9. Fampakaram-bady1 Ary tamin’izay dia nantsoin’i Tobia ho any aminy ity Anjely nataony ho olombelona ihany, ka hoy izy taminy: «Ry Azariasa rahalahiko, masìna ianao, henoy kely ny teniko; 2 na dia hanolo-tena ho andevonao aza aho, mbola tsy ho ampy fankasitrahana ny fikarakarana rehetra nataonao. 3 Kanefa ity mbola misy zavatra anankiray angatahiko aminao koa: Makà biby mpitondra entana sy mpanompo koa, ka mandehana mankany amin’i Gabelosa, any Ragesa, tanànan’i Meda; avereno aminy ity sorany ity, dia raiso ny vola any aminy, ary angataho izy ho atỳ amin’ny fampakaram-badiko. 4 Satria ny tenanao mahalala fa isain’i dada ny andro, ka na tratra aoriana indray andro monja aza aho, dia vonton’alahelo ny fony. 5 Hitanao ihany koa anefa, ilay nataon-dRagoela niangavy mafy tamiko hijanona eto, ka tsy mahay mandà ny fiangaviany aho.» 6 Dia naka efa-dahy tamin’ny mpanompon-dRagoela i Rafaely, sy rameva roa, ka nankany Ragesa, tanànan’ny Meda. Nony nahita an’i Gabelosa izy, naveriny taminy ny taratasiny dia noraisiny avokoa ny vola; 7 ary nony efa notantarainy taminy avokoa ny zavatra rehetra tonga tamin’i Tobia, zanak’i Tobia, dia nitondra azy izy hiaraka aminy ho any amin’ny fampakaram-bady. 8 Nony niditra tao an-tranon-dRagoela i Gabelosa, indro eo am-pihinanana i Tobia, ka nitsangana niaraka tamin’izay izy, dia nifanoroka teo izy ireo, ary nitomany i Gabelosa vao nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe: 9 «Hotahin’ny Andriamanitr’i Israely anie ianao, fa zanak’olona tsara fanahy loatra, marina sy matahotra an’Andriamanitra ary manao fiantrana betsaka. 10 Hitsororoka ho amin’ivadinao sy ireo ray aman-dreninao koa anie ny fitahiana. 11 Ho hitanao anie ny zanakareo, sy ny zanaky ny zanakareo, hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra. Ary ny taranakareo anie hotahin’ny Andriamanitr’i Israely izay manjaka amin’ny taona mandrakizay.» 12 Niara-namaly hoe: «Amen», izay rehetra teo, vao nipetraka hihinana, ary tamim-pahatahorana an’Andriamanitra no nanaovany ny fanasan’ny fampakaram-bady. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society