Mampahonena fo tokoa ny mamapaka dina, ka mahatera-bato sy mampalahelo izay iharan'izany. Amin'izao fotoana izao dia efa miha-mahazatra ny fivadihana, toa very hasina ny fanajana sy ny fahatokiana. Toa ampirisihin'ny tontolo izao isika hino fa efa lany andro ny fahatokiana, nefa mampalahelo an'Andriamanitra izany.
Amin'izao andro farany izao, ny hany fomba ahafahana manohitra ny fakam-panahy sy ny famelezan'ny fahavalontsika dia ny fananana fifandraisana akaiky amin'ny Fanahy Masina. Fahotana eo imason'Andriamanitra ny fivadihana, ary fahotana amin'ilay olona iarahanao koa, ary amin'i Jesosy Kristy.
Tokony hohajaina ny fo, ny maso ary ny sofina, ialana ireo lalana mitondra any amin'ny fahaverezana ary tokony hangataka fanampiana raha sendra tratran'ny fakam-panahy amin'ny fivadihana. Andriamanitra no nanao ny fanambadiana ho mandra-pisarahan'ny fahafatesana, fa tsy ny fitaka na ny teti-dratsin'ny devoly no hamarana azy.
Raha toa ka tratran'ny fakam-panahy amin'ny fivadihana ianao, manatòna an'Andriamanitra, mangataha famelan-keloka ary mitadiava fanampiana amin'ireo olona matotra ara-panahy mba hivavaka ho anao. Amin'izay ianao vao afaka hiaina ny fisehoan'ny voninahitry ny Fanahy Masina, hamonjy ny fiainanao sy ny fiarahanareo.
Efa renareo fa voalaza hoe: «Aza mijangajanga.» (Eks 20.14) Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Izay mijangajanga amin’ny vehivavy dia tsy ampy saina; izay ta hanimba tena no manao izany.
Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.
Ry mpijangajanga! Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra izy.
Fa ny molotry ny vehivavy janga dia mitete toy ny tantely avy amin’ny tohotra, ary ny vavany dia malama noho ny diloilo; nefa ny farany dia mafaitra toy ny zava-mangidy, ary maranitra toy ny sabatra roa lela. Ny tongony dia midina ho any amin’ny fahafatesana, ary ny diany mizotra ho any amin’ny fitoeran’ny maty.
Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakàna vadin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny fiampangana lainga, ny fitenenan-dratsy;
Dia hoy Izy taminy: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga eo anatrehan’ilay voalohany izy. Ary raha ny vehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa dia mijangajanga izy.
Aoka tsy hivily ho any amin’ny lalany ny fonareo ary aza mania ho amin’ny alehany. Fa betsaka no naripany ka maty, ary ny mahery indrindra aza dia matiny avokoa. Ny tranony dia lalana mankany amin’ny fitoeran’ny maty, eny, midina ho any amin’ny efitranon’ny fahafatesana.
Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô, ary ampioreno fanahy vaovao ato anatiko. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.
Ary hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, rehefa izy no fandrika ary harato ny fony, sady famatorana ny tanany; nefa izay olona ankasitrahan’Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy fa ny mpanota ihany no ho azony.
Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka nianiana tamin’izay tsy Andriamanitra; novokisako izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohotra niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga. Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin’izay tiany, samy naneno tamin’ny vadin’ny namany avy.
Mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, ary mitsiriritra trano koa ka mahazo azy; mampahory ny raim-pianakaviana mbamin’ny ankohonany izy, dia ny olona mbamin’ny lovany.
Fa Izy namaly hoe: Tsy mbola novakinareo va, fa izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen 1.27), hoy koa Izy: Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; dia ho nofo iray ihany izy roa (Gen 2.24), koa tsy roa intsony izy fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hosarahin’olona.
Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin’ny lalàna amin’ny lahy raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka amin’ny lalànan’ny fanambadiana izy. Fa raha ny tsy sitrako no ataoko dia tsy izaho intsony no manao izany fa ny ota izay mitoetra ato amiko. Koa hitako izao lalàna izao: Raha ta hanao ny marina aho dia ato amiko ihany ny ratsy. Mankasitraka ny lalànan’Andriamanitra anefa aho araka ny maha olona ahy ato anatiko; saingy mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho; izy io dia miady amin’ny lalànan’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalànan’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako. Indrisy! Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity? Misaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika aho! Koa raha ny amiko dia andevon’ny lalànan’Andriamanitra aho amin’ny saiko, fa ny lalànan’ny ota kosa amin’ny nofoko. Koa raha mbola velona ny lahy ka manambady olon-kafa Ravehivavy dia holazaina hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka amin’izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga na dia manambady olon-kafa aza.
Ny vehivavy mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon’ny vadiny! Ny vehivavy janga rehetra dia omena karama maloto; fa ianao kosa dia manome karama ireo mpitia anao rehetra sady manome azy kolikoly hanatonany anao avy any rehetra any mba hijangajangany aminao. Hafa noho ny an’ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin’ny fijangajanganao, fa tsy nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome karama maloto ianao, fa tsy mba nomena, dia izany indrindra no maha hafa anao.
hanafaka anao amin’ny vehivavy jejo koa izany, dia amin’ny vehivavy janga izay mandokadoka amin’ny teniny, izay mahafoy ny sakaizan’ny fahatanorany sy manadino ny fanekena nataony tamin’Andriamaniny;
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray; fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany.
Tahaka izany koa ny fanaon’ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy dia mamafa ny vavany ka miteny hoe: Tsy nanao izay ratsy aho!
Fa NY TOMPO efa nampody anao, dia ianao izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy. Vadin’ny fahatanorana va dia azo apetraka? hoy Andriamanitrao.
Koa vonoy izay momba ny tenanareo etỳ an-tany: Fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fitiavan-karena, izay fanompoan-tsampy.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy.
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na amin’ny fitondrantena tsy mendrika, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana.
Ny marina dia mitari-dalana ny namany, fa ny alehan’ny ratsy fanahy kosa no mampivily lalana azy.
Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ny masoko aho; halako ny fanaon’ny mpivadika, tsy ho azon’izany aho.
Nanatsoaka ny sabany ny ratsy fanahy ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny mahantra ary hamono ny mahitsy lalana.
Fa aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra na mpanao ratsy na mpitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa.
Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao.
Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin’olona sy ny mpijangajanga!
fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana,
Fa ny nanoratako taminareo dia ny mba tsy hiharoharoanareo amin’izay atao hoe rahalahy kanefa mpijangajanga, na fatra-pitia harena, na mpanompo sampy, na mpanala baraka olona, na mpimamo, na mpanao an-keriny. Aza miara-mihinana akory amin’ny olona toy izany ianareo.
Hoy Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy: Nahoana ianao no mitanisa ny lalànako sy mitondra ny fanekeko eo am-bavanao? Nefa ianao dia mankahala fananarana sady arianao any ivohonao ny teniko!
Aza manozona ny mpanjaka na dia amin’ny eritreritrao aza ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin’ny efitrano fandrianao aza; fa na dia ny voromanidina aza ange ka hitondra ny feo ary na dia ny manana elatra aza dia hanambara ny teny.
Dia nisy Fariseo nanatona sady naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy na inona na inona antony? Nefa maro izay voalohany no ho farany ary izay farany no ho voalohany. Fa Izy namaly hoe: Tsy mbola novakinareo va, fa izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen 1.27), hoy koa Izy: Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; dia ho nofo iray ihany izy roa (Gen 2.24), koa tsy roa intsony izy fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hosarahin’olona. Hoy ireo Taminy: Nahoana ary i Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy (Deo 24.1)? Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny hamafin’ny fonareo no namelan’i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin’ny voalohany dia tsy mba toy izany. Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.
Ny manambady dia izao no andidiako azy, nefa tsy izaho fa ny Tompo: Aoka tsy hisaraka amin’ny lahy ny vavy nefa raha misy efa nisaraka dia aoka hitoetra tsy manambady izy, na aoka hody amin’ny lahy; ary aoka ny lahy tsy hisaraka amin’ny vavy.
Fa halako ny fisaoram-bady, hoy NY TOMPO, Andriamanitr’Israely, halako ny fanosihosena ny fitafiany amin’ny fampahoriana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Koa tandremo ny fanahinareo ary aza mamitaka ianareo.
Noho izany dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny dia ho nofo iray ihany izy roa.
koa tsy roa intsony izy fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hosarahin’olona.
Toy izany koa ianareo lehilahy, tandrovy tsara ny fiarahanareo amin’ny vavy, amin’ny fanajana azy araka ny maha fanaka malemy kokoa azy, sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana aminareo izy, mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
Raha tsy NY TOMPO no manorina ny trano dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy NY TOMPO no miambina ny tanàna dia miari-tory foana ny mpiambina.
Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
dia tanteraho ny fifaliako, amin’ny firaisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra; Fa tsy manana olona mitovy firehana amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. Ny hafa rehetra dia samy mitady ny azy avy fa tsy ny an’i Jesosy Kristy; izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra satria efa niara-nanompo tamiko tamin’ny Filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy. Ary izy no antenaiko hirahina haingana, rehefa hitako mazava ny momba ahy. Nefa matoky ao amin’ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy haingana koa. Nihevitra koa aho fa tokony hampandehaniko hankaty aminareo i Epafrodito rahalahiko sady mpiray asa amiko no mpiantafika namako ary Apostoly nirahinareo hanompo sy hanome ahy izay nilaiko. Koa satria manina anareo rehetra izy dia difotra alahelo nony fantany fa renareo ny naharariany. Eny, narary saika maty tokoa izy; nefa namindra fo taminy Andriamanitra, ary tsy taminy ihany fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho. Izany no nampahazoto ahy haniraka azy mba hifalianareo amin’ny fahitana azy indray, ary mba ho maivana kokoa ny alaheloko. Koa raiso ao amin’ny Tompo amin’ny fifaliana feno izy, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany, tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena. satria efa saika maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy. Aza samy mihevitra ny azy ihany fa aoka samy hihevitra ny an’ny namany koa.
Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny dia aoka izy hanome an-dRavehivavy taratasy fisaoram-bady (Deo 24.1). Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra dia mijangajanga.
Fa amin’ny sisa dia hoy aho fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manambady tsy mino ary manaiky hitoetra aminy ihany ny vavy dia aoka tsy hisaraka aminy izy. Raha misy vehivavy manambady tsy mino, ary manaiky hitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hisaraka aminy izy. Fa ny lahy tsy mino dia efa nohamasinina ao amin’ny vavy, ary ny vavy tsy mino dia efa nohamasinina ao amin’ny rahalahy; raha tsy izay dia tsy madio ny zanakareo, kanefa masina izy. Fa raha ny tsy mino no te hisaraka dia aoka izy hisaraka. Na ny rahalahy na ny anabavy dia tsy voafehy amin’izany; fa Andriamanitra efa niantso anareo amin’ny fihavanana.
«Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24).
Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.
Fa Izy namaly hoe: Tsy mbola novakinareo va, fa izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen 1.27), hoy koa Izy: Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; dia ho nofo iray ihany izy roa (Gen 2.24),
Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny hamafin’ny fonareo no namelan’i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany.
Iza no mahita vehivavy mahafatra-po? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. Matoky azy ny fon’ny lahy ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. Soa no ataon-dRavehivavy aminy fa tsy ratsy, amin’ny andro rehetra iainany.
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.
Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.
Voafehin’ny lalàna ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka hanambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Efa nania aho; tadiavo toy ny fitady ondry very ny mpanomponao, fa tsy mba hadinoiko ny didinao.
Ary nampandroso an’i Rebeka ho ao an-dain’i Saraha reniny Isaka ka nampakatra azy ho vadiny. Tia azy izy ka nionona ny alahelony ny reniny.
Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Ny fitiavana dia tsy manisy ratsy ny namana; koa ny fitiavana no fanatanterahana ny lalàna.
Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy. Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.
Fa amin’ny fitsanganan’ny maty dia tsy mba hisy olona hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
Fa milaza marina ny Fanahy fa amin’ny andro farany dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany ka hanaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia,
dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany andro izany, dia hozahan-toetra amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra.
Ary araka ny niheverany ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy mendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny fisainana tsy mahamendrika ka hanaovany izay zavatra tsy fanao;
Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany. Ny Iray Masin’ny Israely no Mpanavotra anao. Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.
Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara, fa «ny fitiavana no manarona fahotana maro» (Oha 10.12).
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra dia mijangajanga.
Izay rehetra misao-bady ka mampakatra hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.
Fa sombi-mofo iray ihany dia ahazoana vehivavy janga iray, nefa ny vehivavy manambady kosa dia mamandrika aina sarobidy.
Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Raha misy lehilahy fantatra fa mandry amin’ny vehivavy vadin’olona dia samy hovonoina izy roa, na Ralehilahy izay nandry tamin-dRavehivavy, na Ravehivavy; satria hofongoranao tsy ho eo amin’ny Israely ny fanao ratsy.
Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Israely mpikomy ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangany dia tsy nety natahotra i Joda mpivadika rahavaviny fa nandeha nijangajanga koa.
Nijangajanga tamin’ny zanak’i Ejipta be nofo izay mifanila fonenana ianao; nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy.