Baiboly an-tserasera

dokam-barotra

Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao


2Makabeo 9 - Baiboly Katolika Baiboly Katolika
2Makabeo 9

Ny niafaran’i Antiôkosy Epifana
(Jereo 1Mak 6,1-16 ; 2Mak 1,11-17 )

1 Takaikin’izany andro izany, no nahatongavan’i Antiôkosy, tamin-kenatra, avy any amin’ny tanin’i Persa.

2 Fa niditra tao amin’ny tanàna atao hoe Persepolisa izy, dia nanandrana ny handroba ny tempoly, sy hampahory ny tanàna; kanjo niroatra ny vahoaka, ka nandray fiadiana, dia indro i Antiôkosy nataon’ny mponina vaky nandositra, dia lasa niverina afa-baraka.

3 Tao amin’ny faritanin’i Ekbatàna izy no nandre ny nanjò an’i Nikanôra sy ny tafik’i Timoteo.

4 Nirehitra ny hatezerany ka ny hamaliany ny fanaikan’ireo nanery azy handositra amin’ny famelezana ny Jody no noheveriny; nobaikony handefa ny kalesiny tsy an-kijanona ny mpitarika mba hahafaingana ny dia. Nenjehin’ny famalian’ny any ambony anefa izy, fa nilaza tamim-piavonavonana hoe: «Vao tonga ao Jerosalema aho, dia hataoko fasan’ny Jody io tanàna io.

5 Kanjo nasian’ny Tompo Andriamanitr’i Israely, mahita ny zavatra rehetra, tamin’ny fery tsy lai-panafody, maha-tsy te-hijery.» Vao avy nanonona io teny io izy dia nahatsiaro fanaintainana lozan-tany tao an-kibony, sy fangirifiriana nanotikotika tao anatiny.

6 Famaizana marina izany, fa nandrotika ny kibon’ny sasany tamin’ny fampijaliana maro sy mafy mihoa-pampana izy.

7 Tsy nety nionona tamin’ny fiavonavonany anefa izy fa mbola feno rehareha, dia naneho ny hatezerany mirehitra amin’ny Jody, nandidy ny hanafaingana ny dia izy, fa injay nidaboka tampoka avy ao amin’ny kalesy, izay nikodiadia nikotrokotroka, sady loza ny hamafin’ny fianjerany, fa mangana avokoa ny rantsam-batany rehetra;

8 ka indro, ilay vao teo no nanao ny tenany ho mpandidy ny onjan-dranomasina noho ny reharehany tafahoatra ny an’ny olona, ilay nihevitra handanja ny haavon’ny tendrombohitra amin’ny mizàna, fa tafatsingidina amin’ny tany, ka nolanjaina tamin’ny filanjana, naneho miharihary teo imason’ny olon-drehetra ny fahefan’Andriamanitra.

9 Kankana be dia be no nivoaka tamin’ny vatan’ity mpankahala ny fivavahana, mbola velona ny tenany dia niraraka ompana ny nofony tamim-pijaliana lozan-tany; fofon-javatra lo no nivoaka nankararirary ny tafika manontolo;

10 ka ilay toa hanakatra ny kintana eny an-danitra teo iny, tsy nisy nahazaka azy intsony ankehitriny, fa tsy toha izany hamaimboana izany.

11 Voa lalina loatra izy tamin’izany, ka izay vao nihemotra tamin’ny fiavonavonany makadiry sy nahalala ny tenany azon’ny kapok’Andriamanitra izay nampitombo ny fanaintainany hatrany hatrany;

12 ary hatramin’ny tenany avy, no tsy nahatanty ny hamaimbony intsony, ka hoy izy: «Rariny mihitsy ny manaiky an’Andriamanitra; ary raha izay mety maty foana, tsy tokony hirehareha hifaninana amin’Andriamanitra.»

