Kanefa amin’izany rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko ary Izaho ao aminy dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona.
Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina mba hitondrany antsika ho amin’Andriamanitra ka novonoina araka ny nofo Izy, fa novelomina araka ny fanahy
izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika mba hanafahany antsika amin’izao vanim-potoana ratsy ankehitriny izao, araka ny sitrapon’Andriamanitra Raintsika.
Kanefa tsy mihambo hanana fahafahana avy aminay izahay hihevitra na inona na inona avy amin’ny tenanay; fa ny fahafahanay dia avy amin’Andriamanitra
Fa efa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo.
ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany.
Eny, na dia mandeha mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho dia tsy hatahotra ny loza satria Ianao no miaraka amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary anao, ry Jakoba ô, sady namolavola anao, ry Israely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho, Ahy ianao!
Indrisy, TOMPO ô! Mpanomponao tokoa aho; eny, mpanomponao sady zanaky ny mpanompovavinao. Namaha ny fatorako Ianao.
Fa raha ny fahadisoan’ny olona iray no nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’ny iray, mainka izay mahazo ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny Iray, dia Jesosy Kristy.
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Hanafaka ahy amin’ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Ianao, fa Ianao no fiarovana mafy ho ahy. Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Ianao, TOMPO ô, Andriamanitry ny fahamarinana!
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy kosa isika.
Ao Aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny Filazantsara izay mamonjy anareo. Eny, ao Aminy koa ianareo, rehefa nino ka nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina, araka ny teny fikasana. Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an’ny tenany, mba ho fiderana ny voninahiny.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Izany teny izany no efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana Amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy ary nanafaka azy tao amin’ny lavaka nianjerany Izy.
dia efa nampihavaniny tao amin’ny tenan’ny nofony ankehitriny, tamin’ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
mainka fa ny ran’i Kristy, izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty mba hanompoanareo an’Andriamanitra velona.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany koa no niantsoana anao sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro.
Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, koa miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana ho an’ny olona masina rehetra,
Indrisy! Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity? Misaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika aho! Koa raha ny amiko dia andevon’ny lalànan’Andriamanitra aho amin’ny saiko, fa ny lalànan’ny ota kosa amin’ny nofoko.
ary avy amin’i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany! Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka tamin’ny fahotantsika tamin’ny rany