Tsy misy ota afenina amin’Andriamanitra na dia kely aza. Marina fa mety afenina amin’olona ny zavatra atao, nefa ny ao am-pontsika rehetra dia fantany tsara. Ampianarin’ny Baiboly antsika fa mety hisy vokany ratsy eo amin’ny fiainantsika ny ota afenina. Tadidio ny tantaran’i Akana ao amin’ny bokin’i Josoa. Nandika ny didin’Andriamanitra izy naka zavatra voatokana ho an’ny tenany. Nafeniny ny otany, kanefa tsy ela dia niharihary izany ka niteraka loza ho azy sy ny ankohonany.
Ao amin’ny Ohabolana 28:13 (DIEM) dia voasoratra hoe: “Izay manafina ny helony tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.” Ary i Jesoa koa niteny ao amin’ny Lioka 8:17 hoe: “Fa tsy misy zava-miafina izay tsy ho hita, na takona izay tsy ho fantatra sy hiharihary.” Na dia toa afenina aza ny otantsika dia ho hita ihany amin’ny farany. Ho tonga ny andro hihariharian’ny zavatra rehetra ary tsy maintsy hiatrika ny vokatry ny ataontsika isika.
Koa androany, andeha isika handini-tena ka hiaiky ny ota izay nafenintsika. Tadidio fa na dia tsy hitan’ny olona aza izany dia hitan’Andriamanitra. Fantany ny eritreritsika sy ny zavatra rehetra nafenintsika. Koa izao no fotoana handatsahantsika ny fiainantsika eo anatrehany, hiaikentsika ny otantsika, ary hangatahana famelan-keloka amin’ny fo torotoro sy mibebaka. Hoy ny mpanao Salamo: “Nambarako taminao ny fahotako, ary tsy mba nafeniko ny heloko; hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.” (Salamo 32:5). Aza adino fa rehefa miaiky ny otantsika amin’Andriamanitra isika ka miala amin’izany dia hahazo famelan-keloka sy fanafahana izay avy aminy irery ihany.
Izay manafina ny fahotany dia tsy hambinina, fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.
Raha ny fahadisoana tsy nahy, iza re no mahalala izany? Ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’izay ota tsy fantatro.
Ny helokay dia nataonao teo anatrehanao ary ny fahotanay miafina dia nataonao teo amin’ny fahazavan’ny tavanao.
Fa izay rehetra manao ny ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro; zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho.
Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsy fahamarinan’ny olona izay mangeja ny marina amin’ny tsy fahamarinana;
Dia hoy i Josoa tamin’i Akana: Anaka, miangavy anao aho, omeo voninahitra NY TOMPO Andriamanitry ny Israely ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.
Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra, tsy miafina amin’ny tavako izany, ary tsy takona amin’ny masoko ny helony.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy.
Lozan’izay miafina lalina mba tsy ho hitan’NY TOMPO ka manafina ny fikasany! Ao amin’ny maizina ny asany ka hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’izay iafaran’ny ataontsika.
Raha hoy isika: Manana fiombonana Aminy isika kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.
Raha nangina aho dia nihalany ny taolako rehetra noho ny fitarainako mandritra ny andro, fa navesatra tamiko andro aman’alina ny tananao; niova ny fahatanjahako, toy ny azon’ny fahamainana amin’ny lohataona. Fiatoana Ny fahotako dia nambarako Taminao ary ny heloko tsy mba nafeniko; hoy aho: Hiaiky ny fahadisoako amin’NY TOMPO aho; ary Ianao dia namela ny heloko, ny fahotako. Fiatoana
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vavany.
Ahoana ary? Hanota va isika satria tsy ambanin’ny lalàna fa ambanin’ny fahasoavana? Sanatria izany!
Koa amin’izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Koa na inona na inona teneninareo ao amin’ny maizina dia ho re eo amin’ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin’ny efitrano dia hotorìna eny amin’ny tampon-trano.
Amin’ny toerana rehetra ny mason’NY TOMPO, manara-maso ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
Fa ny atao rehetra dia hoentin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zavamiafina tsy an-kanavaka, na soa na ratsy.
Izany no hiseho amin’ny andro izay hitsaran’Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ny olona, araka ny Filazantsara toriko amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Hitsara izao tontolo izao amin’ny fahamarinana Izy; eny, hitsara ny firenena amin’ny fahitsiana Izy.
Raha hoy isika: Manana fiombonana Aminy isika kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana fiombonana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.
Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; izay miandranandrana sy miavonavona am-po dia tsy zakako.
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina.
Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona ianareo dia mba hamela ny anareo ny Rainareo izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona kosa ianareo dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
Mahonòna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao ary fahendrena ao amin’ny miafina no ampahafantarinao ahy!
Azo antoka fa tsy maintsy handray ny saziny ny ratsy fanahy, fa ny taranaky ny marina no ho afa-doza.
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
Koa samy hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Mitodiha ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’NY TOMPO nihatra Taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny rehetra tsy misy antony izay nataony. Fa ny teninao no hanamarinana anao ary ny teninao no hanamelohana anao.
Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
Koa amin’izany, aza mitsara na inona na inona alohan’ny fotoana, dia ny fiavian’ny Tompo, izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo; dia samy hahazo izay dera sahaza azy avy amin’Andriamanitra ny tsirairay.
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisan’ny olona rehetra ny valin’izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.
Raha toa ka nanarona ny fahadisoako tahaka an’i Adama aho ka nanafina ny heloko tato am-paosiko
Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha tsy manana ahiahy, fa izay maniasia amin’ny alehany dia fantatra ihany.
Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany.
Miharihary ny fahotan’ny olona sasany ka mialoha azy ho amin’ny fitsarana, fa ny an’ny sasany kosa dia manaraka ato aoriana. Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary na ny ankoatra izany aza dia tsy ho azo afenina.
Ampioreno amin’ny teninao ny diako ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
Indro, ny tanan’NY TOMPO tsy fohy fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana fa mahare. Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika; eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny maizimaizina isika, ary ao anatin’ny hery sy tanjaka nefa tahaka ny maty. Mierona tahaka ny bera isika rehetra ary mitoloko tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika nefa tsy misy, ary miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany! Fa betsaka eo anatrehanao ny fikomianay ary miampanga anay ny fahotanay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay ary fantatray ny helokay: Fikomiana sy fandavana NY TOMPO, fialana amin’ny fanarahana an’Andriamanitray, teny mampahory sy fikomiana, famoronana sy famoahana teny lainga avy ao am-po. Mihemotra ny rariny ary mijanona eny lavitra eny ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana ary tsy mahazo miditra ny hitsim-po. Eny, tsy eo ny fahamarinana ary izay mifady ny ratsy dia manolo-tena hobaboin’ny sasany. Hitan’NY TOMPO ny tsy fisian’ny rariny ka tsy nankasitrahany izany. Eny, hitany fa tsy nisy olona na iray aza, ary talanjona Izy, satria tsy nisy mpanelanelana, koa ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy. Niakanjo fahamarinana tahaka ny fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ny lohany; niakanjo ny akanjo famaliana Izy; eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy. Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an’ny fahavalony ary famaliana ho an’ny rafiny; ny nosy dia hovaliany tokoa araka ny nataony avy. Hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’NY TOMPO ny olona ary ny voninahiny dia hatramin’ny fiposahan’ny masoandro; ny fiaviny dia ho toy ny rano maria, ampandehanin’ny Fanahin’NY TOMPO. Fa ny helokareo no mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo ka tsy mihaino Izy.
Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.
Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo. Ary raha angatahany hazandrano no hanome azy menarana? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka Aminy? Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy. Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny izy dia amboadia ta hamiravira. Ny voany no hahafantaranareo azy. Mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona sa mahazo aviavy amin’ny songosongo? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara fa ny hazo ratsy rehetra kosa dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara dia tsy mety mamoa voa ratsy ary ny hazo ratsy dia tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny refy ataonareo no handrefesana ho anareo.
Mandositra ny ratsy fanahy na dia tsy misy manenjika aza; fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
Sambatra ny olona izay voavela ny helony ary voasarona ny fahotany! Be ny fanaintainan’ny ratsy fanahy, fa izay matoky NY TOMPO kosa dia hodidinin’ny famindrampo. Mifalia amin’NY TOMPO ary miravoravoa ianareo olona marina! Mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra. Sambatra ny olona izay tsy isain’NY TOMPO heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny!
