sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka koa no hiverenako avy an-kibon’ny tany. Ny TOMPO no nanome, ny TOMPO no naka. Isaorana anie ny anaran’ny TOMPO.
Rota 1:21 - DIEM PROTESTANTA Fa nanam-be aho fony niala teto, fa izao kosa nampodin’ny TOMPO tsy manana na inona na inona; koa aza antsoinareo intsony re aho satria efa namely ahy ny TOMPO Tsitoha ary efa nahatonga loza tamiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nivoaka nanam-be aho fa nampodìn’NY TOMPO ho tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no mbola ataonareo hoe Naomy, nefa NY TOMPO nitsangana ho fahavaloko, ary ny Tsitoha nampahory ahy? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nanam-be aho fony niala teto, fa izao kosa nampodin’ny TOMPO tsy manana na inona na inona; koa aza antsoinareo intsony re aho satria efa namely ahy ny TOMPO Tsitoha ary efa nahatonga loza tamiko. Baiboly Katolika Feno tanana aho no nivoaka fa foan-tanana kosa no ampodin’i Iaveh. Ka ahoana no iantsoanareo ahy hoe Nôemì ihany; nefa i Iaveh no efa nitsangan-kamely ahy, ary ny Tsitoha no efa nampahory ahy.» Baiboly Protestanta Malagasy Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin’i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy? Malagasy Bible Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin'i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy? La Bible en Malgache Nivoaka nanam-be aho fa nampodìn’NY TOMPO ho tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no mbola ataonareo hoe Naomy, nefa NY TOMPO nitsangana ho fahavaloko, ary ny Tsitoha nampahory ahy? |
sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka koa no hiverenako avy an-kibon’ny tany. Ny TOMPO no nanome, ny TOMPO no naka. Isaorana anie ny anaran’ny TOMPO.
Totoafo ny fanafihana ataonao amiko; ataonao avo roa heny ny fahatezeranao amiko, ary tafika mifanontona no mamely ahy.
No dia didim-pitsarana mangidy loatra no soratanao hamelezana ahy, ka ampanodiavinao ahy mbamin’ny heloky ny fahatanorako.
Ireo ketrona nataony amiko no vavolombelona, ary ny fahiazako no miampanga sy manameloka ahy.
Fa noketrahin’Andriamanitra aho mba hangaihay, ka nahintsan’ireo olona ireo ny lamboridy izay nihazonako azy.
Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman’ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.»
moa ve hahandry azy mandra-pahalehibeny ianareo ka hahonon-tena tsy hanambady? Tsia, rey anaka, satria hampahory loatra anareo ny anjarako, fa hamely ahy no naninjiran’ny TOMPO ny tanany.