Indro, tiako hozaraina aminao ity zavatra ity. Ny fanompoana an’Andriamanitra dia midika ho fanarahana ny fitarihany mandritra ny androm-piainantsika. Tsy maintsy miala amin’ny fitiavantsika tena sy ny fanapahan-kevitra feno fitiavan-tena isika, ary tsy mihevi-tena ho ambony na zava-dehibe noho ny hafa. Rehefa manolo-tena hanompo an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika isika dia hahita ny tena dikan’ny fiainana.
Ny fitondrana ny hazo fijaliana dia tsy zavatra terena hatao, fa safidy atao an-tsitrapo. Maneho ny fandavantsika ny tenantsika ho an’ny hafa sy ny fampielezana ny filazantsara izany. Tadidio ny nampianarin’i Jesosy ny mpianany hoe: "Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy." (Matio 16:24).
Fa ny Zanak’Olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
Hamaly ny nataonao anie NY TOMPO ka homen’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ny elany ianao!
Rehefa tafapetraka Jesosy dia niantso ny roa amby folo lahy Izy ka niteny taminy hoe: Raha misy te ho voalohany dia aoka izy no ho farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra.
Ary na inona na inona ataonareo dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’olona satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’i Kristy Tompo ianareo.
Koa araka ny ananantsika fotoana, aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.
Fa tahaka izany, ny Zanak’Olona, tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, koa misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra.
Koa aoka hataon’ny olona ho mpanompon’i Kristy sy mpitantana fananana ny amin’ny zavamiafina izay an’Andriamanitra izahay.
Kanefa matahora NY TOMPO ianareo ka manompoa Azy marina amin’ny fonareo manontolo; ary eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.
Raha misy olona manompo Ahy dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako dia ao koa no hitoeran’ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy dia hankalaza azy ny Ray.
tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena. satria efa saika maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy. Aza samy mihevitra ny azy ihany fa aoka samy hihevitra ny an’ny namany koa.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa: Na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza Izy dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy
Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.
Aoka hanao soa izy ireo mba hanankarena amin’ny asa tsara, ary hazoto manome sy miantra,
Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo mba hanampy ny sahirana ka hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.
Hosoratana ho an’ny taranaka mandimby izany ary izay firenena mbola hoforonina no hidera NY TOMPO;
Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra ianareo.
Koa izay manompo an’i Kristy amin’izany zavatra izany no sitrak’Andriamanitra sy eken’ny olona fa tsara.
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hiteny aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny iray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko.
ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao ary ho tonga tahaka ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.
omeo dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho eo ampofoanareo. Fa izay fatra amaranareo no hamarana ho anareo kosa.
Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, tahaka ny mpitantana tsara ny fahasoavan’Andriamanitra izay miasa amin’ny fomba maro samihafa.
Izay manisy soa olona dia ho feno fanambinana ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa.
Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafa-pahasahiranana ny olona masina ihany fa mahabe ny fisaoran’ny maro an’Andriamanitra koa, satria ny fahitana porofo ny toetranareo manao izany fanompoana izany no ankalazany an’Andriamanitra, noho ny fankatoavanareo tamin’ny fanekena ny Filazantsaran’i Kristy sy noho ny fahalalahan-tanana nasehonareo taminy sy tamin’ny olona rehetra;
sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin’izany fanompoana ho an’ny olona masina izany;
Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’NY TOMPO, miderà ny anaran’NY TOMPO. Isaorana anie ny anaran’NY TOMPO hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Fa manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy, ary hesoriko aminao ny aretina.
Ary nandre ny feon’ny Tompo aho hoe: Iza no hirahiko? Iza no handeha ho irakay? Dia hoy aho: Inty aho, iraho aho!
dia ny nanompoako ny Tompo tamin’ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin’ny teti-dratsin’ny Jiosy,
Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany, mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba handefa mpiasa hanangona ny vokatra.
Fa angamba hisy hiteny hoe: Ianao dia manam-pinoana, ary izaho dia manana asa. Asehoy amiko tsy amin’ny asa ary ny finoanao, ary izaho kosa dia haneho aminao ny finoako amin’ny asako.
Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe indrindra aminareo dia aoka ho toy ny zandriny indrindra; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo. Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka misakafo va sa izay manompo? Tsy izay mipetraka misakafo va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.
Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa aoka ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
Mahatoky ireo teny ireo, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, ho an’izay mino an’Andriamanitra ka mieritreritra hamirapiratra amin’ny asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ny fanantenana an’i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason’Andriamanitra Raintsika.
Fantatrareo ny ankohonan’i Stefanasy fa voaloham-bokatr’i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin’ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy,
Ampianaro hanao ny sitraponao aho fa Ianao no Andriamanitro; aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina.
Ny mpanompo hendry dia mifehy ny zanaka manao izay mahamenatra; hiray lova amin’ny mpirahalahy izy.
Izay mikatsaka ny fahamarinana sy ny famindrampo dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena any amin’ny fitoeran’ny maty izay alehanao.
Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te ho voalohany aminareo dia ho mpanomponareo. Fa tahaka izany, ny Zanak’Olona, tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
fa noana Aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho dia nampiakanjoinareo; narary Aho dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho dia novangianareo. Ary hamaly Azy ny marina ka hiteny hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? Ary oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka nampiakanjoinay? Oviana koa no hitanay narary Ianao, na tao an-tranomaizina ka novangianay? ary ny hendry kosa dia nitondra solika tao anatin’ny fitondrana azy sy ny fanalany. Dia hamaly ny Mpanjaka ka hiteny aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny iray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko.
koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, Dia indro, nisy horohoron-tany mafy; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny. sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Ary hoy izy hoe: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo sy ny herinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5); ary, «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
Rehefa voasasany ny tongony dia nandray ny akanjony ivelany Izy ka nipetraka indray sady niteny taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo? Ianareo dia miantso Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo fa izany tokoa Aho. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.
Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany. Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra. Mazotoa fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo. Mifalia amin’ny fanantenana. Miareta amin’ny fahoriana. Mahareta amin’ny fivavahana. Manampia ny olona masina araka izay ilainy. Mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana fa aoka mba ho zatra ny fanetren-tena ianareo. Aza mihevitra ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miezaha hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao ka miankina aminareo dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35). Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.
Isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. Hoy koa Izy: «Miravoravoa, ry Jentilisa mbamin’ny olony!» (Deo 32.43) Ary koa: «Miderà NY TOMPO, ry Jentilisa rehetra ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra!» (Sal 117.1) Hoy koa Isaia: «Ho avy ny Solofon’i Jese, dia Ilay hitsangana hanapaka ny Jentilisa; Izy no hantenain’ny Jentilisa» (Isa 11.10). Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina! Koa ny aminareo, ry rahalahiko, dia matoky aho fa feno hatsaram-panahy ianareo, feno ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa. Kanefa amin’ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy, mba ho mpanompon’i Kristy Jesosy ho an’ny Jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana ho an’ny Filazantsaran’Andriamanitra, mba horaisina amin’ny fankasitrahana ny Jentilisa, ho fanatitra nohamasinin’ny Fanahy Masina. Koa manana izay reharehako ao amin’i Kristy Jesosy aho noho ny amin’Andriamanitra. Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nataon’i Kristy tamin’ny alalako, na tamin’ny teny, na tamin’ny asa, mba hampanaiky ny Jentilisa, noho ny herin’ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin’ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra. Noho izany dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilirikiona no nahatanterahako ny fitoriako ny Filazantsaran’i Kristy. Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy.
Fa na dia olona afaka eo anatrehan’ny olona rehetra aza aho dia mbola nataoko ho mpanompon’ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako ny maro araka izay azo atao.
Zarazaraina ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana nefa ny Fanahy dia iray ihany. Zarazaraina ho samihafa ny fanompoana nefa ny Tompo dia iray ihany. Zarazaraina ho samihafa ny asa nefa iray ihany Andriamanitra izay miasa ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra. Ary ny tsirairay dia samy nomen’ny Fanahy hahay mampiseho amin’ny olona rehetra ny fanomezam-pahasoavana.
Fa tsy ny tenanay no torinay fa Kristy Jesosy Tompo, ary mpanomponareo noho ny amin’i Jesosy izahay.
Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentina hanaraka ny nofo izany fahafahana izany. Mifanompoa amin’ny fitiavana
Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany.
Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba ho fanomanana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy,
manompo an-tsitrapo toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olona, satria fantatrareo fa izay soa ataon’ny olona tsirairay no horaisiny amin’ny Tompo, na andevo izy na olona afaka.
Mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy ireo mitondra anareo ao amin’ny Tompo ary ireo mananatra anareo. Aoka mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara ianareo.
dia izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin’i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola.
ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isanandro ka misy aminareo miteny aminy hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa! Kanefa tsy omenareo azy akory izay ilain’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany? Toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa dia maty mihitsy.
Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, tahaka ny mpitantana tsara ny fahasoavan’Andriamanitra izay miasa amin’ny fomba maro samihafa. Raha misy olona miteny dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra; raha misy olona manompo dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay andraikitrareo; andraso izy, tsy amin’ny fanerena fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra, tsy amin’ny fitiavana harena maloto fa amin’ny zotom-panahy, tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fianaran’ny ondry.
Na dia ny liona tanora aza rehefa tsy ampy hanina dia noana; fa izay mitady NY TOMPO kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
Matokia NY TOMPO ianao ka manaova soa, dia honina amin’ny tany ianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.
Izay mampahory ny madinika dia manala baraka ny Mpanao azy, fa ny mamindra fo amin’ny mahantra kosa manome voninahitra Azy.
Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra amin’NY TOMPO, Izy no hanome izay valisoa tokony ho azy.
Afaho izay entina hovonoina, ary vonjeo izay mangozohozo efa eo am-pamonoana! Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay! Moa Izay mandanja ny fo va tsy hihevitra izany? Ary Izay mandinika ny fanahinao va tsy hahalala izany? Eny, hovaliany araka ny asany avy ny olona rehetra.
Mianara hanao ny tsara, katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.
Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.
Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kaopy ihany aza hosotroin’ny iray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony dia hampipetraka azy ireo hisakafo, ary ho avy ka hanompo azy.
Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nampanaovina anareo, dia mitenena hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay; izay tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.
Ary nampiantso ny mpianatra rehetra ny roa amby folo lahy ka nilaza taminy hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin’Andriamanitra mba hitandrina latabatra izahay. Koa araka izany, ry rahalahy, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
Tany Jopa dia nisy vehivavy mpianatra iray antsoina hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon’izany vehivavy izany.
Fa maniry hahita anareo aho hanomezako fahasoavam-panahy ho anareo, mba hahamafy orina anareo; izany dia ny mba hiarahako mifampirisika aminareo amin’ny finoana iraisantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tenantsika izay tokana nefa tsy mitovy asa izy rehetra momba ny tena ireo, dia toy izany koa isika, na dia maro aza dia tena iray ihany ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
Iny i Foiby anabavintsika, diakonan’ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo, Veloma amin’i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin’i Kristy. Veloma amin’ny ankohonan’i Aristobolo. Veloma amin’i Herodiona havako. Veloma amin’ny ankohonan’i Narsisy, izay ao amin’ny Tompo. Veloma amin’i Trifena sy i Trifosa, izay mikely aina ao amin’ny Tompo. Veloma amin’i Persy malala, izay nikely aina fatratra tao amin’ny Tompo. Veloma amin’i Rofosy ilay voafidy ao amin’ny Tompo, ary veloma amin’ny reniny sy reniko. Veloma amin’i Asinkrito, i Flegona, i Hermesy, i Patroba, i Hermasy, mbamin’ny rahalahy ao aminy. Veloma amin’i Filologo sy i Jolia, i Nerea sy ny anabaviny ary i Olimpa sy ny olona masina rehetra izay ao aminy. Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an’i Kristy manao veloma anareo. Fa mananatra anareo aho, ry rahalahy, mba hitandremanareo ny amin’izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana, tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ireny olona ireny. Fa izy ireny dia tsy mba manompo an’i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary amin’ny teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ny tsy ary saina. Fa efa niely any amin’ny olona rehetra ny lazan’ny fankatoavanareo. Ary faly aho noho ny aminareo satria tiako ho hendry amin’izay tsara ianareo ary tsy hiharo amin’izay ratsy. mba horaisinareo ao amin’ny Tompo izy, araka izay mendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin’izay raharaha ilàny anareo, fa izy dia mpiahy ny maro mbamin’ny tenako koa.
Fa tahaka ny tena iray ihany kanefa maro ny momba azy, ary ireo rehetra momba ny tena ireo na dia maro aza dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy, na Grika, na andevo, na olona afaka; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. Nefa tsy iray ny momba ny tena fa maro.
Izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra izay nampihavana antsika Taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, dia izao: Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao Taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary napetrany aminay ny teny fampihavanana.
Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka anareo mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo
Misaotra an’Andriamanitra aho isaky ny mahatsiaro anareo. Manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny. Mandrakariva, rehefa mivavaka ho anareo rehetra aho, dia mangataka amin’ny fifaliana, noho ny fiombonanareo amin’ny Filazantsara hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny.
Nihevitra koa aho fa tokony hampandehaniko hankaty aminareo i Epafrodito rahalahiko sady mpiray asa amiko no mpiantafika namako ary Apostoly nirahinareo hanompo sy hanome ahy izay nilaiko. Koa satria manina anareo rehetra izy dia difotra alahelo nony fantany fa renareo ny naharariany. Eny, narary saika maty tokoa izy; nefa namindra fo taminy Andriamanitra, ary tsy taminy ihany fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho. Izany no nampahazoto ahy haniraka azy mba hifalianareo amin’ny fahitana azy indray, ary mba ho maivana kokoa ny alaheloko. Koa raiso ao amin’ny Tompo amin’ny fifaliana feno izy, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany, tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena. satria efa saika maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy.
Izy no torinay amin’ny fampitandremanay sy ny fampianaranay ny olona rehetra amin’ny fahendrena rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’i Kristy izy rehetra. Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiasan’ny herin’Ilay miasa amin-kery ato anatiko.
Tsy maintsy tsara laza amin’ny asa tsara izy: Raha namelon-jaza, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny azom-pahoriana, raha nazoto nanatanteraka ny asa tsara rehetra.
Nanolotra ny tenany hamonjy antsika Izy mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara.
Ary i Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo, mba ho vavolombelona hanambara izay zavatra mbola holazaina;
Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo fa aza mihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. Fa raha misy mpihaino ny teny nefa tsy mankatò azy dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra; fa mijery ny tenany izy dia lasa ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, ny lalànan’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino fa mankatò izany amin’ny asany, dia ho sambatra amin’ny fampiharana azy io olona io.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;
Raha misy olona miteny dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra; raha misy olona manompo dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny? Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.
Malala-tanana izy; eny, manome ho an’ny mahantra; maharitra mandrakizay ny fahamarinany; hisandratra amim-boninahitra ny fahamboniany.
Aza miteny amin’ny namanao hoe: Mandehana ka miverena, fa rahampitso no homeko! Kanefa manana ihany ianao.
Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ny tenany, fa ny lozabe dia todìn’ny halozany.
Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, ny hanaboraka ny fehin’ny zioga, ny handefa ny ampahorina ho afaka ary ny hanapatapaka ny zioga rehetra? Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va sy ny hampiantrano ny ory manjenjena ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao?
Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny sira no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ny olona. Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho fanazavana ho an’izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Ary raha mandeha ianareo dia mitoria hoe: Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
Lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany. Ary Jesosy niantso zazakely iray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako dia eo afovoany Aho.
«Ny Fanahin’NY TOMPO no ato Amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mahantra Izy; naniraka Ahy hitory fanafahana amin’ny gadra Izy sy fampahiratana amin’ny jamba, hamerina izay nampahorina ho amin’ny fahafahana,
Niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino ka tsy nisy na dia iray aza nanonona ny fananany ho azy manokana, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.