Ry zareo mpiara-mivavaka amiko, andraikitra lehibe no miandry ireo Mpitandrina antsika izay mitarika antsika manaraka an’i Jesosy. Tokony ho fitaratra velona izy ireo, mba ho hita taratra eo amin’ny fiainany Andriamanitra.
Tombontsoa lehibe avy amin’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny olona ny mitondra fiangonana. Marina fa mety tsy ho hitan’ny olona foana ny ezaka ataony, nefa Andriamanitra mahita ny zava-drehetra, ary efa vonona ny valisoa lehibe any an-danitra ho azy ireo.
Tadidio fa zanak’Andriamanitra koa ireo Mpitandrina ireo, olombelona ihany, manana ny faibrany, ary manana fo koa. Na dia tsy inoantsika aza, dia faly dia faly izy ireo rehefa mahazo teny fampaherezana sy fankasitrahana.
Koa aoka isika hivavaka ho azy ireo, mba ho eo anilany sy hitari-dalana azy Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra. Aoka koa isika hanaja azy ireo ary hanompo amin’ny fo manontolo, mba hahatsapany fa ankasitrahantsika ny asa vitany.
Mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy ireo mitondra anareo ao amin’ny Tompo ary ireo mananatra anareo. Aoka mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara ianareo.
Akory ny hatsaran’ny fandehan’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana, dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena; eny, izay miteny amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala.
Hoy Izy fanintelony: Ry Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo i Petera satria Izy niteny intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy Taminy: Tompoko, Ianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny rany.
Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
Hitahy anao anie NY TOMPO ka hiaro anao; hampamirapiratra ny tavany aminao anie NY TOMPO ka hamindra fo aminao; hanandratra ny tavany aminao anie NY TOMPO ka hanome anao fiadanana.
Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao ka hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.
Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko, izay hitondra anareo amin’ny fahalalana sy ny fahendrena, ianareo.
Tsarovy ny mpitondra anareo izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany ka araho ny finoany.
Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra izay mizara tsara ny tenin’ny fahamarinana.
Ny loholona izay mahay mitarika dia mendrika ny hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana.
Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
Voalohany, misaotra an’Andriamanitro amin’ny alalan’i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re manerana izao tontolo izao ny lazan’ny finoanareo.
Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ny fivavahanay sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ny fanantenana an’i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason’Andriamanitra Raintsika.
Koa ny mpitondra fiangonana dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manambady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,
Nony niala ny sambokely Jesosy dia nahita vahoaka betsaka ka onena azy ireo satria tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; ary nampianatra zavatra maro azy ireo Izy.
Hoy indray Izy taminy fanindroany: Ry Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy Taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.
Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay andraikitrareo; andraso izy, tsy amin’ny fanerena fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra, tsy amin’ny fitiavana harena maloto fa amin’ny zotom-panahy,
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry fa mananika ny fefy dia mpangalatra sy jiolahy.
dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
Fa ny mpitondra fiangonana dia tokony ho tsy manan-tsiny, tahaka ny mpitandrina ny an’Andriamanitra izy, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo liana ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto;
Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo,
Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay andraikitrareo; andraso izy, tsy amin’ny fanerena fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra, tsy amin’ny fitiavana harena maloto fa amin’ny zotom-panahy, tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fianaran’ny ondry. Ary rehefa miseho ny Lohan’ny mpiandry dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
Nifidy an’i Davida mpanompony Izy ka naka azy avy tany amin’ny valan’ondry; tany amin’ny fiandrasany ny ondrivavy mampinono no nakany azy mba hiandry an’i Jakoba olony sy Israely lovany. Dia niandry ireo tamin’ny hitsim-po izy ka nitondra azy araka ny fahendren’ny tanany.
Hitondra ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy, ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary hotarihiny miadana ny ondrivavy mampinono.
Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo fa aza mihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ny tenany sy fahatokiana be amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy.
