Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 1:7 - DIEM PROTESTANTA

Ary niainga izy telo mianaka, dia nizotra ny lalana hiverina any amin’ny tanin’i Joda; ka teny an-dalana,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niala tamin’izay nitoerany izy ary niaraka taminy ny vinantovaviny roa; nandeha hiverina any amin’ny tanin’ny Joda izy ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary niainga izy telo mianaka, dia nizotra ny lalana hiverina any amin’ny tanin’i Joda; ka teny an-dalana,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Niala teo amin’ny tany nonenany izy sy ireto vinantony roa vavy, dia niainga hody any amin’ny tanin’i Jodà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niala tamin’izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dàlana izy hiverina any amin’ny tanin’ny Joda.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niala tamin'izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dalana izy hiverina any amin'ny tanin'ny Joda.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niala tamin’izay nitoerany izy ary niaraka taminy ny vinantovaviny roa; nandeha hiverina any amin’ny tanin’ny Joda izy ireo.

Jereo ny toko



Rota 1:7
6 Rohy Ifampitohizana  

Nony afaka fito taona dia nody avy tany amin’ny tanin’ny Filistinina ravehivavy ka nangataka hihaona amin’ny mpanjaka mba hitaky ny tranony sy ny taniny.


Dia nalefan’i Mosesy nandeha nody any amin’ny taniny ny rafozany.


sady nanao taminy hoe: –Mba hiaraka aminao hiverina ho any amin’ny firenenao izahay!


Dia nanandram-peo nitomany indray izy roa vavy. Ary nanoroka an-drafozambaviny i Hôrpà ho fanaovam-beloma azy, fa i Rota kosa nifikitra teo aminy.


Tany Môaba i Nahômỳ no nandre fa notahin’ny TOMPO ny vahoakany ka nomeny hanina. Noho izany, ry i Nahômỳ sy ny vinantovaviny dia nioman-kandao ny faritr’i Môaba.


dia hoy i Nahômỳ tamin’ireto vinantovaviny: –Mandehana mody any an-tranon-dray aman-dreninareo avy ianareo; hanasoa anareo anie ny TOMPO, araka izay efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa.