Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 8:15 - DIEM PROTESTANTA

Rehefa afaka izany, dia hiroso ny asa fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana ny Levita. «Hodiovina sy hataonao ho toy ny fanatitra ahevaheva voatolotra ho Ahy àry ny Levita,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa vita izany dia hiditra hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana ny levita. Toy izany no hanadiovanao azy ka hataonao fanatitra asandratra izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa afaka izany, dia hiroso ny asa fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana ny Levita. «Hodiovina sy hataonao ho toy ny fanatitra ahevaheva voatolotra ho Ahy àry ny Levita,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ary raha efa izany, dia hiditra hanao fanompoana amin’ny trano lay fihaonana ny Levita. Toy izany no hanadiovanao azy sy hanoloranao azy ho fanatitra ahevaheva.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin’ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa vita izany dia hiditra hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana ny levita. Toy izany no hanadiovanao azy ka hataonao fanatitra asandratra izy.

Jereo ny toko



Nomery 8:15
9 Rohy Ifampitohizana  

Hapetrakao eo am-pelatanan’i Aharôna sy ny zanany ireo, ka hasainao ahevahevany eo anatrehako ho fanatitra ahevaheva.


–Indro Aho efa nifidy ny Levita tamin’ny Israelita rehetra ho solon’ny lahimatoa rehetra voalohan-teraka aminy; koa dia Ahy ny Levita,


Hanolotra ny Levita eo anatrehako i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva, mba hanao ny asa fanompoana AHY.


Ajoroy eo anatrehan’i Aharôna sy ny zanany ny Levita, ka ataovy toy ny fanatitra ahevaheva atolotra AHY.


satria efa nomena Ahy avy tamin’ny Israelita mihitsy izy ireo mba ho solon’ny lahy voalohan-teraka rehetra, dia ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita.