Biblia Todo Logo
Andininy ao amin’ny Baiboly
- dokam-barotra -


105 Andininy ao amin'ny Baiboly momba ny maha-Andriamanitra an'i Kristy

105 Andininy ao amin'ny Baiboly momba ny maha-Andriamanitra an'i Kristy

Indray andro, dia mba eritrereto ange e! Jesosy nanao zavatra sy niteny toa an’Andriamanitra ihany. Tsy izay ihany fa Izy koa niantso ny tenany tamin’ny fomba maneho fa Andriamanitra Izy.

Dia noheveriko koa hoe, omena voninahitra sy fanjakana ary fahefana Izy, mba hanompo Azy ny firenena sy ny olona rehetra, na aiza na aiza misy azy. Ho mandrakizay ny fanjakany, tsy ho foana mihitsy! Tsy ho rava mandrakizay!

Tonga saina tamiko ny voalaza ao amin’ny bokin’i Daniela (Daniela 7:13-14) hoe: “Nahita aho tao amin’ny fahitako tamin’ny alina, ary, indro, nisy tahaka ny Zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra; ary dia nankeo amin’ny Fahagola andro izy ka naterina teo anatrehany. Dia nomena azy ny fanjakana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy ny firenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny rehetra; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, izay tsy ho lasa, ary ny fanjakany tsy ho rava.” Dia Izy io, ilay Zanak’olona resahina ao amin’io fahitan’i Daniela io, no Jesosy, Ilay nomena fahefana mandrakizay, tsy hifarana mihitsy.


Kolosiana 2:9

Fa ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 8:58

Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary i Abrahama dia efa Izy Aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 20:28

Dia namaly i Tomasy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 1:1

Tamin’ny voalohany ny Teny ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra; ary ny Teny dia Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 14:33

Ary izay tao an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka niteny hoe: Marina fa Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 1:6

Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin’izao fiainana izao Izy dia niteny hoe: «Ary aoka ny anjelin’Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany» (Sal 97.7).

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 10:30

Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 2:2

Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy? Fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 10:38

Fa raha manao ny asany ihany kosa Aho, na tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato Amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 1:14

Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina teto amintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray sady feno fahasoavana sy fahamarinana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 14:9

Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no itenenanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 28:9

Nefa indro Jesosy nifanena taminy sady niteny hoe: Finaritra. Ary nanatona izy ireo dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 1:8

Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: «Ny sezafiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; ary ny tehin’ny fahitsiana no tehim-panjakanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 5:18

Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho Izy nandika ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy sady nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 1:23

«Indro ny virijiny hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany dia hataon’ny olona hoe: Imanoela» (Isa 7.14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 28:18

Ary nanatona Jesosy dia niteny taminy hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 1:35

Ilay anjely namaly azy hoe: Ho tonga aminao ny Fanahy Masina, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina izay haterakao dia hantsoina hoe Zanak’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 2:11

fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 1:3-4

izany dia ny amin’ny Zanany izay nateraka avy tamin’ny taranak’i Davida araka ny nofo, mpifosafosa, mpankahala an’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpidoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy manam-pahalalana, mpivadi-panekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra; olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’Andriamanitra hoe: Izay manao izany zavatra izany dia mendrika ho faty; nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao izany kosa. ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra, araka ny Fanahy Masina tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty, dia Jesosy Kristy Tompontsika,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 9:5

azy koa ny razana izay niavian’i Kristy araka ny nofo, Kristy izay ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay! Amena!

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 4:4

satria amin’ireny dia nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao ny sainy tsy mino, mba tsy hamirapiratan’ny fahazavan’ny Filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy izay endrik’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 4:4

fa rehefa tonga kosa ny fotoanandro dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 1:20-21

Izany heriny izany no nananganany an’i Kristy tamin’ny maty sy nampitoerany Azy eo ankavanany any an-danitra, ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra, ny fahefana, ny hery, ny fanjakana ary ny anarana rehetra azo tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny ho avy koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 2:5-7

Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa: Na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza Izy dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 1:15

Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita maso, Ilay Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 1:19

Fa sitraky ny Ray ho ao Aminy no hitoeran’ny fahafenoana rehetra

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Timoty 3:16

Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zavamiafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny Jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina ho any amin’ny voninahitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 1:1-3

Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ny andro samihafa sy ny fanao samihafa Ary izao koa: «Ianao, TOMPO ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, ary asan’ny tananao ny lanitra; ireo dia ho levona, fa Ianao no maharitra; ho rovitra toy ny fitafiana izy rehetra, ary toy ny lamba no hamalonanao azy, dia toy ny fitafiana izay hovana; fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra» (Sal 102.25-27). Fa anjely iza no mba nilazany hoe: «Mipetraha eo ankavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao»? (Sal 110.1) Tsy fanahy manompo va izy rehetra, irahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena? dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany izay voatendriny ho mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny; rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy dia nipetraka eo ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 4:14

Koa satria manana Mpisoronabe lehibe izay lasa namakivaky ny lanitra isika, dia Jesosy, Zanak’Andriamanitra, aoka hihazona ilay efa nekentsika isika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 5:20

Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina mba ho fantatsika Ilay Marina; ary isika dia ao amin’Ilay Marina, ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 1:8

Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 22:13

Izaho no Alfa sy Omega, ny Voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 16:16

Namaly i Simona Petera hoe: Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 6:51

Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko mba ho fiainan’izao tontolo izao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 11:25

Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 12:6

Dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Marka 14:61-62

Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny Mpisoronabe ka niteny taminy hoe: Ianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana? Dia hoy Jesosy: Izaho no Izy. Ary ho hitanareo ny Zanak’Olona mipetraka eo ankavanan’ny Hery sady avy eny amin’ny rahon’ny lanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 9:35

Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 10:22

Ny zavatra rehetra dia natolotry ny Raiko Ahy; tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 3:16

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: Nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 5:22

Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 14:6

Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 10:9

Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 8:6

amintsika kosa dia iray ihany Andriamanitra, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 12:3

Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin’ny Fanahin’Andriamanitra ka miteny hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ny Fanahy Masina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 5:19

dia izao: Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao Taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary napetrany aminay ny teny fampihavanana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 2:20

koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 3:20-21

Ary ho an’Ilay mahavita mihoatra noho ny zavatra rehetra; eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesosy hatramin’ny taranaka rehetra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:1

Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 2:4

Izy no hatoninareo toy ny vato velona, nolavin’ny olona, nefa voafidy sady sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 1:2

fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay,

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 4:2

Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’Andriamanitra;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 4:12

Tsy misy famonjena avy amin’ny hafa na iza na iza; satria tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 16:31

Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’i Jesosy Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 1:16

Fa tsy menatra ny Filazantsara aho, satria herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, nefa amin’ny Jentilisa koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 7:3

Izy dia tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana andro niandohana na fiafaran’ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak’Andriamanitra ary mitoetra ho mpisorona mandrakizay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 10:12

fa Izy kosa, rehefa avy nanolotra fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Timoty 2:5

Fa iray Andriamanitra ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, izay olona,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Titosy 2:13

eo am-piandrasana ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 5:12

Niteny tamin’ny feo mahery izy hoe: Ny Zanak’ondry izay novonoina dia mendrika handray ny hery, ny harena, ny fahendrena, ny faherezana, ny haja, ny voninahitra ary ny saotra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 19:16

Ary manana anarana voasoratra amin’ny lambany sy ny feny Izy hoe: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 2:11

Ary rehefa tafiditra tao an-trano tokoa izy ireo dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ireo fitahirizan-drakiny dia nanolotra fanomezana ho Azy izy ireo, dia volamena sy zavamanitra ary miora.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 17:5

Raha mbola niteny izy dia indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary injao, nisy feo avy tao amin’ny rahona niteny hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako; Izy no henoy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 28:19

koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Marka 1:1

Ny niandohan’ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Marka 9:7

Ary nisy rahona niseho nanarona azy ireo. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 4:41

Ary nisy demonia niala tamin’ny maro ka niantso hoe: Ianao no Zanak’Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 12:41

Izany teny izany no nolazain’Isaia satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 17:5

Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana Taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 17:24

Ray ô, tiako mba ho any Amiko amin’izay misy Ahy ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenana izao tontolo izao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:31-32

Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy fa nanolotra Azy hamonjy antsika rehetra, tsy homeny antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 1:3

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 2:18

satria Izy no ahafahantsika roa tonta manatona ny Ray amin’ny Fanahy iray.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:19

