Manaova kiakiakam-pisaonana, satria akaiky ny andron’ny TOMPO; toy ny loza tsy hay tohaina no firongany avy amin’Andriamanitra Tsitoha.
Zakaria 14:1 - DIEM PROTESTANTA Indro akaiky ny andron’ny Tompo. Ka eo imasonareo, ry mponin’i Jerosalema, no hifampizaràn’ny hafa ny fanananareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, hisy Andron’NY TOMPO ho avy, koa ny babo aminao dia hozaraina ao ampovoanao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indro akaiky ny andron’ny Tompo. Ka eo imasonareo, ry mponin’i Jerosalema, no hifampizaràn’ny hafa ny fanananareo. Baiboly Katolika Indro misy andro ho avy ho an’i Iaveh ka ny babo aminao hozaraina eo afovoanao. Baiboly Protestanta Malagasy Indro, hisy andron’i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao ampovoanao. Malagasy Bible Indro, hisy andron'i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao am-povoanao. La Bible en Malgache Indro, hisy Andron’NY TOMPO ho avy, koa ny babo aminao dia hozaraina ao ampovoanao. |
Manaova kiakiakam-pisaonana, satria akaiky ny andron’ny TOMPO; toy ny loza tsy hay tohaina no firongany avy amin’Andriamanitra Tsitoha.
Indro avy ny andron’ny TOMPO, andro ombàm-pahatezerana tsy azo ivalozana sy isehoam-pahavinirana mirehitra, ka hahatonga izany tany izany ho hay sady handringanana ny mpanota tsy ho ao intsony.
Eny, hisy andro omanin’ny TOMPOn’izao rehetra izao hitsarana ny mpirehareha sy ny mpanandra-tena ary koa ny mpiandranandrana rehetra mba ho fampietrena azy ireo:
Tsofy ny trompetra ary asio antso fanairana, ao Tsiôna tendrombohitro masina. Mangovita ianareo mponina rehetra eto amin’ity tany ity, fa avy ny andron’ny TOMPO; eny, efa akaiky izany.
Mangina eo anatrehan’ny Tompo ANDRIANANAHARY fa efa akaiky ny andro hirotsahany an-tsehatra! Efa nanomana sorona ny TOMPO, ary efa nanadio ireo olona nasainy.
Ny lehilahin’i Joda hiady mba hiaro an’i Jerosalema, ary haka ny haren’ny firenena rehetra manodidina: koa dia hangoniny ny volamena sy ny volafotsy mbamin’ireo fitafiana marobe.
hiova ho haizina ny masoandro ary ny volana ho tonga mena tahaka ny ra alohan’ny higadonan’ny andro hiavian’ny Tompo, dia ilay andro lehibe sy mamirapiratra.
Fanahin-demony manao zava-mampitolagaga ireo fanahy maloto ireo, sady mankany amin’ny mpanjaka eran’ny tany tontolo mba hamory azy ho amin’ny ady hatao amin’ilay andro lehibe hitsaran’Andriamanitra Tsitoha.