na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra dia lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao,
Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao dia teneno mafy izy, koa raha mibebaka izy dia mamelà ny helony. Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hampisehoana ny Zanak’Olona. Amin’izany andro izany, izay eo an-tampon-trano ka ao an-trano ny entany, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin’izay efa nilaozany. Tsarovy ny vadin’i Lota. Na zovy na zovy mitady hiaro ny ainy dia hahavery azy ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahatana izany. Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany dia hisy roa lahy miray fandriana; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela. Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela, Hisy roa lahy any an-tsaha; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela. Dia nanontany Azy izy ireo hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran’ny faty dia any koa no hiangonan’ny voromahery. Ary raha manota aminao impito ao anatin’ny indray andro izy, ary mifona aminao impito kosa hoe: Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
Koa esory ny lolompo rehetra, ny fitaka rehetra, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana ary ny fanendrikendrehana rehetra,
Misy fitenin’ny ratsy fanahy tonga ato an-tsaiko; araka ny heviny dia tsy misy tokony hatahorana an’Andriamanitra.
Ataon’ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany, fa NY TOMPO no mandanja ny fanahy.
Ary raha manota ny rahalahinao dia mandehana anaro izy rehefa mitokana ianareo roa lahy. Raha mihaino anao izy dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao kosa izy dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa mba hohamafisina amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny teny rehetra (Deo 19.15). Ary raha tsy mety mihaino an’ireo izy dia ambarao amin’ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy dia aoka hataonao ho tahaka ny Jentilisa sy ny mpamory hetra.
araka ny voasoratra hoe: «Tsy misy marina na dia iray akory aza; tsy misy izay mahafantatra, tsy misy izay mitady an’Andriamanitra. Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza» (Sal 14.1-3).
Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana fiombonana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.
Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny sira no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ny olona. Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho fanazavana ho an’izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Koa vonoy izay momba ny tenanareo etỳ an-tany: Fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fitiavan-karena, izay fanompoan-tsampy.
Fa izaho dia saika nibolasitra ny tongotro; saika solafaka ny diako Tahaka ny anaovan’ny olona ny nofiny ho tsinontsinona dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik’ireny ho tsinontsinona, rehefa mifoha Ianao. Raha lotika ny foko ka voatsindrona ny voako dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, toy ny biby teo anatrehanao aho. Nefa izaho dia eo Aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako havanana Ianao. Ny saina omenao no itarihanao ahy ary rehefa afaka izany dia horaisinao ho amin’ny voninahitra aho. Iza no ahy any an-danitra? Ary tsy misy etỳ ambonin’ny tany iriko tahaka Anao. Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra. Fa indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao. Fa ny amiko dia ny manakaiky an’Andriamanitra no mahatsara ahy; Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, no nataoko fialofana, mba hitantarako ny asanao rehetra. satria nialona ny mpirehareha aho raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.
Tsy misy olona miantso ny anaranao na mifoha hifikitra Aminao. Fa efa nanafina ny tavanao taminay Ianao ka nandevona anay noho ny helokay.
Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy fo tena voasasa tamin’ny rano madio;
Ataon’ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany, fa NY TOMPO ihany no mpandanja ny fo.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy. Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.
Tamin’izany, raha niangona ny vahoaka betsaka, an’arivony maro, ka nifanitsa-kitro, dia niteny tamin’ny mpianany aloha Jesosy hoe: Mitandrema ianareo amin’ny masirasiran’ny Fariseo, dia ny fihatsarambelatsihy. Fa na zovy na zovy no hiteny hanohitra ny Zanak’Olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka. Ary raha entina ho ao amin’ny sinagoga sy ny mpitsara ary ny manampahefana ianareo dia aza manahy izay havalinareo na izay holazainareo; fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin’izany ora izany izay tokony holazainareo. Nisy olona iray teo amin’ny vahoaka niteny tamin’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko. Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara eo aminareo? Ary hoy Izy tamin’ny olona: Mitandrema ianareo ka miarova tena amin’ny fitiavan-karena; fa ny ain’ny olona dia tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany. Dia nilaza fanoharana taminy Izy hoe: Nahavokatra be ny tanin’ny lehilahy manankarena iray. Ary nihevitra tao am-pony izy hoe: Ahoana no hataoko fa tsy manana toerana hamoriako ny vokatro aho? Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitahirizako aho ka hanangana izay lehibe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako. Dia hilaza amin’ny fanahiko aho hoe: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia. Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. Fa Andriamanitra kosa niteny taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, koa ho an’iza izay zavatra noharìnao? Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manankarena ny amin’Andriamanitra. Hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Fa ny aina dia mihoatra noho ny hanina ary ny tena noho ny fitafiana. Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitahirizana, nefa Andriamanitra no mamelona azy ireny; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo? Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia hakiho iray aza? Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin’ny sisa? Hevero ny fanirin’ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia i Solomona teo amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny iray amin’ireny. Koa raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana? Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahiahy foana. Koa na inona na inona teneninareo ao amin’ny maizina dia ho re eo amin’ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin’ny efitrano dia hotorìna eny amin’ny tampon-trano.
Fa raha ny masonao havanana no mahatafintohina anao dia esory hiala izy ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na very aza ny ampahany iray amin’ny tenanao ka tsy ny tenanao manontolo no hariana any amin’ny afobe. Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Ary raha ny tananao havanana no mahatafintohina anao dia tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na very aza ny ampahany iray amin’ny tenanao ka tsy ny tenanao manontolo no ho lasa ho any amin’ny afobe.
Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ny mpiavonavona; aoka tsy hanapaka ahy ireny! Dia ho marina aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’izay fahadisoana lehibe.
Hoy aho anakampo: Samy hotsarain’Andriamanitra na ny marina na ny ratsy fanahy; fa samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra sy ny asa rehetra etỳ.
Koa amin’izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ry olona, na iza na iza ianao no mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. Voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an’ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin’ny Jiosy aloha, dia amin’ny Jentilisa koa! Fa tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra. Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; ary izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna. Satria tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina; fa na oviana na oviana ireo Jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna, araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo dia manana ny lalànan’ny tenany ihany; fa ireo dia maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony sady ny fieritreretany rahateo no vavolombelony, ary ny fisainany dia mifampiampanga na mifanafaka ihany koa. Izany no hiseho amin’ny andro izay hitsaran’Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ny olona, araka ny Filazantsara toriko amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Fa raha milaza tena ho Jiosy ianao ka mitoky amin’ny lalàna sy manao an’Andriamanitra ho reharehanao, raha mahalala ny sitrapony ianao sady mahay mamantatra izay zava-dehibe satria efa nampianarina ny lalàna, ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin’ny maizina, Nefa fantatsika fa ny fitsaran’Andriamanitra dia araka ny marina amin’izay manao toy izany. mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao dia manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana: Moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va ianao? Ianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao? Ianao izay miteny hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Ianao izay manao ny sampy ho fahavetavetana, mba mandroba tempoly ihany va ianao? Ianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’Andriamanitra ihany va ianao amin’ny andikanao ny lalàna? Fa araka ny voasoratra dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentilisa. Mahasoa ny famorana raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao dia tonga toy ny tsy voafora na dia efa voafora aza. Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan’ny voafora va izy na dia tsy voafora aza? Moa tsy hotsarain’ny tsy voafora izay mankatò ny lalàna va ianao izay mpandika ny lalàna na dia manana ny soratra sy ny famorana aza? Fa tsy ao amin’izay miseho ivelany no maha Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ny nofo no famorana; fa izay ao amin’ny miafina no maha Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy fa tsy amin’ny soratra; koa ireny dia tsy mandray dera avy amin’ny olombelona fa avy amin’Andriamanitra. Ary ianao, ry olona, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa heverinao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran’Andriamanitra ianao?
Sambatra izay olona matahotra mandrakariva! Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahazoantsika fihavanana no nihatra Taminy; ary ny dian-kapoka Taminy no nahasitranana antsika.
Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Koa amin’izany aoka ianareo ho tanteraka toy ny fahatanterahan’ny Rainareo izay any an-danitra.
Fa samy alaim-panahy ny olona raha tarihin’ny filany sy mety fitahiny. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?
Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana.
tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina.
Tsy izay rehetra miteny amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra. Maro no hilaza Amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? Tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà Amiko, ianareo tsy mpanao ny marina.
Fa tonga ny andro iantombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny tranon’Andriamanitra. Ary raha miantomboka amintsika izany dia hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy manaiky ny Filazantsaran’Andriamanitra?
Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andron’ny fahatanoranao, koa mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa hoentin’Andriamanitra hotsaraina ianao amin’izany rehetra izany.
Tsy mba hitoetra ao anatin’ny tranoko izay manao fitaka. Tsy mba hijanona eo anoloan’ny masoko izay milaza lainga.
Izany no nanoloran’Andriamanitra azy tamin’ny filan’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanalany voninahitra tamin’ny tenany avy; nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy fa tsy ny Mpanao izay isaorana mandrakizay! Amena!
Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha mba ho sitrana. Ny fiasan’ny vavaka ataon’ny marina dia tena mahery.
Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny rehetra tsy misy antony izay nataony.
Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina.
Hihaino Andriamanitra izay mipetraka amin’ny sezafiandrianany hatrizay hatrizay. Fiatoana. Hamaly ireo olona tsy miova toetra Izy, dia izay tsy matahotra an’Andriamanitra.
Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; horohoro no nahazo ny ratsy fanahy: Iza amintsika no hahatoetra ao amin’ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra ao amin’ny lelafo tsy mety maty?
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy, ny tonona sy ny tsoka sady mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’izay iafaran’ny ataontsika.
Ny fahitsian’ny mahitsy no mitari-dalana azy, fa ny faharatsian’ny mpivadika no mahatonga faharinganana amin’ny tenany.
Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: Tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny dia izaho no lohany.
Ny lalàna koa dia niditra mba hampitombo ny fahadisoana. Nefa teo amin’izay nitomboan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana ho be lavitra,
Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena isika, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo ny iafarany dia lalana mivarina any amin’ny fahafatesana.
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fitiavam-bola, dia aza avela hotononina eo aminareo akory, fa tsy mahamendrika ny olona masina, satria momba ny tenany isika. «Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24). Zavamiafina lehibe izany; milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana mantsy aho. Na izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy. na fahavetavetana, na resaka adaladala, na teniteny foana. Samy tsy tokony hatao, fa aleo teny fisaorana.
Amin’izany dia hiantso ianao ary hamaly NY TOMPO; eny, hanandratra ny feonao ianao ary hiteny Izy hoe: Inty Aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondro miampanga ary ny fitenenan-dratsy,
Ny fiandranandran’ny maso sy ny fiavonavon’ny fo, izay jiron’ny ratsy fanahy, dia ota.
Raha levon’ny afo ny asan’ny olona dia ho maty antoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany.
Aza ny fahotan’ny fahatanorako na ny ratsy nataoko no tsarovanao, fa aoka ho araka ny famindramponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao, TOMPO ô!
Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô, ary ampioreno fanahy vaovao ato anatiko. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. Ampodio amiko ny fifaliana amin’ny famonjenao ary tohàny fanahy mazoto aho!
Fa ny helokareo no mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo ka tsy mihaino Izy.
Hoy aho: Hitandrina ny lalako aho mba tsy hanota amin’ny lelako; hasiako fehiny ny vavako raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy. Ampanalaviro ahy ny kapoka avy Aminao; reraka aho azon’ny famelin’ny tananao. Fanasaziana noho ny fahadisoany no anitsianao ny olona ka manimba ny zavatra tiany tahaka ny ataon’ny kalalao Ianao. Eny, zava-poana tokoa ny olona rehetra. Fiatoana Henoy ny vavaka ataoko, TOMPO ô! Atongilano amin’ny fitarainako ny sofinao ary aza mangina amin’ny ranomasoko! Fa vahiny Aminao aho sady mpivahiny tahaka ny razako rehetra. Aza atrehinao aho aloha dia ho miramirana indray, dieny tsy mbola lasa aho ka tsy ho eto intsony! Nangina tsy niteny mihitsy aho, namihim-bava aho ka tsy nilaza na dia ny tsara aza, dia nihetsika mafy ny fanaintainako.
ary Izy no nitondra ny fahotantsika (Isa 53.12) tao amin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika fa ho velona ny amin’ny fahamarinana; ary «ny dian-kapoka taminy no nanasitranana anareo» (Isa 53.5).
Efa nania aho; tadiavo toy ny fitady ondry very ny mpanomponao, fa tsy mba hadinoiko ny didinao.
Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
Nahoana ianao no mijery ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsikaritrao akory? Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Aoka hesoriko ny singan’ahitra eo amin’ny masonao; nefa indro ny andry dia eo amin’ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, fa amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao.
Satria izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony fa tsy misy fizahan-tavan’olona.
Nefa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika satria fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy.
fa potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany, fa ny ratsy fanahy kosa dia solafaka raha azom-pahoriana.
Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony. Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra ary nanakaiky ny vavahadin’ny fahafatesana izy. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ireo raha ory ka nafahany tamin’izay nampahatahotra azy. Aoka hilaza izany ny navotan’NY TOMPO, dia izay navotany ho afaka tamin’ny tanan’ny fahavalo Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy ary nanafaka azy tao amin’ny lavaka nianjerany Izy.
Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy ary tamin’ny fahotana no notorontoronina ahy ny reniko.
Izay rehetra mitoetra ao Aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.