Noho izany àry, ataovy amin’ny olona izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo; fa izany no vontoatin’ny lalànan’i Mosesy mbamin’ny fampianaran’ny mpaminany.
Rota 3:12 - DIEM PROTESTANTA Marina tokoa fa izaho dia havana mahavotra anao, kanefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho mahavotra anao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ankehitriny, marina fa havana mahavotra aho, nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Marina tokoa fa izaho dia havana mahavotra anao, kanefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho mahavotra anao. Baiboly Katolika Ary amin’izao dia marina tokoa fa mahazo manavotra aho; nefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho. Malagasy Bible Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho. La Bible en Malgache Ankehitriny, marina fa havana mahavotra aho, nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho. |
Noho izany àry, ataovy amin’ny olona izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo; fa izany no vontoatin’ny lalànan’i Mosesy mbamin’ny fampianaran’ny mpaminany.
ka amin’izany raharaham-panambadiana izany, dia aoka tsy hisy olona hanao ny tsy rariny amin’ny namany na hifetsy azy. Araka ny efa voalazanay taminareo sy nameperanay mafy anareo, dia hofaizin’ny Tompo izay manao ireny karazan-javatra ireny.
Dia hoy i Nahômỳ tamin’ny vinantovaviny: –Ny TOMPO Izay tsy mitsahatra manao soa amintsika velona sy amin’ny maty anie hitahy azy! Hoy kosa izy hoe: –Io lehilahy io dia havana akaiky antsika, ka anisan’ireo mahavotra antsika.
Koa ankehitriny, aza matahotra ianao, fa izay rehetra lazainao dia hataoko ho anao satria fantatry ny olona rehetra eto an-tanàna, fa vehivavy mendri-kaja ianao.
Mijanona eto ianao izao alina izao; fa anio maraina, raha hitondra loloha anao tokoa izy, dia tsara; aoka izy no hitondra loloha anao! Raha tsy tiany kosa ny hanao izany, dia izaho no hitondra loloha anao. Velona ny TOMPO ka eo anatrehany aho no mianiana hanao izany; fa matoria aloha ambara-paharainan’ny andro.
Dia niakatra ho eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha i Bôhaza, ka nipetraka teo. Ary indro nandalo ilay havana mahavotra voalazan’i Bôhaza, ka nantsoiny hoe: –Avia kely ianao, ranona, mipetraha eto. Dia nanatona izy, ary nipetraka.
Tapa-kevitra aho manko fa hampandre anao mba hampividy anao azy eo anatrehan’ireo olona manatrika eto sy ireo loholona. Koa raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tsy hanavotra ianao, dia ambarao ahy ho fantatro, satria tsy misy afa-tsy ianao no tokony hanavotra ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy ny navaliny hoe: –Izaho no hanavotra!