Naka ampongatapaka i Miriama, mpaminanivavy anabavin’i Aharôna, ary lasa nanaraka azy avokoa ny vehivavy israelita rehetra ka nitondra ampongatapaka sady nandihy.
Nomery 26:59 - DIEM PROTESTANTA izay nanambady an’i Jôkebeda zanakavavy naterak’i Levỳ tany Ejipta. Io Jôkebeda io no nanome zanaka telo an’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy mirahalahy ary i Miriama anabaviny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’i Levy, izay naterany tany Ejipta; dia niteraka an’i Arona sy i Mosesy ary i Miriama anabaviny tamin’i Amrama izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara izay nanambady an’i Jôkebeda zanakavavy naterak’i Levỳ tany Ejipta. Io Jôkebeda io no nanome zanaka telo an’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy mirahalahy ary i Miriama anabaviny. Baiboly Katolika I Kaata niteraka an’i Amrama, ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jôkabeda, zanaka vavin’i Levỳ, izay nateraky ny reniny tamin’i Levỳ tany Ejipta, ary izy niteraka an’i Aarôna sy i Môizy ary i Maria anabavin’ireo, tamin’i Amrama. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an’i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin’i Amrama izy. Malagasy Bible Ary ny anaran'ny vadin'i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin'i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an'i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin'i Amrama izy. La Bible en Malgache Ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’i Levy, izay naterany tany Ejipta; dia niteraka an’i Arona sy i Mosesy ary i Miriama anabaviny tamin’i Amrama izy. |
Naka ampongatapaka i Miriama, mpaminanivavy anabavin’i Aharôna, ary lasa nanaraka azy avokoa ny vehivavy israelita rehetra ka nitondra ampongatapaka sady nandihy.
I Hamrana dia nanambady an’i Jôkebeda anabavin-drainy ka niteraka an’i Aharôna sy i Mosesy. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Hamrama.
Nanome tsiny an’i Mosesy i Miriama sy i Aharôna noho ny nanambadiany vehivavy kosita, fa nampakatra vehivavy kosita tokoa izy.
Tonga tao amin’ny taniefitr’i Tsina ny fiangonan’i Israely iray manontolo tamin’ny volana voalohany; ary nijanona tao Kadesy ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Miriama sady nandevenana azy.