Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 22:11 - DIEM PROTESTANTA

«Ilay vahoaka izay niala tany Ejipta dia mandrakotra ny taniko. Koa mba tongava atỳ re ianao, hanozona azy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Ejipta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Ilay vahoaka izay niala tany Ejipta dia mandrakotra ny taniko. Koa mba tongava atỳ re ianao, hanozona azy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

‹Indro ilay firenena nivoaka avy tany Ejipta fa mandrakotra ny tany, tongava atỳ amiko àry ka hanozona azy ianao; izany angamba no hahazoako mandresy azy sy mandroaka azy.› »

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny, ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Ejipta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.

Jereo ny toko



Nomery 22:11
8 Rohy Ifampitohizana  

Hanompo anao anie ireo firenena ary hiankohoka eo anatrehanao ny vahoaka maro! Ho tompon’ny rahalahinao anie ianao ka hiankohoka eo anoloanao ireo zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay manozona anao ary hohasoavina izay manisy soa anao!


Dia hoy i Balahama tamin’Andriamanitra: –I Balàka zanakalahin’i Tsipôra sy mpanjakan’i Môaba no naniraka olona hiteny amiko hoe:


Ary hoy i Andriamanitra tamin’i Balahama: –Tsy handeha hiaraka aminy ianao ary tsy hanozona koa io vahoaka izay efa notahîko io.


Dia hoy i Balàka tamin’i Balahama: –Fa inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nitondrako anao atỳ, kanefa dia ny nitsodrano azy indray no nataonao!


Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahama: «I Balàka, mpanjakan’i Môaba, dia nampaka ahy avy any Siria, avy any amin’ny tendrombohitra amin’ny ilany atsinanan’izany tany izany. Avia, hoy izy tamiko, hanozona ny taranak’i Jakôba; avia handrahona ny Israelita.


Vinitra aoka izany tamin’i Balahama i Balàka ka niteha-tanana handrahona azy sady nanao taminy hoe: –Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa fanintelony izao ianao no nitsodrano azy.


nefa tsy nanaiky hihaino an’i Bilehama Aho, ka voatery nitsodrano anareo i Bilehama ary nafahako tsy ho azon’ny tanan’i Balàka ianareo.


Ary hoy i Gôliata tamin’i Davida: –Alika angaha aho no hatonin’ialahy amin’ny tehina? Ho voaozona anie ialahy amin’ny alalan’ireo andriamanitray!