13 Nivavaka tamin’ny Tompo ambony indrindra, izay tsy tokony hamindra fo aminy intsony anefa, ilay tsy misoro-doza io;

14 nampanantena izy, fa holazainy ho tanàna afaka, ny tanàna masina, izay nidodododoany taloha hampitovina tantana amin’ny tany sy hatao fasan’ny mponina ao;

15 hampitoviny saranga amin’ny Atenianina avokoa ny Jody izay notombanany ho tsy mendrika hanam-pasana, sy nokendreny hatao sakafon’ny vorona mpihaza amam-biby masiaka;

16 hampihaingoana amin’ny fanomezana kanto ny Tempoly masina izay namaboany taloha sady haverina aminy avokoa sy hampiany aza ny fanaka masina rehetra, hosahaniny amin’izay miditra ho an’ny tenany, ny lany amin’ny sorona;

17 fanampin’izany, hilatsaka ho Jody ny tenany, ary hitety ny tany misy mponina rehetra izy hanambara ny fahefan’Andriamanitra.

Taratasin’i Antiôkosy ho an’ny Jody

18 Tsy nitony anefa ny fijaliany fa ny fitsarana masin’Andriamanitra efa nihatra taminy, ka nony hitany fa tsy antenaina intsony ny amin’ny toetrany, dia nanoratra taratasy ho an’ny Jody izy, ka fitarainana no fomba nandaharany azy, ary izao no teny ao:

19 «I Antiôkosy mpanjaka sy jeneraly, manoratra ho an’ny Jody, vahoakany tsara indrindra, Arahaba! Fahasalamana! Fiadanana tanteraka!

20 Raha salama tsara ny tenanareo mbamin’ny zanakareo, raha mandroso araka ny fanirianareo ny raharahanareo, dia manome voninahitra lehibe indrindra an’Andriamanitra amin’izany aho, ary mametraka ny fitokiako amin’ny lanitra.

21 Izaho izao, mandry tsy manan-kery intsony eto am-pandriana dia mahatsiaro amim-pitiavana ny mari-boninahitra amam-pitiavana noraisiko taminareo. Tamin’ny niverenako avy tany amin’ny tanin’i Persa, notsindrian’aretina lozan-tany aho, ka nataoko fa ilaina ny himasoako amin’izay hiadanan’ny olona rehetra.

22 Tsy dia manary toky ny amiko aho tsy akory amin’izany fa vao mainka matoky mafy ny ho sitrana amin’izao aretina izao.

23 Fa izao no noheveriko: fony ikaky hiady tany amin’ny faritany ambony, dia notendreny izay ho dimbiny,

24 mba ho fantatr’izay eo amin’ny fanjakana ny nametrahana ny raharaha, ka tsy ho very hevitra izy raha avy izay loza tsy nampoizina na izay tsahotsaho ratsy;

25 heveriko manampy izany koa fa ireo mpanjaka mifanolotra sy ireo andriandahy mifanakaiky amin’ny fanjakana, mitsikilo ny toe-draharaha, sy miandry izay hitranga, ka dia notendreko ho mpanjaka i Antiôkosy zanako ilay efa napetrako tamin’ny ankabeazany aminareo, tamim-panafatrafarana fony aho nitety ireo faritany ambony; ary io nadika eo ambany io ny taratasy nampitondraiko azy.

26 Koa mangataka aminareo sy mihanta aminareo, mba hahatsiaro ny soa nataoko, na tamin’ny ankapobeny, na tamin’ny tsirairay avy, sy mba samy hahatana ny fitiavanareo ahy sy ny zanako.

27 Satria matoky marina aho fa noho izy feno halemem-panahy sy antra olona, dia hahatanteraka ny hevitro sy hiseho ho mora aminareo.»

28 Koa tany an-tanin’olon-kafa, tany an-tendrombohitra tamim-pahafatesana mahamenatra no nahafatesan’io mpamono olona sy mpanevateva an’Andriamanitra io, azon’ny fijaliana mahatsiravina toraky ny nafitsoky ny hafa.

29 I Filipo namany fahazaza, no nampitondra ny vatany, saingy natahotra an’i Antiôkosy tanora ka nihataka nankany Ejipta, amin’i Ptôlemea Filometora.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society