Kanefa tsy navelanao hanoroka ny zanako aman-jafiko akory aho, koa dia efa nanao hadalana ianao.
Rota 1:14 - DIEM PROTESTANTA Dia nanandram-peo nitomany indray izy roa vavy. Ary nanoroka an-drafozambaviny i Hôrpà ho fanaovam-beloma azy, fa i Rota kosa nifikitra teo aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany. Ary nanoroka ny rafozany vavy i Orpa, fa i Rota kosa dia nifikitra taminy ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanandram-peo nitomany indray izy roa vavy. Ary nanoroka an-drafozambaviny i Hôrpà ho fanaovam-beloma azy, fa i Rota kosa nifikitra teo aminy. Baiboly Katolika Dia nanandratra ny feony izy ireo, ka nitomany indray. Ary i Orfà nanoroka ny rafozany, fa i Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany. Malagasy Bible Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany. La Bible en Malgache Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany. Ary nanoroka ny rafozany vavy i Orpa, fa i Rota kosa dia nifikitra taminy ihany. |
Kanefa tsy navelanao hanoroka ny zanako aman-jafiko akory aho, koa dia efa nanao hadalana ianao.
Dia hoy ny mpanjaka: –Aoka àry hiaraka amiko i Kimihama, ka hanaovako izay sitrakao; ary ny zavatra rehetra hangatahinao amiko, dia hataoko ho anao.
Dia nandao ny omby i Elisà, ka nihazakazaka nanaraka an’i Elià sady nanao hoe: –Avelao aho aloha hanoroka ny raiko sy ny reniko vao hanaraka anao. Ary hoy i Elià taminy: –Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho!
Ny namana dia izay tia amin’ny fotoana rehetra, ka miseho toy ny mpiray tampo izy amin’ny fahoriana.
Izay maro namana tsy maintsy ho sahirana, nefa misy sakaiza izay mifikitra noho ny mpiray tampo aza.
Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.
Amin’izay andro izay, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, dia hisy vahiny folo izay samy hafa fiteny hihazona Jiosy iray amin’ny sisin’akanjony, ka hitambezo aminy hoe: ‹Mba te handeha hiaraka aminareo izahay, satria efa renay fa momba anareo Andriamanitra›.»
Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy.
Avy eo dia hoy i Jesoa tamin’ireo mpianany: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.
Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia lasa nandeha tamin’alahelo, satria nanan-karem-be.
Kanefa nisy olona sasantsasany nikambana taminy ary tonga mpino: anisan’ireny i Diônisy, mambran’ny antenimiera Areôpazy, sy vehivavy atao hoe Damarida ary ny sasany hafa koa izay niaraka tamin’ireo.
Ilay TOMPO Andriamanitrareo no hohajainareo, Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo, ary ny anarany no hianiananareo.
Fa ianareo nifikitra tamin’ny TOMPO Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.
Fa i Damasy efa nandao ahy, satria mankamamy an’izao fiainana ankehitriny izao izy ka lasa nankany Tesalônika. I Kresensa dia lasa any Galatia ary i Tito any Dalmatia.
Isika kosa dia tsy mba naman’izay mihemotra ka ho very fa naman’izay mino ka ho voavonjy.
moa ve hahandry azy mandra-pahalehibeny ianareo ka hahonon-tena tsy hanambady? Tsia, rey anaka, satria hampahory loatra anareo ny anjarako, fa hamely ahy no naninjiran’ny TOMPO ny tanany.
Dia hoy i Nahômỳ tamin’i Rota: –Indro ny rahavavinao nody any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny, modia koa ianao miaraka aminy.
Ary niainga izy telo mianaka, dia nizotra ny lalana hiverina any amin’ny tanin’i Joda; ka teny an-dalana,
Dia namaly i Bôhaza ka nanao taminy hoe: –Efa notantaraina tsara tamiko avokoa izay nataonao tamin’ny rafozambavinao taorian’ny nahafatesan’ny vadinao; reko ny nandaozanao ny ray aman-dreninao sy ny tany nahabe anao ka nandehananao ho atỳ amin’ny firenena izay tsy mbola fantatrao akory taloha.