Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonena-masina mba tsy hirehitra amin’ny fiangonan’ny Israelita ny fahatezerako.»
Nomery 3:29 - DIEM PROTESTANTA Nitoby teo amin’ny lafy atsimon’ny Fonena-masina ny Kehatita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fianakavian’ny zanak’i Kehata dia hitoby eo amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitoby teo amin’ny lafy atsimon’ny Fonena-masina ny Kehatita. Baiboly Katolika Eo amin’ny lafiny atsimo amin’ny Fonenana no nitobian’ny fokon’ny zanaka lahin’i Kaata. Baiboly Protestanta Malagasy Ny fokon’ny zanak’i Kehata dia hitoby eo amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely. Malagasy Bible Ny fokon'ny zanak'i Kehata dia hitoby eo amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely. La Bible en Malgache Ny fianakavian’ny zanak’i Kehata dia hitoby eo amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely. |
Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonena-masina mba tsy hirehitra amin’ny fiangonan’ny Israelita ny fahatezerako.»
«Amin’ny lafiny atsimo no hisy ireo tafika mivondrona ao anatin’ny tobin’i Reobena, ka ahitana mifanila ny tafika reobenita sy simehônita ary gadita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Reobena dia i Elitsora zanakalahin’i Sedeora miaraka amin’ny vatan-dehilahy 46 500; ho an’ny fokon’i Simehôna dia i Selomiela zanakalahin’i Tsorisaday miaraka amin’ny vatan-dehilahy 59 300; ho an’ny fokon’i Gada dia i Eliafasa zanakalahin’i Dehoela miaraka amin’ny vatan-dehilahy 45 650.
Rehefa natao fanisana ny lehilahy rehetra tao aminy, izay feno iray volana no ho miakatra, dia 8 600. Ireo no mpikarakara ny Fonena-masina.