Nomery 33:1 - DIEM PROTESTANTA Ireto avy ny lalana nalehan’ny Israelita rehefa niala tany Ejipta teo ambany fitarihan’i Mosesy sy i Aharôna izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireto avy no toerana nijanonan’ny Zanak’Israely, izay noentin’i Mosesy sy i Arona nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta araka ny antokony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireto avy ny lalana nalehan’ny Israelita rehefa niala tany Ejipta teo ambany fitarihan’i Mosesy sy i Aharôna izy. Baiboly Katolika Izao no nitobian’ny zanak’i Israely nony nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, araka ny antokony avy, ambanin’ny fitondran’i Môizy sy i Aarôna. Baiboly Protestanta Malagasy ARY izao no nandehanan’ny Zanak’Isiraely, izay nentin’i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta araka ny antokony. Malagasy Bible Ary izao no nandehan'ny Zanak'Isiraely, izay nentin'i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony. La Bible en Malgache Ireto avy no toerana nijanonan’ny Zanak’Israely, izay noentin’i Mosesy sy i Arona nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta araka ny antokony. |
Nanao lalana tany an-dranomasina Ianao ary sakeli-dalana tany amin’ny rano lalina, nefa tsy nisy nahalala ny soritry ny dianao.
Niala avy tao an-tanàna Rahamsesa ny Israelita ka nizotra ho any Sokôta; lehilahy mahery misy andiany eninjato eo ho eo no isany, afa-tsy ny zaza amam-behivavy sy ny antitra.
Nony nifarana ny 430 taona, dia tamin’io andro io indrindra no nivoaka am-pilaminana avy tao Ejipta ny vahoakan’ny TOMPO.
Ka tamin’io andro io indrindra no navoakan’ny TOMPO tamim-pilaminana avy tany Ejipta ny Israelita.
Izany no antony nitondrany azy amin’ny lalana mihodidina ny taniefitra, mankany amin’ny Ranomasin’ny Volotara. Voalamina tsara ny Israelita fony niala avy tany Ejipta.
Fa i Aharôna sy i Mosesy kosa nobaikoin’ny TOMPO hoe: «Ataovy izay hamoahanareo ny Israelita avy any Ejipta amim-pilaminana tsara.»
Fa nampiakariko avy tany Ejipta ianareo ary nafahako avy tamin’ny fanandevozana, ka nirahiko hitarika anareo i Mosesy sy i Aharôna ary i Miriama.
Nomarihin’i Mosesy tsara ny toerana nasain’ny TOMPO nijanonany sy niaingany indray araka izao:
Tatỳ aoriana, dia naniraka an’i Mosesy sy i Aharôna Aho ka namely an’i Ejipta araka izay efa nataoko teo aminy; rehefa izany vao nasaiko navoaka ny razanareo.
Rehefa tonga tany Ejipta ry Jakôba, dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny razanareo; koa nandefa an’i Mosesy sy i Aharôna IZY hitondra azy hiala tany Ejipta ary hametraka azy amin’ity tany ity.