Ry zanak’olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Israely! Eny, maminania ka lazao aminy, amin’ny mpiandry hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny mpiandry ondrin’ny Israely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ny mpiandry? Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin’ny ondry matavy amin’ny ondry mahia. Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy ka aronjinareo ho any ivelany izy, dia hovonjeko ny ondriko ka tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin’ny ondry amin’ny ondry namany. Hanangana mpiandry tokana ho azy, izay hiandry azy Aho, dia i Davida mpanompoko. Izy no hitondra azy, ary izy no ho mpiandry azy. Izaho TOMPO no ho Andriamaniny, ary i Davida mpanompoko no ho Mpanapaka aminy. Izaho TOMPO no niteny izany. Hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin’ny tany intsony, dia handry fehizay izy na dia any an-tany efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza. Izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitahiana, ary hampilatsaka ranonorana amin’ny fotoanany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra. Hamoa ny hazo any an-tsaha sady hahavokatra ny tany, ary handry fehizay amin’ny tany izy; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO, rehefa tapahiko ny ziogany, ary hafahako amin’ny tanan’izay nampanompo azy izy. Tsy ho babon’ny Jentilisa na ho rembin’ny bibidia intsony izy fa handry fehizay, ary tsy hisy hampitahotra azy. Ary hampaniry saha malaza ho azy Aho ka tsy ho ritran’ny mosary amin’ny tany intsony izy na hitondra ny latsan’ny Jentilisa intsony; Ny taviny dia haninareo, ary ny volony dia itafinareo; ny nafahy dia vonoinareo nefa ny ondry tsy mba andrasanareo. dia ho fantany fa Izaho, NY TOMPO Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak’Israely, no oloko, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ary ny aminareo ondriko, izay ondry andrasako, olombelona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na nifehy izay tapaka ny tongony, na mamerina ny diso lalana, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny nanjakazakanareo taminy.
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy hikarakara azy. Toy ny fikarakaran’ny mpiandry ny ondriny rehefa eo anivon’ny ondriny izay efa niely izy, dia toy izany no hikarakarako ny ondriko sy hisarihako azy avy amin’ny toerana rehetra nielezany tamin’ny andro mandrahona sy feno haizim-pito.
Ny very dia hotadiaviko, ny diso lalana haveriko, ny naratra hotsaboiko, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako. Handrasako amin’ny fitondrana tsara ny ondriko.
Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy dia nahonena Azy ny fijeriny ireo satria trotraka izy ireo fa nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato ka mania ny iray, moa tsy hamela ny sivy amby sivifolo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania? Ary raha toa ka hitany izany dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania. Tahaka izany dia tsy sitraky ny Rainareo izay any an-danitra raha ho very na dia iray monja aza amin’ireny madinika ireny.
Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te ho voalohany aminareo dia ho mpanomponareo. Fa tahaka izany, ny Zanak’Olona, tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
fa noana Aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho dia nampiakanjoinareo; narary Aho dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho dia novangianareo. Ary hamaly Azy ny marina ka hiteny hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? Ary oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka nampiakanjoinay? Oviana koa no hitanay narary Ianao, na tao an-tranomaizina ka novangianay? ary ny hendry kosa dia nitondra solika tao anatin’ny fitondrana azy sy ny fanalany. Dia hamaly ny Mpanjaka ka hiteny aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny iray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko.
koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, Dia indro, nisy horohoron-tany mafy; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny. sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra.
Hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandrin-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara sakafo ara-potoana?
Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato ka very ny iray no tsy mandao ny sivy amby sivifolo any an-tany efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Rehefa hitany iny dia lanjainy eo an-tsorony ka faly izy; ary rehefa tonga ao an-trano izy dia manasa ny namany sy ny mpiaramonina aminy ka milaza aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka mihoatra noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivifolo izay tsy misy tokony hibebahany.
Izaho no Mpiandry tsara; ary fantatro ny Ahy sady fantany Aho, dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
Rehefa nisakafo izy ireo dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Ry Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto? Hoy izy Taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. Hoy indray Izy taminy fanindroany: Ry Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy Taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko. Hoy Izy fanintelony: Ry Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo i Petera satria Izy niteny intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy Taminy: Tompoko, Ianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
Fa samy manana fanomezam-pahasoavana samihafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: Raha faminaniana dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana; raha fanompoana dia aoka ho amin’ny fanompoana; raha mampianatra dia aoka ho amin’ny fampianarana; raha mananatra dia aoka ho amin’ny fananarana; izay manome dia aoka ho amin’ny fahatsoram-po; izay mitarika dia aoka ho amin’ny fahazotoana; izay mamindra fo dia aoka ho amin’ny fifaliana.
Koa aoka hataon’ny olona ho mpanompon’i Kristy sy mpitantana fananana ny amin’ny zavamiafina izay an’Andriamanitra izahay. Izahay dia adala noho ny amin’i Kristy fa ianareo no hendry ao amin’i Kristy! Izahay dia malemy fa ianareo no mahery! Ianareo dia manan-daza fa izahay no mavomavo! Mandraka ankehitriny izao dia noana, mangetaheta, tsy manan-kitafy, asiana totohondry ary tsy manam-ponenana izahay; misasatra miasa amin’ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay dia misaotra; raha enjehina dia miaritra; raha endrikendrehina dia mamaly amin’ny fahalemem-panahy kosa; atao toy ny fakofakon’izao tontolo izao izahay, dia fakon’olona rehetra, mandraka ankehitriny. Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho. Fa na manana mpampianatra iray alina ao amin’i Kristy aza ianareo dia tsy maro akory ny rainareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin’i Kristy Jesosy tamin’ny Filazantsara. Koa mandrisika anareo aho: Manahafa ahy ianareo. Noho izany dia nirahiko ho any aminareo i Timoty, zanako malalako sady mahatoky ao amin’ny Tompo, koa izy no hampahatsiaro anareo ny fombam-piainako rehetra ao amin’i Kristy, tahaka ny ampianariko amin’ny fiangonana rehetra eny tontolo eny. Fa mirehareha ny sasany ary ohatry ny hoe tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho. Ho avy any aminareo haingana anefa aho, raha sitrapon’ny Tompo, dia ho fantatro izay herin’ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny. Ary raha izany, izay ilaina amin’ny mpitantana fananana dia ny ho mahatoky.
Ary teo amin’ny fiangonana dia izao no nanendren’Andriamanitra azy: Voalohany apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, fanomezam-pahasoavana hoenti-manasitrana, asa fanampiana, fitondrana ary fiteny samihafa tsy fantatra.
Kanefa tsy mihambo ho tompon’ny finoanareo izahay fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no mahatafajoro anareo.
Mifampitondrà izay mavesatra ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalànan’i Kristy.
Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba ho fanomanana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy,
Misaotra an’Andriamanitra aho isaky ny mahatsiaro anareo. Manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny. Mandrakariva, rehefa mivavaka ho anareo rehetra aho, dia mangataka amin’ny fifaliana, noho ny fiombonanareo amin’ny Filazantsara hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny.
Izy no torinay amin’ny fampitandremanay sy ny fampianaranay ny olona rehetra amin’ny fahendrena rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’i Kristy izy rehetra.
Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitondra fiangonana dia maniry asa tsara izy. Aoka hozahan-toetra aloha ireo, izay vao hanao ny asan’ny diakona izy raha tsy manan-tsiny. Ny vehivavy koa dia ho toy izany ihany, ho maotina, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra. Aoka hanambady iray ihany ny diakona ary aoka hitondra tsara ny zanany sy ny ankohonany koa izy. Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ny tenany sy fahatokiana be amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankaty aminao haingana aza aho; fa raha tratra ela aho dia fantaro izay fitondrantena mety hatao ao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ny fiangonan’Andriamanitra velona izay andry sy fiorenan’ny fahamarinana. Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zavamiafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny Jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina ho any amin’ny voninahitra. Koa ny mpitondra fiangonana dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manambady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, tsy mpimamo lian’ady, tsy mpikapoka fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy fatra-pitia vola, mitondra tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ny fahamaotinana tsara. Fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana moa no fikarakarany ny fiangonan’Andriamanitra? Tsy izay vao avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fanamelohan’ny devoly. Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.
Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mampirisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
Izao no namelako anao tany Kreta dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka, ary hanendrenao loholona amin’ny isan-tanàna, araka izay nandidiako anao: Ho olona tsy manan-tsiny ny loholona, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra. Fa ny mpitondra fiangonana dia tokony ho tsy manan-tsiny, tahaka ny mpitandrina ny an’Andriamanitra izy, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo liana ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto; fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahafehy tena, mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina mba hahaizany hananatra amin’ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra.
Maneke ny mpitondra anareo ka manajà azy; fa miambina ny fanahinareo izy, araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa 53.6) nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin’ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.
Koa ny amin’ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman’ny loholona ary vavolombelon’ny fijalian’i Kristy sady mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amena! Manoratra teny fohifohy ho anareo aho ka hampitondraina an’i Silasy izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mampahery anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan’Andriamanitra. Tomoera tsara amin’izany ianareo. Izay any Babilona, voafidy sahala aminareo, dia manao veloma anareo, ary i Marka zanako koa. Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin’i Kristy anie ny fiadanana! Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay andraikitrareo; andraso izy, tsy amin’ny fanerena fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra, tsy amin’ny fitiavana harena maloto fa amin’ny zotom-panahy, tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fianaran’ny ondry. Ary rehefa miseho ny Lohan’ny mpiandry dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
Ny taranaka rehetra dia samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy sy hanambara ny asanao lehibe. Ny lazan’ny voninahitry ny fiandriananao sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.
Aoka hihaino ny hendry ka hitombo fahalalana; ary aoka ny mahira-tsaina hahazo fahaiza-mitondra,
Raha tsy misy fahaiza-mitondra dia rava ny firenena, fa famonjena ny fahamaroan’ny mpanolotsaina.
Izay mitokantokana dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany; misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
Ny hevitra rehetra dia arafeto amin’ny fiaraha-misaina ary ny fahaiza-mandamina tsara no entonao miady.
Fantaro tsara ny ondry aman’osinao, ary miahia tsara ny andian’ny bibinao, fa ny harena tsy ho mandrakizay; ary moa haharitra ho amin’ny taranaka rehetra va ny satroboninahitra? Na dia lany aza ny ahitra ka mitsiry ny solofony ary voataona ny zavamaniry any an-tendrombohitra, ny zanak’ondry no hahazoanao fitafiana ary ny osy dia hamidinao tany; ampy hosotroinao sy ho an’ny ankohonanao ny rononon’osy ary hisy hiveloman’ny mpanompovavinao.
Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko, satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava, Hifaly dia hifaly ao amin’NY TOMPO aho, ho ravoravo ao amin’Andriamanitro ny fanahiko; fa notafiany fitafian’ny famonjena aho ary nampiakanjoiny akanjon’ny fahamarinana, toy ny mpampakatra manao fehiloha tsara tarehy tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina mihaingo amin’ny firavany. Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy teo aminy, dia toy izany no hampisehoan’NY TOMPO Andriamanitra fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra. hitory ny taona ankasitrahan’NY TOMPO sy andro famalian’Andriamanitsika; hampionona ny malahelo rehetra,
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho fanazavana ho an’izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny izy dia amboadia ta hamiravira. Ny voany no hahafantaranareo azy. Mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona sa mahazo aviavy amin’ny songosongo? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara fa ny hazo ratsy rehetra kosa dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara dia tsy mety mamoa voa ratsy ary ny hazo ratsy dia tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny refy ataonareo no handrefesana ho anareo. Koa ny voany no hahafantaranareo azy.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hanangona ny vokatra.
«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, ny Malalako izay sitraky ny foko indrindra; hapetrako ao Aminy ny Fanahiko ary hitory ny rariny amin’ny Jentilisa Izy.
Tsy mihoatra noho ny mpampianatra ny mpianatra; fa izay rehetra tsara fiofanana dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.
Ary izy no vohàn’ny mpiandry vavahady; ary ny ondry dia mihaino ny feony; koa izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ary entiny mivoaka avy tao. Izaho sy ny Ray dia iray ihany. Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy. Fa hoy Jesosy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin’ireny moa no itorahanareo vato Ahy? Namaly Azy ny Jiosy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Ianao nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. Dia hoy Jesosy hoe: Tsy voasoratra ao amin’ny lalànanareo va hoe: «Hoy aho: Ianareo andriamanitra» (Sal 82.6)? Raha ireny izay nanaovana izany tenin’Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra, ary ny Soratra Masina dia tsy azo foanana, moa izay nohasinin’ny Ray ka nirahiny ho amin’izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy ianao, satria hoy Aho: Zanak’Andriamanitra Aho? Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho dia aza mino Ahy. Fa raha manao ny asany ihany kosa Aho, na tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato Amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray. Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa niala teo Izy ka tsy voatanany. Rehefa mamoaka ny ondriny rehetra izy dia mialoha azy ireo; ary manaraka azy ny ondriny satria mahalala ny feony ireo.
Ary izy ireo dia naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
Koa araka izany, ry rahalahy, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
Fa maniry hahita anareo aho hanomezako fahasoavam-panahy ho anareo, mba hahamafy orina anareo; izany dia ny mba hiarahako mifampirisika aminareo amin’ny finoana iraisantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
Fa inona moa i Apolosy, ary inona moa i Paoly? Mpanompo ihany izy ireo, izay nahatonga anareo ho mpino, dia samy araka ny nomen’ny Tompo azy avy. Izaho no namboly, i Apolosy no nanondraka, fa Andriamanitra no nampitombo. Koa tsinontsinona izay mamboly, na izay manondraka, fa Andriamanitra, izay mampitombo, no tena izy. Iray ihany ny mpamboly sy ny mpanondraka; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy ireo. Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra ianareo.
Koa amin’izany, aza mitsara na inona na inona alohan’ny fotoana, dia ny fiavian’ny Tompo, izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo; dia samy hahazo izay dera sahaza azy avy amin’Andriamanitra ny tsirairay.
Koa iraka solon’i Kristy izahay, toa ny hoe Andriamanitra mihitsy no mangataka anareo amin’ny alalanay hoe: Aoka ianareo hanaiky hampihavanina amin’Andriamanitra!
