Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 3:3 - DIEM PROTESTANTA

Koa mandroa ianao, mihosora zava-manitra, dia anaovy ny akanjonao tsara indrindra; avy eo dia midina any am-pamoloana, kanefa aza atao fantatr’i Bôhaza akory izany raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana. Nefa aza atao fantatr’i Ralehilahy akory ianao raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa mandroa ianao, mihosora zava-manitra, dia anaovy ny akanjonao tsara indrindra; avy eo dia midina any am-pamoloana, kanefa aza atao fantatr’i Bôhaza akory izany raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Koa mandroa ianao, mihosora diloilo, miakanjoa, ary midìna eny am-pamoloana. Aza atao hitany anefa ianao, raha tsy efa tapi-nihinana sy nisotro izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory hianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana. Nefa aza atao fantatr’i Ralehilahy akory ianao raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

Jereo ny toko



Rota 3:3
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary niarina avy teo amin’ny tany i Davida, ka nandro sy nihosotra diloilo ary nisolo akanjo; dia nankao an-tranon’ny TOMPO izy ka nivavaka. Rehefa nody tany aminy izy, dia nangataka horosoana sakafo ka nihinana.


Nampiantso vehivavy fetsy iray avy any Tekôa i Jôaba ka nilazany hoe: –Manaova sari-misaona ianao ka mitafia akanjo fisaonana; aza mihosotra ilomanitra, fa manaova toy ny vehivavy efa ela nisaonana olona maty iray.


Rehefa tapitra ny andro fahatelo nifadian-kanina, dia nitafy ny fanamiana maha mpanjakavavy azy i Estera ka niseho teo amin’ny kianja anatin’ny lapa, teo anoloan’ny efitranon’ny amperôra. Tamin’izay ny amperôra dia tao an-dapa sady nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany, tandrifin’ny varavarana fidirana.


dia divay hampifaly ny fon’ny olona, sy menaka hahamiramirana ny endriny ary mofo hanome tohan’aina azy.


Amin’ny fotoan-drehetra, mitafia akanjo fitondra amin’ny andro fety ary aza hadinoina ny manisy ilomanitra ny tarehinao.


«Nampandroiko tamin’ny rano ianao hanadiovana ny ra teny aminao sady nohosorako ilomanitra.


Fa ianao kosa, rehefa mifady hanina, dia sasao ny tavanao ary amboary tsara ny volonao,


Fantatrao fa havantsika i Bôhaza sady ianao efa niara-niasa tamin’ny vehivavy mpiasany. Indro izy hikororoka vary ôrza ao am-pamoloana anio alina.


Rehefa handeha handry izy, dia fantaro ny toerana izay handriany; ary mankanesa eo, ka sokafy kely ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo; fa izy mihitsy no hanoro anao izay hataonao.