Avy amin’Andriamanitra ny aina, Izy no fahafenoana ahazoantsika antom-piainana. Na dia manohitra ny sitrapony aza ny fahavalo, dia mikatsaka izay hahasoa antsika foana ny Mpamorona antsika. Hatrany am-piandohana, ny drafiny dia ny hihamaro sy hameno ny tany ny olombelona. Koa zava-dehibe ny mahatakatra fa izay mampiroborobo ny fahafatesana dia tsy ao anatin’ny drafitr’Andriamanitra. Tsy anisan’ny fikasany ho an’izao tontolo izao ny fanalan-jaza.
Na inona na inona toe-javatra na nitondra anao taty, dia tena ilaina ny mahatakatra fa eo ny fanampian’Andriamanitra. Na sendra bevohoka tsy nampoizina ianao na vokatry ny toe-javatra nampivarahontsana, dia mendrika ny hivelatra ilay aina ao anatinao. Tsy vahaolana ny fanalan-jaza ary mety hitondra enta-mavesatra ara-pihetseham-po izay hisy fiantraikany amin'ny fahasalamanao.
Matokia fa Andriamanitra dia afaka manasitrana sy manafaka anao, manome anao sy ny zanakao hoavy feno fanantenana. Manatòna Azy, zarao Aminy ny enta-mavesatrao ary mitadiava famelan-keloka Aminy. Ialao izay eritreritra rehetra mitarika anao amin’ny fanalan-jaza ary mibebaha amin’ny fo manontolo. Manana drafitra tsara ho anao Andriamanitra. Na dia mahatsiaro ho irery aza ianao dia tsarovy fa miara-dia aminao ny Fanahy Masina, mampionona sy mampatanjaka anao amin’izao dingana izao.
Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza.
Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no nahariany azy; lahy sy vavy no nahariany azy.
Fa rehefa sitrak’Andriamanitra, izay nanokana ahy hatrany an-kibon’Ineny sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany,
Izao no lazain’NY TOMPO, izay nanavotra anao sady namolavola anao hatrany am-bohoka: Izaho no TOMPO izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
nankinina Taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Ianao. Aza manalavitra ahy Ianao fa akaiky ny fahoriana sady tsy misy olona hamonjy ahy.
Rehefa ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masina i Elizabeta ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: Notahìna amin’ny samy vehivavy ianao ary notahìna ny hateraky ny kibonao! Avy aiza no ahatongavan’izao amiko no mba vangìn’ny renin’ny Tompoko aho? Fa indro, raha vao ren’ny sofiko ny feon’ny fiarahabanao dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ato an-kiboko.
Mihainoa Ahy, ry nosy! Atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra! NY TOMPO efa niantso Ahy hatrany am-bohoka, hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’Ineny no efa notsarovany ny anarako.
Raha misy olona miady ka mandratra vehivavy manana anaka ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan’ny vadin-dRavehivavy azy; handoa araka izay didy havoakan’ny mpitsara izy. Fa raha misy maninona kosa dia hanome aina solon’ny aina ianao, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tanana solon’ny tanana, tongotra solon’ny tongotra, may solon’ny may, ratra solon’ny ratra, fery solon’ny fery.
Ary vovo-tany no namolavolan’NY TOMPO Andriamanitra ny olona, dia nitsofany ny fofonaina mahavelona tamin’ny vavorony ka tonga manana aina ilay olona.
Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza.
Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
TOMPO ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana. Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina. Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza. Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany. Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô! Mialà amiko, ianareo mpandatsa-dra. Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
Tandremo fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko izay any an-danitra.
Nefa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika satria fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy.
Zavatra enina no halan’NY TOMPO, eny, fito no fahavetavetana eo anatrehany: Ny fijery mianjonanjona, ny lela fandainga, ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny,
NY TOMPO no miaro ny vahiny ary manohana ny kamboty sy ny mpitondratena fa mamadika ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.
Mihainoa Ahy, ry taranak’i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ny taranak’Israely, ianareo izay noentina hatrany an-kibo sy notrotroina hatramin’ny vao teraka: Na dia mandra-pahantitrareo aza dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volo anareo dia Izaho ihany no hisahirana hitondra anareo; Izaho no nanao ka Izaho ihany no hitrotro; eny, Izaho no hitondra sy hanafaka.
Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo ary ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo? Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary inona ny zanak’olombelona no amangianao azy? Fa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy ary nosatrohanao voninahitra sy famirapiratana.
Fa fantatrareo fa tsy tamin’ny zavatra mety ho simba, na volafotsy na volamena no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala izay nolovanareo tamin’ny razanareo, fa tamin’ny ra sarobidin’i Kristy, toy ny tamin’ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina,
Toy ny tsy ahafantaranao ny lalana alehan’ny rivotra, na ny amin’ny fitombon’ny taolana ao an-kibon’izay manana anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan’Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
Nefa hoy Jesosy: Avelao ny zaza ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Ianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; Ianao no namoaka ahy avy tany an-kibon’ny reniko; Ianao no deraiko mandrakariva.
Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
Nisy nitondra zazakely koa ho eo amin’i Jesosy mba hokasihiny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra dia nandrara azy ireo. Nefa nasain’i Jesosy noentina teo Aminy ireo ary hoy Izy hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.
Moa hahatonga vehivavy ho eo amin’ny fiterahana va Aho ka tsy hampiteraka azy? Hoy NY TOMPO; Izaho izay nampiteraka va no hanakana izany indray? Hoy Andriamanitrao.
Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tanan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana. Sambatra ny lehilahy izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny. Tsy ho menatra ireny raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.
Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono ny tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho.
Tsy asariona iray ihany va no vidin’ny tsintsina roa? Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. i Filipo sy i Bartolomeo; i Tomasy sy i Matio mpamory hetra; i Jakoba, zanak’i Alfeo; Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
Ny tananao no nanao ahy sy nanamboatra ahy; omeo saina mahiratra aho mba hianarako ny didinao.
Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina.
Izay mandatsaka ny ran’olona dia mba halatsak’olona kosa ny rany, satria tahaka ny endrik’Andriamanitra no nanaovany ny olona.
Raha mitahiry heloka Ianao, TOMPO ô, iza no hahajanona, Tompo ô? Fa ao Aminao no misy ny famelan-keloka mba hatahorana Anao.
Izao no lazain’NY TOMPO izay namorona anao, sy namolavola anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, ary ianao, ry Jesoròna izay nofidiko;
Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy ary tamin’ny fahotana no notorontoronina ahy ny reniko.
Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentina hanaraka ny nofo izany fahafahana izany. Mifanompoa amin’ny fitiavana
Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany.
Ny ray dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny rainy; fa samy hovonoina amin’ny fahotany avy ihany ny olona.
fa tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana; Izy no nahariana ny zavatra rehetra sady ho Azy izany; Izy no talohan’ny zavatra rehetra sady ao Aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany. Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra. Mazotoa fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo. Mifalia amin’ny fanantenana. Miareta amin’ny fahoriana. Mahareta amin’ny fivavahana. Manampia ny olona masina araka izay ilainy. Mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana fa aoka mba ho zatra ny fanetren-tena ianareo. Aza mihevitra ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miezaha hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao ka miankina aminareo dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35). Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
eny, nandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izy, dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy izay novonoiny ho fanatitra ho an’ny sampin’i Kanana; koa nandoto ny tany tamin’ny ra izy.
Tohàny araka ny teninao aho mba ho velona ary aoka tsy ho menatra amin’ny fanantenako aho.
Hitako koa ny fampahoriana rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro ka indro ny ranomason’ny ampahorina nefa tsy misy izay mampionona azy; hery no eo anilan’ny mpampahory azy nefa tsy misy izay mampionona azy.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.
Maneke ny rainao izay niteraka anao ary aza manamavo ny reninao na dia efa antitra aza izy.
Raha jereko ny lanitra izay asan’ny rantsantananao sy ny volana aman-kintana izay nampitoerinao inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary inona ny zanak’olombelona no amangianao azy?
Ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny menakao; hitahy ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’osinao any amin’ny tany izay nianianany tamin’ny razanao homena anao. Hotahìna mihoatra noho ny firenena rehetra ianao; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na ianareo na ny biby fiompinareo.
Ary Andriamanitra niteny hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy ireo hanapaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, amin’ny voromanidina sy ny biby fiompy, amin’ny tany rehetra ary amin’ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany. Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no nahariany azy; lahy sy vavy no nahariany azy.
Lozan’izay miady amin’ny namorona azy, tavim-bilany isan’ny tavim-bilany amin’ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin’ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hiteny hoe: Tsy manan-tanana izy!
Fa hamonjy ny mahantra mitaraina sy ny ory tsy manan-kamonjy izy; hiantra ny madinika sy ny mahantra izy ary hamonjy ny ain’ny mahantra. Hanavotra azy amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy ary ho sarobidy eo imasony ny rany.
Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Ianao, TOMPO ô, aza manakana ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindramponao sy ny fahamarinanao no hiaro ahy mandrakariva.
Diniho ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; fa dia ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mety hanao vavolombelona amin’ny adin’olona ka hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.
Ary Isaka dia nangataka tamin’NY TOMPO ho an’ny vadiny, satria momba izy, dia nohenoin’NY TOMPO ny fangatahany ka nanana anaka i Rebeka vadiny. Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony, dia hoy i Rebeka: Raha izany, nahoana re no dia toy izao aho? Sady lasa nanontany NY TOMPO izy.
Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao; ary eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.
Fa tsy misy velona ho an’ny tenany isika ary tsy misy maty ho an’ny tenany. Satria raha velona isika dia velona ho an’ny Tompo ary raha maty isika dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika dia an’ny Tompo ihany.
Ny mahafaty sy ny mahavelona dia samy hain’ny lela, koa izay tia azy dia hihinana ny vokany.
Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e ary tsy niala aina raha vao nivoaka avy tany an-kibo? Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?
Misy fotoana ho an’ny zavatra tsirairay ary misy fotoana ho an’ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra: Efa hitako ny asa izay nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona hisahiranany. Ny zavatra rehetra dia samy nataony ho mendrika amin’ny fotoanany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra na hatramin’ny voalohany na hatramin’ny farany. Fantatro fa: Tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao ny tsara raha mbola velona koa izy. Fantatro koa fa raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona dia fanomezan’Andriamanitra izany. Fantatro fa izay rehetra ataon’Andriamanitra dia haharitra mandrakizay: Tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany. Ataon’Andriamanitra izany mba hahatonga ny olona hatahotra Azy. Izay atao izao dia efa natao fahiny ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; na dia ny efa lasa aza dia mbola tadiavin’Andriamanitra indray. Izao koa no hitako tetỳ ambanin’ny masoandro: Eo amin’ny toeran’ny fitsarana dia ao ny haratsiam-panahy; ary eo amin’ny toeran’ny fahamarinana dia ao ihany koa ny ratsy fanahy. Hoy aho anakampo: Samy hotsarain’Andriamanitra na ny marina na ny ratsy fanahy; fa samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra sy ny asa rehetra etỳ. Hoy aho anakampo, ny amin’ny zanak’olombelona: Ny mba hizahan’Andriamanitra toetra azy izany ka ho hitany fa raha ny tenany ihany dia biby izy. Fa izay manjo ny zanak’olombelona no manjo ny biby; mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany ny fofonaina ananan’izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ny olona amin’ny biby; fa samy zava-poana daholo izy ireo. Ao ny andro iterahana ary ao ny andro ahafatesana; ao ny andro ambolena ary ao ny andro anongotana ny nambolena;
Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany.
ary aza manolotra izay momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsy fahamarinana, fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra.
Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin’izany dia mety ny manao soa amin’ny Sabata.
Hitondra ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy, ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary hotarihiny miadana ny ondrivavy mampinono.
Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, ka miverina amin’NY TOMPO Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio, dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra Aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao, mba honenanao eo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba razanao, homena azy.
Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpamonjy azy sady manantena NY TOMPO Andriamaniny izay nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny; izay mitandrina fahamarinana mandrakizay;
Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaran’ny tananao ka hamirapiratra amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy Ianao? Manana maso nofo va Ianao na mijery tahaka ny fijerin’ny zanak’olombelona?
Fa indro TOMPO ô, tsy mbola eo amin’ny lelako akory ny teny dia efa fantatrao izy rehetra.
koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, Dia indro, nisy horohoron-tany mafy; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny. sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Hoy NY TOMPO: Inona moa no nataonao? Ny feon’ny ran’ny rahalahinao dia mitaraina Amiko avy amin’ny tany. Ankehitriny dia voaozona ianao ka hiala amin’ny tany fonenana izay nisokatra hitelina ny ran’ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.
TOMPO ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana. Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina. Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza. Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany. Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô! Mialà amiko, ianareo mpandatsa-dra. Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Manonona Anao hoenti-mamitaka izy; eny, ny fahavalonao dia manonona Anao foana. Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, TOMPO ô, ary ho rikoriko amin’izay mitsangana hanohitra Anao? Tena halako marina tokoa ireny; fahavaloko ireny. Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro; zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho. Voadinikao aho, na mandeha, na mandry, ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. Fa indro TOMPO ô, tsy mbola eo amin’ny lelako akory ny teny dia efa fantatrao izy rehetra. Manodidina ahy ao aorianako sy eo alohako Ianao ary apetrakao amiko ny tananao. Fahalalana mahagaga ahy loatra izany; eny, avo loatra ka tsy takatro.
Amin’ny lalan’ny fahamarinana no misy fiainana ary mankany amin’ny tsy fahafatesana ny lalan-kalehany.
Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo,
Koa ny finoana dia avy amin’izay henoina, ary izay henoina kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy.
Iza no lehilahy matahotra NY TOMPO? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. Hitoetra amin’ny soa izy ary handova ny tany ny taranany.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy, ny tonona sy ny tsoka sady mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.
Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony ka indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahenina.
Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza.
Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena maro.
nankinina Taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Ianao.
Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.
Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy ireny koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
Sambatra ny lehilahy izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny. Tsy ho menatra ireny raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.
Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.