Avy eo dia hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin-dravehivavy: –Hampitomboiko ny fanaintainanao rehefa bevohòka ianao, ary fahoriana no hiterahanao ny zanakao; ny vadinao no hifatraran’ny fanirianao, nefa izy no hifehy anao.
Nomery 30:8 - DIEM PROTESTANTA Raha rem-badiny izany nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 raha nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany, dia manan-kery ny voadiny sy izay namehezany ny tenany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha rem-badiny izany nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony. Baiboly Katolika ary ren’ny lahy izany, nefa tsy miteniteny aminy momba izany izy: amin’ny andro andrenesany an’izany, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany. Baiboly Protestanta Malagasy ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny. Malagasy Bible ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny. La Bible en Malgache raha nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany, dia manan-kery ny voadiny sy izay namehezany ny tenany. |
Avy eo dia hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin-dravehivavy: –Hampitomboiko ny fanaintainanao rehefa bevohòka ianao, ary fahoriana no hiterahanao ny zanakao; ny vadinao no hifatraran’ny fanirianao, nefa izy no hifehy anao.
Dia nanampy koa ireo vehivavy ka nanao hoe: –Ary raha nanolotra zava-manitra mifangaro ho an’i Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra izahay, moa tsy neken’ny vadinay ve izany? Fantany tsara fa manao mofo maneho ny sariny izahay sady manolotra fanatitra divay ho azy.
«Raha misy olona manao vava latsaka mianiana hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona vava latsaka nombàny fianianana, ka mahafantatra izy avy eo, dia manjary meloka.
Raha ren-drainy izany voady na fianianana izany, nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataon’ilay tovovavy.
«Ataovy indray hoe kosa misy tovovavy maningo-tena mivoady na mianiana foana tsy amim-piheverana, kanefa manambady atỳ aoriana.
Fa raha mandà kosa ny lahy amin’ny andro andrenesany izany, dia foana avokoa ny voady sy ny fianianam-poana nataon’ny vavy; ary hamela azy ny TOMPO.
dia aoka hangina ireo vehivavy mandritra ny fiaraha-miangona, satria tsy azony atao ny miteny; fa aoka hanoa izy ireo araka ny voalazan’ny bokin’ny lalàna rahateo.
Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa an’ny lahy izany; toy izany koa, ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa an’ny vavy izany.
Ary namaly azy i Elkanà hoe: «Tsara izany, ataovy izay fantatrao fa mety; mijanòna ihany àry atỳ mandra-pisara-nono ny zaza. Hotanterahin’ny TOMPO anie ny fampanantenainy!» Dia nijanona tao Ramà nampinono ny zanany i Hanà mandra-pisara-nono azy.