Biblia Todo Logo
Andininy ao amin’ny Baiboly
- dokam-barotra -


95 Andininy momba ny fandavan’Andriamanitra ny sampy

95 Andininy momba ny fandavan’Andriamanitra ny sampy


Jeremia 50:2

Ambaraonareo, eny, torio any amin’ny firenena, ary manangàna faneva, torio fa aza afenina, lazao hoe: Azo i Babilona! Mangaihay i Bela, raiki-tahotra i Merodaka! Eny, mangaihay ireo sarin-javatra nataony ary raiki-tahotra ny sampiny!

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Tantara 31:1

Nony vita izany rehetra izany dia niainga nankany an-tanànan’i Joda ny Israely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha ary nandrava ny toerana fanaovana sorona sy ny alitara manerana an’i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Samy nody ho any amin’ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak’Israely rehetra avy eo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 20:23

Aza manao andriamanitra volafotsy ho fanampiko, ary aza manao andriamanitra volamena ho anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 26:30

Dia horavako ny toerana fanaovanareo sorona ary hokapaiko ny tsangankazon-tsampinareo ho an’ny masoandro ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin’ny fatin’ny sampinareo ary ho halan’ny fanahiko ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 78:58

Nampahatezitra Azy tamin’ny toerana fanaovany sorona izy sady nahasaro-piaro Azy tamin’ny sarin-javatra voasokitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 97:7

Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy mirehareha ny amin’ny andriamanitra tsy izy. Miankohofa eo anoloan’NY TOMPO ianareo andriamanitra rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 10:11

moa tsy tahaka ny nataoko tamin’i Samaria sy ny andriamanitra tsy izy ivavahany va no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sampiny koa?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 17:8

Fa tsy hitodika any amin’ny alitara, asan’ny tanany intsony izy. Tsy hahoany ny nataon’ny rantsantanany, na ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha na ny tsangambato ho an’ny masoandro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 11:12

Dia handeha ny tanànan’ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin’ireny andriamaniny izay efa nandoroany ditin-kazo manitra ireny; nefa tsy hahavonjy azy akory ireny amin’ny andro fahoriany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 36:18

Koa naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny ra nalatsany teo amin’ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin’ny sampiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 10:26

Dia navoakany ny tsangambato izay tao amin’ny tempolin’ny Baala ka natsipiny tao anaty afo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 7:16

Holevoninao ny firenena rehetra izay hatolotry NY TOMPO Andriamanitrao anao, koa aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 23:24

Aza miankohoka eo anatrehan’ny andriamanitr’ireny ianao, na manompo azy, na manao toy ny fanaony; fa aringano tokoa izy ary poteho tanteraka ireo tsangambaton-tsampiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 8:10

Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin’ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an’ny taranak’Israely, voasoratra teny amin’ny rindrina manodidina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 16:36

Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nandanianao vola be sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin’ny nijangajanganao tamin’ireny mpitia anao ireny sy ny sampinao rehetra, izay fahavetavetanao, ary noho ny ran’ny zanakao izay naterinao ho an’ireo,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hosea 8:4

Nanangana mpanjaka ireo nefa tsy avy tamiko; nifidy mpanapaka izy nefa tsy fantatro. Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampy mba hamongorana azy!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hosea 13:4

Izaho no TOMPO Andriamanitrao hatrany amin’ny tany Ejipta. Tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 31:6

Halako izay mifikitra amin’ny zava-poana mamitaka, fa izaho dia NY TOMPO no itokiako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Mpanjaka 15:12

Nesoriny tamin’ny tany ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon’ny rainy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Tantara 14:3

Ary niteny tamin’ny Joda izy hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ary hankatò ny lalàna sy ny didy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 23:6

Ary ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha dia navoakany hiala tao amin’ny tranon’NY TOMPO ho any ivelan’i Jerosalema, ao amin’ny lohasahan-driaka Kidrona; nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary nafafiny teny ambonin’ny fasam-bahoaka ny vovony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 12:2-3

Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan’ireo firenen-tsamihafa izay noroahinareo, ny andriamaniny teny ambonin’ny tendrombohitra avo sy havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra. Raha hitarin’NY TOMPO Andriamanitrao ny faritaninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ianao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irinao ianao. Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hasiany ny anarany dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman’osinao izay nomen’NY TOMPO anao, araka izay nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irinao izany. Kanefa tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny diera no hahazoanao mihinana ireny; na ny olona tsy madio na ny madio dia samy mahazo mihinana azy. Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny ra, fa ny ra no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina miaraka amin’ny hena ianao. Aza mihinana ny ra ianao fa aidino amin’ny tany toy ny rano izy; eny, aza mihinana azy ianao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason’NY TOMPO. Fa ny zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady dia ento mankany amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO. Ary atolory eo amin’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitrao ny fanatitrao dorana manontolo, dia ny henany sy ny rany; ary ny ran’ny fanatitrao hafa dia aidino eo amin’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitrao, fa ny henany dia azonao hohanina ihany. Tandremo ka henoy izao teny rehetra izao izay omeko anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manatanteraka izay tsara sy mahitsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ianao. Rehefa aringan’NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamihafa izay alehanao ka horesenao, ary handresy azy ireny ianao ka honina eo amin’ny taniny, Dia horavanareo ny alitarany, hotorotoroinareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo amin’ny afo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo ka hofoananareo tsy ho eo amin’izany toerana izany intsony ny anarany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 20:18

Fa hoy Aho tamin’ny zanany tany an-tany efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin’ny sampiny!

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Samoela 7:3

Dia hoy i Samoela tamin’ny taranak’Israely rehetra: Raha miverina amin’NY TOMPO amin’ny fonareo manontolo tokoa ary ianareo dia ario hiala aminareo ny andriamanitra tsy izy sy ireo Astarta ka ampiomany ho an’NY TOMPO ny fonareo, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin’ny tanan’ny Filistina Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 34:13

Fa ravao ny alitarany, poteho ny tsangambaton-tsampiny ary jinjao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Daniela 3:18

Ary na tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena natsanganao dia tsy hivavahanay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 4:10

Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: Fa voasoratra hoe: «NY TOMPO Andriamanitrao no hiankohofanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.» (Deo 6.13)

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 12:2

Fantatrareo fa fony Jentilisa ianareo dia noentina tany amin’ny sampy moana, araka izay nitaomana anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 21:7

Ny sarivongan’ny Aseraha izay nataony dia napetrany tao amin’ny trano nolazain’NY TOMPO tamin’i Davida sy i Solomona zanany hoe: Ato amin’ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ny fokon’ny Israely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Mpanjaka 11:7

Tamin’izany i Solomona dia nanorina toerana fanaovana sorona ho an’i Kemosy, izay fahavetavetan’i Moaba, teo amin’ny havoana tandrifin’i Jerosalema, ary koa ho an’i Moloka, izay fahavetavetan’ny taranak’i Amona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 44:8

Mampahatezitra Ahy ianareo amin’ny asan’ny tananareo sy amin’ny andoroana ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa any amin’ny tany Ejipta izay alehanareo hivahiniana. Izany no haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany?

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Tantara 28:2

fa nandeha tamin’ny lalan’ireo mpanjakan’ny Israely sady nanao sarin-javatra voarendrika ho an’ireo Baala koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 106:36

Nanompo ny sampiny izy ka tonga fandrika ho azy izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 48:11

Noho ny tenako; eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany. Indrisy, lotoina ny anarako! Ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Tantara 34:7

dia noravany koa ny alitara sy ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha; ny sarin-javatra voasokitra dia nomongomongoiny ho vovoka; ny fandoroana ditin-kazo manitra manerana ny tanin’ny Israely rehetra dia nazerany; dia niverina ho any Jerosalema izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 16:4

Ho be ny fahorian’izay manova an’Andriamanitra hatakalony ny hafa, tsy mba handraraka ny ra aidiny ho fanatitra aho ary tsy mba hotononin’ny molotro ny anarany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mika 1:7

Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, ary hodorana amin’ny afo ny karama malotony rehetra sady hofoanako ny sampiny rehetra satria karama maloton’ny vehivavy janga no nanangonany ireny, ary hody ho karama maloton’ny vehivavy janga indray ilay izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 18:4

Izy no nandrava ny toerana fanaovana sorona sy namakivaky ny tsangambaton-tsampy ary nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy nanorotoro ny menarana varahina izay nataon’i Mosesy; fa ny Zanak’Israely dia nandoro ditin-kazo manitra tamin’iny hatramin’izany andro izany ka ny anarany nataony hoe Nehostana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 31:7

Fa amin’izany andro izany dia harian’ny olona rehetra ny andriamanitra volafotsiny sy ny andriamanitra volamenany, izay fahotana nataon’ny tananareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Tantara 15:8

Nony ren’i Asa izany teny izany sy ny faminanian’i Odeda mpaminany dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ny tanin’i Joda sy i Benjamina rehetra ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny tany be havoana any Efraima; nohavaoziny koa ny alitaran’NY TOMPO izay teo anoloan’ny lalantsara fidirana amin’ny tranon’NY TOMPO.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 42:17

Hihemotra sady hitsanga-menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay miteny amin’ny sarin-javatra voarendrika hoe: Ianareo no andriamanitray!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 45:16

Hitsanga-menatra sy hangaihay izy rehetra; eny, handeha aman-kenatra avokoa ny mpamorona sarin-javatra hivavahana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 2:28

Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao ireny? Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin’ny andro fahorianao; fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 10:14

Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; mitafy henatra noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika sady tsy misy fofonaina akory ao aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hosea 14:3

Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’NY TOMPO ka mitenena Aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra ary raiso izay tsara! Dia hatolotray ho fanatitra ny molotray ho solon’ny vantotra ombilahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Amosa 5:26

Ento any i Sikota mpanjakanareo sy i Kiona sampinareo dia ny kintan’ny andriamanitrareo izay nataonareo ho anareo!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 57:13

Raha mitaraina ianao dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao, nefa hopaohin’ny rivotra avokoa ireo ary ho lasan’ny tsio-drivotra malemilemy aza. Fa izay mialoka Amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 7:9

Hay! Hangalatra sy hamono olona ary hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy to sy handoro ditin-kazo manitra ho an’ny Baala sady hanaraka andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 20:3-5

Aza manana andriamanitra hafa fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra, na izay mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 44:9

Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; tsy mahasoa akory ny zavatra tiany indrindra; ireny no vavolombelony, sady tsy mahita ireny no tsy mahalala, koa hitsanga-menatra noho izany izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 46:1

Mangozohozo i Bela, miraika i Nebo; ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; ianareo no tokony hitondra izany nefa novesaranareo azy ka tonga enta-mavesatra entin’ny biby reraka!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 2:5

Izao no lazain’NY TOMPO: Inona moa no tsy marina hitan’ny razanareo Tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka zava-poana ka nanjary zava-poana koa izy?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 8:19

Injany! Misy feo fitarainan’ny oloko zanakavavy avy any amin’ny tany lavitra hoe: Moa tsy ao Ziona intsony va NY TOMPO? Ary tsy ao aminy intsony va ny mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy tamin’ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin’ny zava-poana avy amin’ny firenena hafa ireny?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 10:3-5

Fa ny fanaon’ny firenen-kafa dia zava-poana; hazo nokapaina tany an’ala ireny, asan-tanan’ny mpahay taozavatra amin’ny famaky; volafotsy sy volamena no andravahany azy ary fantsika sy maritoa no entiny manamafy azy mba tsy hihetsiketsehany. Toy ny tsangankazo voaravaka izy fa tsy mahateny, entina foana izy fa tsy mba afa-mandeha; ary aza matahotra azy fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 10:15

Zava-poana ireny, dia asan-tanana mahatsikaiky sy tsinontsinona; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 6:4

Horavana ny alitaranareo, hopotehina ny tsangankazo ho an’ny masoandro ary hataoko mitsitra eo anoloan’ny sampinareo ny fatinareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 6:6

Any amin’ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, ary ho rava ny toerana fanaovana sorona mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo; hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, hokapaina ny tsangankazonareo ho an’ny masoandro ka ho foana ny asanareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 14:6

Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Mibebaha, dia mialà amin’ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, mialà aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 42:8

Izaho no TOMPO, izany no anarako, koa ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 30:22

Ary holotoinao ny takelaka volafotsy voapetaka amin’ny sarivongana sampinao sy ny takelaka volamena voapetaka amin’ny sampinao voarendrika; harianao tahaka ny maloto izany. Mialà amiko! Izany no holazainao aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 2:8

Feno andriamanitra tsy izy ny taniny; eo anatrehan’ny asan’ny tanany no iankohofany, dia eo anoloan’izay nataon’ny rantsantanany;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 34:17

Aza manao andriamanitra narendrika ho anao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 7:25

Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 7:5

Fa izao kosa no ataovinareo aminy: Horavanareo ny alitarany, hovakivakinareo ny tsangambaton-tsampiny, hokapainareo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany ary hodoranareo amin’ny afo ny sarin-javatra voasokitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 27:15

Ho voaozona ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra voarendrika, izay fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, asan’ny tanan’ny mpahay taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hoe: Amena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 12:3

Dia horavanareo ny alitarany, hotorotoroinareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo amin’ny afo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo ka hofoananareo tsy ho eo amin’izany toerana izany intsony ny anarany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 4:16

tandremo manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, na sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 19:4