Ary ankehitriny, olona va no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa mila sitraka amin’olona va aho? Raha mbola mila sitraka amin’olona aho dia tsy mpanompon’i Kristy.
fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy; Izy no irindran’ny tena manontolo sy iraisany tsara, noho ny fifanohanan’ny isan-tonony, araka ny asan’izay rehetra momba azy amin’izay anjara asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana.
tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena. satria efa saika maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy. Aza samy mihevitra ny azy ihany fa aoka samy hihevitra ny an’ny namany koa.
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.
Fantatrareo koa fa tahaka ny ray amin’ny zanaka no nampirisihanay sy nampiononanay anareo tsirairay avy sy nananaranay mafy anareo mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra izay miantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.
Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay mba handehanan’ny tenin’ny Tompo haingana ka hankalazaina toy izao eo aminareo izao,
Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao mba hoentinao miady ny ady tsara,
Ho amin’izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly; milaza ny marina aho fa tsy mandainga; ary koa ho mpampianatra ny Jentilisa amin’ny finoana sy ny fahamarinana.
amin’ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin’ny fampianaranao madio sy maotina, ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo kianina, mba ho menatra izay manohitra satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.
ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.
Ampahafantaro ny lalanao aho, TOMPO ô, ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Ianao no andrasako mandritra ny andro.
Na dia ny liona tanora aza rehefa tsy ampy hanina dia noana; fa izay mitady NY TOMPO kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
Andriamanitra ô, Ianao no nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora, ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagagana nataonao aho. Koa na dia efa antitra sy fotsy volo aza aho dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mba hahazoako manambara ny herinao amin’izao taranaka izao sy ny asanao lehibe amin’izay rehetra mbola ho avy;
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Ny fiandohan’ny fahendrena dia izao: Mikatsaha fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hividianana fahalalana tsara. Asandrato izy dia hanandratra anao; eny, hanome voninahitra anao izy raha fihininao; hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; eny, satroboninahitra tsara tarehy no homeny anao.
Homen’ny Tompo mofo ianao raha ory, ary rano raha malahelo; tsy hiery intsony ny Mpampianatra anao; hahita ny Mpampianatra anao ny masonao. Fa na mivily ho amin’ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao hoe: Ity no lalana ka andehano.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
Lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany. Ary Jesosy niantso zazakely iray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako dia eo afovoany Aho.
Taorianan’izany dia nanendry olona hafa koa ny Tompo, fitopolo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ny tanàna sy ny toerana rehetra izay nokasainy haleha.
Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia milaza amin’ny olona rehetra izay eo aminareo aho mba tsy hiavonavon-kevitra ka hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny haben’ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.
Fa tahaka ny tena iray ihany kanefa maro ny momba azy, ary ireo rehetra momba ny tena ireo na dia maro aza dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy, na Grika, na andevo, na olona afaka; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.
Fa Andriamanitra mahay mampitombo ho anareo ny fahasoavana rehetra mba hanananareo ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, sady hitomboanareo amin’ny asa tsara rehetra;
Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentina hanaraka ny nofo izany fahafahana izany. Mifanompoa amin’ny fitiavana fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany.
Izao ihany no teniko: Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny Filazantsaran’i Kristy ka na ho tonga hahita anareo aho na tsy ho tonga dia handre ny momba anareo, fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara,
Mandehana amin’ny fahendrena amin’izay eo ivelany, hararaoty ny fotoana. Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
Ary hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra anie ny Tompo, dia tahaka ny itiavanay anareo koa
Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.
Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy. Isika manana alitara izay tsy ananan’ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana. Fa rehefa noentin’ny Mpisoronabe niditra ho ao amin’ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran’ny biby dia nodorana teny ivelan’ny toby ny fatiny. Noho izany, Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ny rany. Koa aoka isika hivoaka hankeo Aminy eo ivelan’ny toby ka hitondra ny latsa izay noentiny. Fa tsy manana tanàna maharitra isika etỳ fa mitady ny ho avy. Koa aoka isika hanolotra mandrakariva ny fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. Fa aza manadino hanao soa sy hiantra fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra. Maneke ny mpitondra anareo ka manajà azy; fa miambina ny fanahinareo izy, araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany. Mivavaha ho anay; satria matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra. Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho mba hampidina ahy haingankaingana kokoa ho atỳ aminareo. Aza manadino ny fampiantranoana vahiny; fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra avokoa ianareo rehetra satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana antsika mpampianatra.
Toy izany koa ianareo tanora, maneke ny loholona. Eny, samia mitafy fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa «Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34).
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana: Izy no nanolotra ny ainy noho ny amintsika; ary isika kosa dia mba tokony hanolotra ny aintsika noho ny amin’ny rahalahy.