Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 34:5 - DIEM PROTESTANTA

avy eo Hatsemôna, dia miolaka any amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ary miafara amin’ny Ranomasina Mediteranea.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary miolaka hatreo Azmona ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, ary mipaka hatrany amin’ny ranomasina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

avy eo Hatsemôna, dia miolaka any amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ary miafara amin’ny Ranomasina Mediteranea.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ary hatreo Asemôna, dia mipaka hatrany amin’ny riakan’i Ejipta, sy mihatra amin’ny ranomasina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin’ny lohasahan-driak’i Egypta, ka dia mihatra amin’ny ranomasina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, ka dia mihatra amin'ny ranomasina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary miolaka hatreo Azmona ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, ary mipaka hatrany amin’ny ranomasina.

Jereo ny toko



Nomery 34:5
8 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana tamin’i Abrama, ka niteny hoe: –Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin’ny ranon-driakan’i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe


Tamin’io volana fahafito io koa no niarahan’i Salômôna nankalaza ny fetin’ny Tranotomboka tamin’ny Israelita rehetra izay tafangona marobe, tonga avy amin’ny lafy valo hatreo Lebô-Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta. Koa nankalaza fety teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitsika izy nandritra ny fito andro indroa: izany hoe 14 andro.


Amin’izany andro izany, dia hovelesin’ny TOMPO ireo salohim-bary voajinja manomboka eo amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta. Amin’izay ianareo, ry Israelita, dia samy hotsimponina tsirairay.


Ny sisin-tany atsimo dia hiainga eo Tamara ka hipaka hatrany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy, ary hanaraka ny ranon-driakan’i Ejipta ka hipaka eo amin’ny Ranomasina Mediteranea. Izay no sisin-tany atsimo.


Ary hanorina ny tranolain’andriamanjaka eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masin’ilay tany tsara indrindra izy; nefa ho tonga amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.»


dia mandalo an’i Hatsimôna, mandroso hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, ary mihatra amin’ny Ranomasina Mediteranea. Izay ny amin’ny sisin-tanin’ny fokon’i Joda ao atsimo.


i Asdôda sy i Gazà samy miampy ireo tanàna kely sy zana-bohitra miankina aminy, hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta sy hatrany amoron’ny Ranomasina Mediteranea.