Iza moa no mpandainga raha tsy izay mandà fa Jesosy no Kristy? Izy no antikristy, dia ilay mandà ny Ray sy ny Zanaka (1 Jaona 2:22). Maro amintsika no efa nahare momba ny antikristy resahin’ny Baiboly, ary mety efa nahatonga fanontaniana maro tao anintsika izany. Voalaza ao fa amin’ny andro farany no hipoitra ity olona ity, hampiseho ny heriny ary hamitaka izay tsy miorim-paka amin’ny finoana, eny fa na ny olom-boafidy aza. Koa mila mailo sy malina isika, ary mahay manavaka ny marina sy ny diso, satria fantatsika fa misy ihany koa ny ratsy eto amin’izao tontolo izao, ary mila mahafantatra ny hafetsen’ny ratsy isika.
Noho izany, aoka isika samy hanamafy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ary hifikitra mafy amin’ny Teniny, mba tsy ho voafitaky ny fampanantenana poak’atin’ny antikristy. Ny fieritreretana momba ny antikristy dia tokony hampisaintsaina antsika momba ny finoantsika sy ny fanoloran-tenantsika ho an’Andriamanitra. Tokony handini-tena isika raha tena miorim-paka amin’ny fahamarinana tokoa, ary vonona hijoro ho vavolombelon’i Jesosy na dia ao anatin’ny fahoriana aza.
Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.
ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy dia tsy mba avy amin’Andriamanitra; ary izany no fanahin’ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy sady efa eo amin’izao tontolo izao sahady.
Rankizy, izao no ora farany. Araka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy sady maro ny antikristy no efa tonga sahady, dia izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao, ireny dia tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy. Izany no mpamitaka sy antikristy.
Nodinihiko ny tandroka ka indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary nongotana teo anoloan’io ny tandroka telo tamin’ireo taloha; ary indro, nanana maso toy ny mason’olona sy vava miteny zavatra feno avonavona izy.
Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azony atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.
Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azony atao izany.
Avy teto amintsika ihany no nialan’ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha toa ka namantsika izy dia ho nitoetra teto amintsika ihany; kanefa niala izy mba haseho fa tsy namantsika izy rehetra.
Ary hitako fa indro, nisy bibidia niakatra avy tao amin’ny ranomasina, nanana tandroka folo sy loha fito, ary tamin’ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin’ny lohany dia nisy anarana miteny ratsy.
fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy.
Aza mety hofitahin’olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana ka hiseho ilay lehilahin’ny ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka mipetraka eo amin’ny tempolin’Andriamanitra ary milaza ny tenany ho Andriamanitra.
Ny bibidia izay hitako dia tahaka ny leoparda, ny tongony dia tahaka ny an’ny bera, ary ny vavany dia tahaka ny vavan’ny liona. Nomen’ilay dragona azy ny heriny sy ny sezafiandrianany ary fahefana lehibe. Ary ny lohany iray dia toa voa ka efa ho faty, nefa sitrana ihany ilay fery saika nahafaty azy. Dia gaga ny tany rehetra ka nanaraka ilay bibidia.
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao.
Aza mety hofitahin’olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana ka hiseho ilay lehilahin’ny ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,
Hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sady hampahory ny olo-masin’ny Avo Indrindra ary hitady hanova ny fotoana sy ny lalàna. Hatolotra eny an-tanany ireo, ambara-pahatapitry ny fetrandro iray sy ny fetrandro roa ary ny antsasaky ny fetrandro.
Dia nomena lela miteny zavatra mihoa-pampana sy fitenenan-dratsy izy ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efapolo volana. Dia nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo monina any an-danitra.
Hanao araka izay sitrapony ny mpanjaka ka hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra, ary hiteny zavatra mahagaga manohitra ny Andriamanitry ny andriamanitra; hahomby amin’izany ihany izy mandra-pahatanteraka ny fahatezerana, satria izay efa voatendry ihany no tsy maintsy hitranga.
Ary tsy mahagaga izany, fa i Satana aza dia mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zava-dehibe ho an’ny mpanompony ny mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana. Nefa ny fiafaran’izy ireo dia ho araka ny asany ihany.
Ary navela hiady tamin’ny olona masina izy ka haharesy azy. Nomena fahefana tamin’ny fokom-pirenena, ny vahoaka, ny samihafa fiteny ary ny firenena rehetra izy.
Ary navela hanisy aina ny sarin’ny bibidia izy mba hahay miteny ny sarin’ny bibidia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan’ny sarin’ny bibidia.
Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manankarena na ny malahelo, na ny olona afaka, na ny andevo, dia ampandraisiny marika avokoa eo amin’ny tanany havanana na eo amin’ny handriny mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ny bibidia, na ny isa milaza ny anarany.
Ary ny hiafaran’ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masiaka tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina. Ho be ny heriny, nefa tsy amin’ny herin’ny tenany; mahagaga ny fanimbana hataony; hahomby amin’izay hataony izy ary handringana ny mahery sy ny olo-masina. Ny hafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary hiavonavona am-po izy ka handringana ny maro tsy manampo na inona na inona; ary hitsangana hanohitra ny Mpanjakan’ny mpanjaka izy; kanjo kosa ho torotoro, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona.
Hanao fanekena mafy orina amin’ny maro mandritra ny herinandro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa mandritra ny antsasaky ny herinandro; eo ambonin’ny elatry ny fahavetavetana no hiavian’ny mpandrava, mandra-pahatanteraka ny fandravana voatendry, izay hamely ny mpandrava ihany.
Ary nosamborina ilay bibidia mbamin’ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay noentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibidia sady miankohoka eo anoloan’ny sariny. Natsipy velona ho any amin’ny farihy afo mirehitra solifara izy roa.
Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ny farihy afo sy solifara izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijaliana andro aman’alina mandrakizay mandrakizay ireo.
Fa amin’izay dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’i Jesosy Tompo amin’ny fofonain’ny vavany ary hofoanany amin’ny famirapiratan’ny fiaviany.
Eny, nihalehibe izy ka niady tamin’ny komandin’ny tafika; nesorina taminy ny fanatitra isanandro ary noravana ny fitoerana masina.
Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ny fahavetavetan’ny fandravana, izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany (Dan 12.11; 9.27), aoka hisaina izay mamaky izany,
Fa rehefa hitanareo mitsangana eo amin’izay tsy tokony hitsanganany «ilay mpandrava mahatsiravina» (Dan 12.11; 9.27), aoka hisaina izay mamaky izany, dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia;
Ny bibidia, ilay hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao. Hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka lasa ho any amin’ny fandringanana. Ary ny monina ambonin’ny tany, dia izay tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibidia izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray.
Ary ny tandroka folo izay hitanao dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana fa mandray fahefana ho toa mpanjaka izy ireo, ora iray monja, miaraka amin’ny bibidia. Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibidia.
Hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isanandro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana.
Tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ilay tian’ny vehivavy manokana; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra fa hanandra-tena noho izy rehetra izy. Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; volamena, volafotsy, vatosoa sy zavatra mahafinaritra no hoentiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany. Miaraka amin’ny andriamanitra hafa izy no hamely ny manda fiarovana mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra sady hataony mpanapaka ny maro ka hozarainy aminy ny tany ho valisoa.
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao. Izao no fitiavana: Tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra fa ny nitiavany antsika ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika. Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika dia mba tokony hifankatia kosa isika. Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany. Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao Aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny. Ary izahay dia efa nahita ka manambara fa ny Ray no naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. Na iza na iza manaiky fa Zanak’Andriamanitra Jesosy dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’Andriamanitra. Ary isika dia mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana, ary izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra ary Andriamanitra ao aminy. Izany no ahatanterahan’ny fitiavana amintsika, mba hananantsika toky amin’ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin’izao tontolo izao. Tsy misy tahotra ao amin’ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka dia mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana. Isika tia satria Izy no tia antsika voalohany. Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’Andriamanitra;
Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay Ratsy avokoa.