Aza mivily hanaraka ireo andriamanitra tsy izy ary aza manao andriamanitra amin’ny vy voarendrika ho anareo: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 26:1

Aza manao andriamanitra tsy izy. Aza manangana sarin-javatra voasokitra na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ny taninareo, fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 32:16

nampahasaro-piaro Azy tamin’ny hafa izy ary tamin’ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 20:7

dia hoy Aho taminy: Samia manary ny fahavetavetan’ny masonareo avy ianareo! Aza mandoto tena amin’ny sampin’i Ejipta! Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 20:8

Nefa nikomy Tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan’ny masony na nahafoy ny sampin’i Ejipta izy ka hoy Aho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hanamparako ny fahatezerako eo amin’ny tany Ejipta izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hosea 4:17

Lasa mpiombona amin’ny sampy i Efraima; aoka izy ho eo!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 23:13

Tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo ka aza manonona izay anaran’andriamanitra hafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ny vavanao izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 4:15-16

Tandremo tsara ny tenanareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin’ny andro izay nitenenan’NY TOMPO taminareo avy tao afovoan’ny afo tany Horeba; tandremo manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, na sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 17:15

Nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ny razany mbamin’ny teny vavolombelony izay nananarany azy. Nandeha nanaraka ny zava-poana izy ka tonga zava-poana koa ary nanaraka ny Jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’NY TOMPO mba tsy halainy tahaka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 21:11

Satria i Manase, mpanjakan’ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin’ny sampiny,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 96:5

Ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona, fa NY TOMPO no nanao ny lanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 115:4-5

Volafotsy sy volamena ny sampin’ireny, asa nataon’ny tanan’olombelona. Manam-bava izy nefa tsy miteny; mana-maso izy nefa tsy mahita;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 135:15-18

Ny sampin’ny Jentilisa dia volafotsy sy volamena, izay asa nataon’ny tanan’olombelona. Manam-bava izy nefa tsy miteny; mana-maso izy nefa tsy mahita; manan-tsofina izy nefa tsy mandre ary tsy misy fofonaina ao am-bavany. Ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 2:20

Amin’izany andro izany dia harian’ny olona ho an’ny voalavo sy ny ramanavy ny andriamanitra volafotsiny sy ny andriamanitra volamenany izay nataony hiankohofany eo anatrehany;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 57:5

Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo eo amin’ny sampy eny ambanin’ny hazo maitso rehetra ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin’ny tsefatsefaky ny harambato.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 5:21

Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 1:9

Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay nahazoanay miditra ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ny sampy ka niverenanareo tamin’Andriamanitra mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 10:14

Koa amin’izany, ry malala, dia mandosira ny fanompoan-tsampy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hosea 13:2

Ankehitriny dia mbola manota ihany izy, ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra voarendrika, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan’ny mpahay taozavatra avokoa. Ireny dia lazaina fa olona no vonoiny hatao fanatitra ary manoroka ombilahy kely izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mika 5:13

Hongotako tsy ho eo aminao ny tsangankazon-tsampin’ny Aserahanao ary horavako koa ny tanànanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Nahoma 1:14

Ary NY TOMPO efa nandidy ny aminao hoe: Tsy hisy intsony taranaka hamelo-maso ny anaranao; halaiko tsy ho ao amin’ny tranon’ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra voarendrika; hanao fasana ho anao Aho satria hita fa latsa-danja ianao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Habakoka 2:18

Inona moa no ilàna ny sarin-javatra voasokitra, no misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra voarendrika sy ny mpampianatra lainga, no matoky azy izay namorona azy ka manao sampy moana aminy?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Zakaria 13:2

Ary amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ny tany ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ny tany ny mpaminany sy ny fanahin’ny fahalotoana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:24

Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ho halany ny iray ary ho tiany ny iray; na hombany ny iray ary hohamavoiny ny iray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy i Mamôna ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 17:29

Koa satria terak’Andriamanitra isika dia tsy mety raha ny fomban’Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’olombelona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 1:23

ary ny voninahitr’Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany sary maneho ny olombelona mety lo sy ny vorona mbamin’ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavamananaina mandady sy mikisaka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 8:4

Ary ny amin’ny mihinana ny hena naterina tamin’ny sampy dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 66:3

Izay mamono omby dia ohatry ny mamono olona; izay mamono ondry hatao fanatitra dia ohatry ny mamolaka ny vozon’alika; izay manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ohatry ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro ditin-kazo manitra ho fanati-pahatsiarovana dia ohatry ny misaotra ny sampy. Eny, nifidy ny halehany ireny sady nifaly tamin’ny fahavetavetany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra