Ny tenanao ho azon’aretina mafy isan-karazany, indrindra fa aretina amin’ny tsinainao izay hiharatsy miandalana isan’andro isan’andro mandra-piloatra ny tsinainao.»
Nomery 5:21 - DIEM PROTESTANTA dia hataon’ny TOMPO ohatry ny fanozonana sy fianianana eo amin’ny firenenao anie ianao; hataony momba koa anie ianao ary hampivontosiny ny kibonao; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia hampianiana an-dRavehivavy ny mpisorona mba hiozona ka hiteny aminy hoe: NY TOMPO anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin’ny firenenao, amin’ny fampifezahan’NY TOMPO ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia hataon’ny TOMPO ohatry ny fanozonana sy fianianana eo amin’ny firenenao anie ianao; hataony momba koa anie ianao ary hampivontosiny ny kibonao; Baiboly Katolika dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona amin’ny fianianam-panozonana, ka hanao aminy hoe: ‹Aoka i Iaveh hahatonga anao ho fanozona sy ho fisahato eo amin’ny firenenao, ka hampifezaka ny ilànao sy hampivonto ny kibonao, Baiboly Protestanta Malagasy dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin’ny firenenao, amin’ny fampifezahan’i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao; Malagasy Bible dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin'ny firenenao, amin'ny fampifezahan'i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao; La Bible en Malgache dia hampianiana an-dRavehivavy ny mpisorona mba hiozona ka hiteny aminy hoe: NY TOMPO anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin’ny firenenao, amin’ny fampifezahan’NY TOMPO ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao; |
Ny tenanao ho azon’aretina mafy isan-karazany, indrindra fa aretina amin’ny tsinainao izay hiharatsy miandalana isan’andro isan’andro mandra-piloatra ny tsinainao.»
Ny olona sisa, na mpisorona, na levita, na mpiandry varavarana, na mpihira, na mpanampy ny levita, na izay rehetra efa niavaka tamin’ny valovotaka mba hanaraka ny lalànan’Andriamanitra, na ny vadin’ireo, na ny zanany lahy sy vavy, izany hoe izay rehetra efa mahahaino tsara,
Hotahîna ny fahatsiarovana ny olo-marina; fa ho hadino hatramin’ny anarany kosa ny olon-dratsy.
Eo amin’ny olom-boafidiko dia hatao ohatra ny anaranareo amin’ny fomba fanozonana toy izao: «Hovonoin’ny Tompo ANDRIANANAHARY tahaka an-dRanona na Ranona anie ianao!» Ho fanasoavana ny mpanompoko kosa dia anarana hafa no hotononina aminy.
Ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo atỳ Babilôna dia hampiasa ny anaran’izy roa lahy ho oha-panozonana ka hilaza hoe: Hataon’ny TOMPO tahaka izay nanjo an’i Tsedekià sy i Ahaba izay nodoran’ny mpanjakan’i Babilôna tamin’ny afo anie ianao!
Rehefa avy nisotro izy, dia izao no hiseho: raha voaloto izy satria nanitsakitsaka tokoa ny vadiny, dia hiditra ao aminy hanjary mangidy ny rano mitondra ozona ka hampibontsina ny kibony sady hahatonga azy ho momba; ary ho ohatry ny fanozonana eo amin’ny fireneny ravehivavy.
Ary sady niozona sy nianiana i Petera no nanao hoe: –Tsy fantatro izany Lehilahy izany. Niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno;
Tamin’izany fotoana izany koa dia nanambara izao fampitandremana momba an’i Jerikao izao i Josoa nanao hoe: «Ho voaozona eo anatrehan’ny TOMPO anie izay olona mitsangana hanamboatra an’ity tanàna ity ka ny ain’ny lahimatoany no ho sandan’ny hanorenany ny fototra ary ny ain’ny faralahiny no ho sandan’ny hananganany ny vavahady!»
Reraka mafy ny Israelita tamin’io andro io, satria efa norahonan’i Saoly tamin’ny fampitandremana hoe: «Ho voaozona anie izay manendry hanina alohan’ny hariva mandra-pahatò ny valifatiko amin’ny fahavalo!» Dia tsy nisy sahy nanendry hanina ny olon-drehetra.