Fa izy ireny dia tsy mba manompo an’i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary amin’ny teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ny tsy ary saina.
Ary hitako fa indreo, fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin’ny vavan’ilay dragona sy tamin’ny vavan’ilay bibidia ary tamin’ny vavan’ilay mpaminany sandoka. Fa fanahin’ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra manerana izao tontolo izao, mba hamory azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha!
Ary nandeha ny voalohany dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny tany. Dia nisy vay ratsy sady mampanaintaina tamin’ny olona izay nanana ny mariky ny bibidia sy niankohoka teo anatrehan’ny sariny.
Ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin’izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.
Koa izany no andefasan’Andriamanitra fiasan’ny fahadisoan-kevitra aminy ka inoany ny lainga mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina fa nankasitraka ny tsy marina.
Ary nazera ilay dragona lehibe, dia ilay menarana tranainy, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; nazera tamin’ny tany izy ary ny anjeliny koa dia niaraka nazera taminy.
Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin’ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry izay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.
Hisy olona famingavinga indray hitsangana handimby io, izay tsy homena ny voninahitra amin’ny fitondram-panjakana; fa hiditra mangingina izy ka hahazo ny fanjakana amin’ny hafetsena,
Ary haoriny eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny tranolainy izay lapany, nefa ho tonga ao amin’izay hiafarany ihany izy ka tsy hisy hamonjy azy.
Nihalehibe izy ka tonga hatreo amin’ireo tafika eny amin’ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin’ny tany ny tafika sy ny kintana ka nohitsakitsahiny.
Ary hatramin’ny andro hampitsaharana ny fanatitra isanandro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roanjato sy arivo.
Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andron’ny fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany.
Koa raha misy miteny aminareo hoe: Indro, atỳ Kristy, na: Indro, arỳ Izy, aza mino izany ianareo. Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azony atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.
Ary hitako ilay bibidia sy ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny miaramilany tafangona mba hiady amin’Ilay mitaingina ny soavaly sy amin’ny miaramilany. fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony. Nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy, dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany. Ary nosamborina ilay bibidia mbamin’ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay noentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibidia sady miankohoka eo anoloan’ny sariny. Natsipy velona ho any amin’ny farihy afo mirehitra solifara izy roa.
Ary hitako fa indro, nisy soavaly fotsy. Izay nitaingina azy dia nitondra tsipìka; ary nomena satroboninahitra izy; dia niainga izy ka nandresy ary mba handresy.
Ary manana ny anjelin’ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin’ny teny hebreo dia Abadona, fa amin’ny teny grika kosa dia Apoliona, na Mpandringana.
Dia hoy Izy: Mitandrema fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin’ny anarako sady hilaza hoe: Izaho no Izy, ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.
Fa ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka kosa dia handroso hiharatsy kokoa; sady mamitaka izy no fitahina.
Fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fahefana ary amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.
Manao famantarana lehibe izy ka mampidina afo avy any an-danitra ho amin’ny tany eo imason’ny olona aza. Mamitaka izay monina ambonin’ny tany izy amin’ny famantarana izay nomena azy hatao eo imason’ny bibidia sady milaza amin’izay monina ambonin’ny tany koa mba hanao sarin’ny bibidia izay voan’ny sabatra, nefa velona ihany.
Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo ampovoan’ny amboadia; koa hendre tahaka ny bibilava ary aoka ho tsotra tahaka ny voromailala.
Fa nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hampiditra fampianaran-diso an-tsokosoko mahavery ary mitondra azy handa ny Tompo izay nanavotra azy aza. Hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ny tenany izany.
Noho ny fahotana dia natolotra azy ny tafika mbamin’ny fanatitra isanandro ary nazeran’ny tandroka ho amin’ny tany ny fahamarinana. Ary nahomby tamin’izay nataony izy.
Amin’ny fotoana voatendry dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany dia tsy ho toy ny voalohany; Hisy mpanjaka mahery hitsangana ka hanapaka amin’ny fahefana lehibe sady hanao araka izay sitrapony. fa ho avy hamely azy ny sambon’i Kitima; dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin’ny fanekena masina; eny, hiverina izy ka hifanaraka indray amin’ireo efa mahafoy ny fanekena masina.
Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany dia niady tamin’ny olo-masina ka naharesy azy
Ho be ny heriny, nefa tsy amin’ny herin’ny tenany; mahagaga ny fanimbana hataony; hahomby amin’izay hataony izy ary handringana ny mahery sy ny olo-masina.
Raha misy mamabo dia mba hobaboina izy; ary raha misy mamono amin’ny sabatra dia tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan’ny olona masina.
ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka mipetraka eo amin’ny tempolin’Andriamanitra ary milaza ny tenany ho Andriamanitra.
Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano.
Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny izy dia amboadia ta hamiravira.
Ary tonga ny anjely iray tamin’izy fito izay nitana ny lovia fito dia niteny tamiko hoe: Avia atỳ, dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe izay mipetraka eny ambonin’ny ranobe. Mpanjaka fito koa ireo: Efa lavo ny dimy fa ny iray dia mbola eo ihany, ary ny iray koa dia mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy dia tsy maintsy mitoetra kelikely. Ary ny bibidia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman’ny fito maha valo azy ka lasa ho any amin’ny fandringanana. Ary ny tandroka folo izay hitanao dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana fa mandray fahefana ho toa mpanjaka izy ireo, ora iray monja, miaraka amin’ny bibidia. Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibidia. Ireo dia hiady amin’ny Zanak’ondry, ary ny Zanak’ondry dia haharesy azy, satria Tompon’ny tompo Izy ary Mpanjakan’ny mpanjaka, ary handresy azy koa izay momba Azy, dia olona voaantso sy voafidy ary mahatoky. Ary hoy izy tamiko: Ny rano hitanao izay ipetrahan’ilay vehivavy janga, dia olona, vahoaka betsaka, ary firenena maro ary samihafa fiteny. Ny tandroka folo sy ny bibidia izay hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hanao azy ho tsinontsinona sy hampitanjaka azy, hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo. Fa Andriamanitra nanome fo azy ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an’ilay bibidia, mandra-pahatanteraka ny tenin’Andriamanitra. Ary Ravehivavy, ilay hitanao, dia ny tanàna lehibe, izay manjaka amin’ny mpanjakan’ny tany. Taminy no nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany sady nahamamo ny mponina tamin’ny tany tamin’ny divain’ny fijangajangany.
ary ny fahazavan’ny jiro dia tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon’ny mpampakatra sy ny ampakarina dia tsy ho re eo aminao intsony satria ny mpivaro-mandeha teo aminao no lehiben’ny tany ary ny ody ratsinao no noentinao namitaka ny firenena rehetra;
Ary ny hiafaran’ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masiaka tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina.
Ianao kosa, ry Daniela, dia tano ho tsiambaratelo ny teny ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-piavin’ny andro farany. Maro no hazoto mikaroka ka hitombo fahalalana.
Ny hafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary hiavonavona am-po izy ka handringana ny maro tsy manampo na inona na inona; ary hitsangana hanohitra ny Mpanjakan’ny mpanjaka izy; kanjo kosa ho torotoro, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona.
Ireo dia hiady amin’ny Zanak’ondry, ary ny Zanak’ondry dia haharesy azy, satria Tompon’ny tompo Izy ary Mpanjakan’ny mpanjaka, ary handresy azy koa izay momba Azy, dia olona voaantso sy voafidy ary mahatoky.
Ary rehefa tanteraka ny fanambaràny dia hiady aminy ilay bibidia miakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.
Fa miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery ianareo ka ho afa-mandositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’Olona.
Fa fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka milaza hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza.
Amin’ny filana harena maloto sy ny teny mamitaka no hivarotany anareo. Ho an’ireny olona ireny dia efa hatry ny ela no niasa ny fitsarana azy ary tsy matoritory ny fahaverezany.
Fa efa nilaza taminareo izy hoe: Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filany sy ny haratsiam-panahiny.
Tsy izay rehetra miteny amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra. Maro no hilaza Amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? Tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà Amiko, ianareo tsy mpanao ny marina.
Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa tebiteby, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? Araka ny voasoratra hoe: «Fa noho ny aminao no amonoana anay mandritra ny andro; toy ny ondry hovonoina no niheverana anay» (Sal 44.22). Kanefa amin’izany rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Aza mety fitahin’olona amin’ny teny foana ianareo fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny olona tsy mankatò.
Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo, toy ny hoe misy zava-mahagaga manjo anareo. Fa mainka mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy mba hifalianareo sy hiravoravoanareo koa amin’ny fisehoan’ny voninahiny.
Fa ianareo, ry rahalahy, dia tsy ao amin’ny maizina ka hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ny alina na an’ny maizina isika. Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika fa aoka hiambina ka hahonon-tena.
Fa milaza marina ny Fanahy fa amin’ny andro farany dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany ka hanaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia,
Fa misy olona sasany niditra an-tsokosoko, izay efa voasoratra hatry ny ela ho amin’izany fanamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fanaranam-po amin’ny ratsy sady mandà ny Andriana tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
Herinandro fitopolo no voatendry ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina, hampijanonana ny fahadisoana sy hampitsaharana ny fahotana, hanaovana fanavotana noho ny heloka sy hampidirana fahamarinana mandrakizay, mba hasiana tombo-kase ny fahitana sy ny mpaminany, ary hatao ny fanosorana olona iray izay masina indrindra. Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’ny fanosorana mpanapaka iray dia misy herinandro fito. Mandritra ny roa amby enimpolo herinandro no hanamboarana indray ny lalana sy ny hady, kanefa ao anatin’ny tebiteby. Rehefa afaka ny roa amby enimpolo herinandro dia hovonoina ny lehilahy voahosotra iray ka tsy hisy hiaro azy; ary ny vahoakan’ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanàna sy ny fitoerana masina; ary ny fiafarany dia ho avy toy ny tondra-drano; hatramin’ny faran’ny ady dia hisy fandravana voatendry. Hanao fanekena mafy orina amin’ny maro mandritra ny herinandro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa mandritra ny antsasaky ny herinandro; eo ambonin’ny elatry ny fahavetavetana no hiavian’ny mpandrava, mandra-pahatanteraka ny fandravana voatendry, izay hamely ny mpandrava ihany.
Ary niankohoka teo anoloan’ilay dragona ny olona satria izy no nanome ny fahefana ho an’ny bibidia; niankohoka teo anoloan’ny bibidia ny olona ka niteny hoe: Iza no tahaka ny bibidia? Ary iza no mahay miady aminy?
Fa aoka ho fantatrao izao: Any am-parany any dia hisy andro sarotra. Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny fisainako, ny finoako, ny fahari-poko, ny fitiavako, ny faharetako, ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Listra. Inona no fanenjehana izay tsy niaretako! Nefa ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany. Eny, izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy dia henjehina. Fa ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka kosa dia handroso hiharatsy kokoa; sady mamitaka izy no fitahina. Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao satria fantatrao izay nampianatra anao izany; fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra. Ny olona dia ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy mahay mankasitraka, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahafehy tena, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra; manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izy nefa mandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
Mbola nijery ihany aho noho ny feon’ny teny feno avonavona notenenin’ilay tandroka; raha mbola nijery aho dia novonoina ilay biby ka nolevonina ny tenany ary natao tao amin’ny afo mirehitra.
Tahaka ny tamin’ny andron’i Noa dia hisy toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’Olona: Nihinana ny olona, nisotro, nampaka-bady, navoaka hampakarina, mandra-piavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara, dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra. Tahaka ny tamin’ny andron’i Lota koa: Nihinana ny olona, nisotro, nividy, nivarotra, namboly, nanangana trano; fa tamin’ny andro izay nialan’i Lota avy tao Sodoma dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao dia teneno mafy izy, koa raha mibebaka izy dia mamelà ny helony. Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hampisehoana ny Zanak’Olona.
Fa Andriamanitra nanome fo azy ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an’ilay bibidia, mandra-pahatanteraka ny tenin’Andriamanitra.
Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky, efa eo am-baravarana Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho tapitra izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.
Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
Ary nandre feo iray hafa koa avy tany an-danitra aho niteny hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.
Rehefa afaka izany dia nahare ohatra ny feon’ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho niteny hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’Andriamanitsika Dia niankohoka teo amin’ny tongony aho mba hivavaka taminy. Kanefa hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao! Fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ireo rahalahinao izay mitana ny fanambaràna an’i Jesosy. Andriamanitra ihany no ivavaho! Fa ny fanambaràna an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana. Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, koa indro, nisy soavaly fotsy. Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. Ny masony dia toy ny lelafo ary tamin’ny lohany nisy diadema maro; ary Izy dia manana anarana voasoratra izay tsy misy mahafantatra afa-tsy ny tenany ihany ary miakanjo akanjo voafafy ra Izy. Ny anarany dia atao hoe ny Tenin’Andriamanitra. Ary ny antokon’ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy dia hitondra azy amin’ny tehim-by; ary Izy no manitsakakitsaka ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha. Ary manana anarana voasoratra amin’ny lambany sy ny feny Izy hoe: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Ary hitako fa indro, nisy anjely iray koa nijoro teo amin’ny masoandro, ary niantso tamin’ny feo mahery izy ka niteny tamin’ny voromanidina rehetra teo afovoan’ny habakabaka hoe: Avia ka miangòna ho amin’ny fanasana lehibe ataon’Andriamanitra mba hihinananareo ny nofon’ny mpanjaka, ny nofon’ny mpifehy arivo, ny nofon’ny mahery, ny nofon’ny soavaly mbamin’izay mitaingina azy ary ny nofon’ny olona rehetra, na olona afaka, na andevo, na kely na lehibe. Ary hitako ilay bibidia sy ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny miaramilany tafangona mba hiady amin’Ilay mitaingina ny soavaly sy amin’ny miaramilany. fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony. Nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy, dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany.
Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsy fahamarinan’ny olona izay mangeja ny marina amin’ny tsy fahamarinana; fa izay fantatra ny amin’Andriamanitra dia miseho ao am-pon’ireny, satria nasehon’Andriamanitra taminy izany. izay nampilazainy mialoha tamin’ny alalan’ny mpaminany tao amin’ny Soratra Masina; Fa ny fombany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka fantatra sy hita amin’ny zavatra nataony, hany ka tsy manan-kalahatra ireo.
Dia hanomboka ny fitsarana ary hesorina ny fahefany ka horavana sy hosimbana hatramin’ny farany izy. Ary ny fanjakana sy ny fahefana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ny Avo Indrindra. Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny manamboninahitra rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.
raha izany rehetra izany dia hain’ny Tompo ny hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fizahan-toetra sy ny hitahirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana,
Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
Fa tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo izahay, ry rahalahy malalan’ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ny voalohany mba hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy sy ny finoana ny marina ianareo sady ho amin’izany koa no niantsoany anareo tamin’ny Filazantsara torinay mba hahazoanareo ny voninahitr’i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa tomoera tsara, ry rahalahy, dia hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin’ny teninay na tamin’ny epistilinay.