Koa Andriamanitro anie hanatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny harenany amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 1:27

Tamin’ireo olona masina ireo no tian’Andriamanitra nampahafantarina ny harenan’ny voninahitr’ity zavamiafina ity any amin’ny Jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, izay fanantenana ny voninahitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 2:3

izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 1:10

ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany tamin’ny maty, dia Jesosy izay mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Timoty 1:1

I Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy araka ny didin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy fanantenantsika,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Titosy 1:4

ho an’i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika: Ho aminao anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 3:1

Koa amin’izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, diniho tsara ny Apostoly sy ny Mpisoronabe izay ekentsika, dia Jesosy

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 11:6

Fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 1:3

Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona noho ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty,

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 2:23

Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 5:11-12

Ary izao no fanambaràny: Fiainana mandrakizay no nomen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 1:8

Fa hahazo hery ianareo amin’ny hahatongavan’ny Fanahy Masina aminareo ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy manerana an’i Jodia sy i Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 2:36

Koa aoka ho fantatry ny taranak’Israely rehetra tokoa fa iny Jesosy nohomboinareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra Tompo sy Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 10:42

Ary nandidy anay Izy hitory amin’ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 5:10

Raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany, rehefa nampihavanina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 6:23

Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 2:9

Fa araka ny voasoratra hoe: «Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina na niditra tao am-pon’ny olona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy» (Isa 64.3).

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 15:57

Fa isaorana anie Andriamanitra izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 3:26

Zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy ianareo rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 1:7

Ao Aminy no ananantsika fanavotana tamin’ny alalan’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny harenan’ny fahasoavany

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:3-4

Fa efa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo. Rehefa hiseho Kristy fiainantsika dia hiara-miseho Aminy amin’ny voninahitra koa ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Timoty 6:14-15

mba hotahirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika ireo didy ireo; fa Izy no haneho izany amin’ny fotoanandrony, dia ilay hany tompom-pahefana sy loharanon’ny fahasambarana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 13:8

Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 5:10

Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 3:1

Endre! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra sady izany tokoa isika! Noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao satria tsy nahalala Azy izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 4:15

Na iza na iza manaiky fa Zanak’Andriamanitra Jesosy dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 7:10

ary niantso tamin’ny feo mahery hoe: Ny famonjena dia an’Andriamanitsika izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana, sy an’ny Zanak’ondry!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 11:15

Ary nitsoka ny anjely fahafito dia nisy feo mafy tany an-danitra niteny hoe: Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 22:20

Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy haingana Aho. Amena! Avia, Jesosy Tompo!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 10:36

moa izay nohasinin’ny Ray ka nirahiny ho amin’izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy ianao, satria hoy Aho: Zanak’Andriamanitra Aho?

Chapter    |  dikan dika mitovy

Vavaka amin’Andriamanitra

Andriamanitra ô, lehibe sy mahagaga Ianao, mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana, mihoson-damba voninahitra sy fahefana. Tena avo sy lavorary amin'ny asanao rehetra Ianao. Jesoa malala ô, manakaiky Anao aho, satria Ianao irery ihany no manana ny voninahitra sy ny hery ary ny fanjakana. Mba fenoy ny fanatrehanao aho, ary aoka ny Fanahy Masinao hiharihary eo amin'ny fiainako. Ampio aho hanahaka ny finoanao sy ny fankatoavanao na aiza na aiza alehanao, ary aoka ho tsapa tokoa ny herin'ny Fanahy Masinao eo amin'ny fiainan'ireo izay mandre ny teninao avy amin'ny vavako. Hoy ny teninao: "Dia izay tao an-tsambo niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao." Ampianaro handeha tahaka Anao aho Jesoa, hanasitrana ny marary, hanafaka ny babo, ary hanampy ny ampahorina rehetra. Navotanao tamin'ny fahefan'ny maizina aho. Jesoa ô, Zanak'Andriamanitra Ianao, mpanelanelana eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona. Misaotra Anao nanolotra ny tenanao noho ny fitiavana ny olombelona, nandoa ny vidin'ny fahotanay. Misaotra Anao tsy nandao ahy mihitsy ary mikatsaka ahy mandrakariva. Amin'ny anaran'i Jesoa. Amena.
Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra