Ireo vehivavin’i Môaba dia very hevitra eo am-pitana ao Arnôna toy ny vorona mivezivezy voaroaka tao amin’ny akaniny.
Nomery 21:13 - DIEM PROTESTANTA Niala teo indray izy, dia nitoby tao an-dafin’ny renirano Arnôna izay mipoitra any amin’ny faritanin’ny Amôrita ary mamakivaky ny taniefitra, vao manamorona ny sisin-tanin’i Môaba ka mampisaraka ny faritry ny Môabita sy ny faritry ny Amôrita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niala tao dia nilasy tany andafin’i Arnona, izay any amin’ny tany efitra sady mivoaka avy ao amin’ny faritanin’ny Amorita; fa ny ranon’i Arnona no mamaritra ny sisintanin’ny Moabita, eo anelanelan’i Moaba sy ny Amorita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niala teo indray izy, dia nitoby tao an-dafin’ny renirano Arnôna izay mipoitra any amin’ny faritanin’ny Amôrita ary mamakivaky ny taniefitra, vao manamorona ny sisin-tanin’i Môaba ka mampisaraka ny faritry ny Môabita sy ny faritry ny Amôrita. Baiboly Katolika Niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin’i Arnôna, izay mivalana amin’ny efitra, rehefa mivoaka ny faritanin’ny Amôreana; fa i Arnôna no faritr’i Moaba, eo anelanelan’i Moaba sy ny Amôreana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin’i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin’ny fari-tanin’ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin’ny Moabita, eo anelanelan’ny Moabita sy ny Amorita. Malagasy Bible Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin'i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin'ny fari-tanin'ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin'ny Moabita, eo anelanelan'ny Moabita sy ny Amorita. La Bible en Malgache Ary niala tao dia nilasy tany andafin’i Arnona, izay any amin’ny tany efitra sady mivoaka avy ao amin’ny faritanin’ny Amorita; fa ny ranon’i Arnona no mamaritra ny sisintanin’ny Moabita, eo anelanelan’i Moaba sy ny Amorita. |
Ireo vehivavin’i Môaba dia very hevitra eo am-pitana ao Arnôna toy ny vorona mivezivezy voaroaka tao amin’ny akaniny.
–Menatra sy ketraka i Môaba, hoy ny navalin’ireo, Manaova antsoantso sy kiakiaka; ambarao amin’ny faritra amoron’i Arnôna fa rava i Môaba.
Izany no ilazana ao amin’ny Bokin’ireo adin’ny TOMPO hoe: «...i Vaheba any Sofà sy ny sakeli-dranony; i Arnôna
Rehefa ren’i Balàka fa tamy i Balahama, dia lasa izy nitsena azy tany Hiry-Môaba izay tanàna teo amin’ny sisin-tany voafaritr’i Arnôna.
«Ankehitriny, miaingà ianareo ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zahareda.» Dia nita ny lohasahan-driaka Zahareda isika.
Avy eo dia hoy ny TOMPO hoe: «Mitsangàna ianareo, miaingà ka mità ny lohasahan-driaka Arnôna. Jereonareo fa hatolotro eo an-tananareo i Sihôna, mpanjaka amôrita ao Hesbôna, mbamin’ny taniny. Santaro ny fakàna izany tany izany, ka tafiho i Sihôna!
Avy teo, dia nandeha namakivaky ny taniefitra izy, nanodidina ny faritanin’i Edôma sy i Môaba ary tonga tao atsinanan’i Môaba. Dia nitoby teo ampitan’ny renirano Arnôna izy fa tsy niditra tao anatin’ny faritanin’i Môaba, satria i Arnôna no sisin-taniny.