Nampanaovin’i Salômôna natao koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ireto avy: ny alitara volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra,
Nomery 4:14 - DIEM PROTESTANTA Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin’ny fanaovan-tsorona, dia ny fitondrana afo, ny fitrebika, ny sotron’afo, ny zinga famafazana ary ny kojakoja rehetra momba ny alitara. Hovelarana ny lamba mafy eo ambonin’izany, ary hapetrany ny bao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny fitondrana afony, ny fitrebiny, ny sotron’afony ary ny loviany famafazana, dia ireo fanaka rehetra momba ny alitara; hovelarany rakotra hoditra trozona eo amboniny dia hataony eo aminy ny baony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin’ny fanaovan-tsorona, dia ny fitondrana afo, ny fitrebika, ny sotron’afo, ny zinga famafazana ary ny kojakoja rehetra momba ny alitara. Hovelarana ny lamba mafy eo ambonin’izany, ary hapetrany ny bao. Baiboly Katolika ka hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin’ny raharaha atao aminy, dia ny fatana, ny fitrebika, ny sotron’afo, ny tavy ary ny fanaka rehetra momba ny ôtely; hovelarany firakotra hodi-dogaona eo amboniny ireo, vao hapetany eo ny baony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran-afony sy ny fitrebiny sy ny sotron’afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony. Malagasy Bible Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran'afony sy ny fitrebiny sy ny sotron'afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony. La Bible en Malgache Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny fitondrana afony, ny fitrebiny, ny sotron’afony ary ny loviany famafazana, dia ireo fanaka rehetra momba ny alitara; hovelarany rakotra hoditra trozona eo amboniny dia hataony eo aminy ny baony. |
Nampanaovin’i Salômôna natao koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ireto avy: ny alitara volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra,
«Hisy alitara fisoronana hamboarina amin’ny hazo mimôzà. Ho efamira izy io, ka mirefy roa metatra sy sasany ny lafy tsirairay, ary iray metatra sy sasany ny haavony.
Halimo koa no hanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.
Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.
hasiany lamba hoditra manify eo ambonin’izany, dia hamelarany lamba volomparasy indray eo ambonin’io, vao hapetrany ny bao filanjana azy.